Download - Ny Valosoa sy hadihady AnDry AjoelInA Fanarenam-pirenena ......solonCny « Lapa Masoandro » tsy tafatsanganCny Mpanjaka vavy Ranavalona III. Nihevitra foana ny mpitondra aminCizao

Transcript
Page 1: Ny Valosoa sy hadihady AnDry AjoelInA Fanarenam-pirenena ......solonCny « Lapa Masoandro » tsy tafatsanganCny Mpanjaka vavy Ranavalona III. Nihevitra foana ny mpitondra aminCizao

Iaraha-mahalala fa voafintina ao amin’ny « velirano13 » ilay boky IEM mirakitra ny fampandrosoanaan’i Madagasikara, rehefa nandeha ny fampiele-

zankevitra tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ny fa-ran’ny taona 2018. Iaraha-mahalala ihany koa nyvokatry ny fifidianana izay niteraka resabe na dia teoaza ny faneken-dRavalomanana Marc, mpifanandrinatamin-dRajoelina Andry Nirina, ny vokatra navoa-kan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana(HCC) tamin’ny fihodinana faharoa. Ankoatry ny ho-soka maro samy hafa dia nambaran’ny filoha lefitryny Vaomieram-pirenena Mahaleotena momba ny Fi-fidianana ny marina momba ireo « doublons » taoanaty lisitra, izay efa niisa an-tapitrisa sy ny laharanamitovy karapanondrom-pirenena amana hetsiny. Ni-teraka savorovoro ara-politika sy nandaniana rano-mainty nanoratana izany an-gazety kanefa dia nahitafomba hafa nisarihana ny sain’ny gasy ny mpitondraka nampanjelanjelatra ny tetikasa “Tànamasoandro”izay nifanehitra tamin’ny fandavan’ny mponina ankit-sirano izany, ka angamba, voavely mafy loatra dia ni-lentika ao anaty rano tsy nipoitra avy ao alohahatramin’izao. Na izany aza dia niteraka savorovoroihany koa ity fanapahan-kevitra maimaika neverinahandamin-javatra kanjo ny nifanohitra tamin’izany nonitranga. Toa tonga eo alohan’ny mpitondra hatranyanefa ny baolin’ny fanavotana (bouée de sauvetage)tamin’ny nitondran’ny Barea avo ny voninahitry nybaolina kitra malagasy. Toa niray hina sy nampisehofiaraha-mientana teo amin’ny gasy tokoa ny zava-bi-tan’ny ekipam-pirenena malagasy iny. Fahazavanamitsilopilopy ao anaty haizi-mikitroka anefa ireny sa-tria tonga indray ny fifidianana kaominaly izay toy nyfifidianana rehetra izay tsy ilaozan-gidragidra, teoihany koa ny resaka fitakiana ireo nosy manodidinaizay tsy nahafahan’ny mpitondra niala ilany, fa dia na-nambara tamin’ny RFI ny filohan’ny Repoblika, Ra-joelina Andry Nirina, fa famerenana azy ireo hoanisan’ny faritanin’i Madagasikara ary nanambara izyfa ho tanteraka nialohan’ny fankalazana ny faha-60taonan’ny namerenana ny fahaleovantena izany. Tsyfahadisoan’izan’iza izany fa nisompatra ny faniriana

ny areti-mandoza « Covid-19 sady mbola hisy ny 26jona amin’ny taona manaraka rehetra raha tsy metyho vita alohan’ny 14 oktobra 2020 izay hankalazanaamin’ny fomba manetriketrika ny fety tsy azo notan-terahina ny 26 jona lasa teo. Tsy miravina akory nyolana teo aloha dia nipoitra indray ny resaka fanare-nana ny Rovan’i Manjakamiadana izay tsy famere-nana amin’ny toetrany teo aloha no ataon’nyfitondrana, fa fanovana tanteraka tsy misy fanajànany maha vakoka iraisam-pirenena io Lapa io. An-koatr’izany dia nandalo fanakianana mafy, tsy avy etoan-toerana ihany fa hatrany ivelany amin’ny alàlan’nyUnesco ny fanorenana ilay « Kianja Masoandro » hosolon’ny « Lapa Masoandro » tsy tafatsangan’nyMpanjaka vavy Ranavalona III. Nihevitra foana nympitondra amin’izao fotoana izao fa maranin-tsainaka mahita fomba hanodinana ny saim-bahoaka, zaraaza nisy ny aretina Covid-19 izay nahazoana fanam-piana vola tsy toko tsy forohana avy any ivelany, kanampanantena ny vahoaka fanarenana ny fiainanaara-tsosialy izay nikoroso fahana noho ny hamehanasy ny fihibohana. Mety amin’izao fitondrana izao nymanangana rafitra mirazotra amin’izay efa mipetrakamba hanomezana « patsa idray mahandro » ho an’nyakama hanamafisan-toerana. Ny sefom-pokontany noenjehin’ny mponina sy ny filohan’ny Repoblika homanao risoriso kanefa ny any ambony mihitsy nomandrimbina izay heverina fa anjara tokony ho azy.Mipirina fotsiny ireo olana rehetra ireo ary tsy mbolaresy tanteraka ny aretina dia efa nandroso vahaolanaaorian’ny hamehana ny mpitondra amin’ny alàlan’ilay« Plan Marshall » izay manome vahana ny fanore-nana fotodrafitrasa izay tsy hitondra fampandrosoanavelively ara-toekarena satria inona ny tombontsoa hoazon’ny mponin’Antananarivo amin’ny fanorenena «Fly over » eny Anosizato sy Ampasika. Ny tranon’nymponina eny amin’iny faritra iny aza no ho ravanaraha ho atao tokoa izany tetikasa izany. Izao no tongaamin’ilay fitenenana hoe:« ny toky fitaka fa ny atao nohita ».

Andry Tsiavalona

3Lah 1061 Talata 1 septambra 2020Politika

Fanarenam-pirenena : mbola ho ela ny gasy vao ho tafarina

Ny Valosoa sy hadihady

www.gvalosoa.com

AnDry rAjoelInA

Mampanonofy sefo

fokontany fotsiny

Misy tokoa ny diplaomaazo tamin’ny mora nandri-try ny vanim-potoanan’nysakoroka teto Madagasi-kara, tsy inona izany faireo fanadinana natao ta-min’ny taona 2009 an-dron’ny tetezamita, ka nadia taom-pianarana fohysy sarotra aza dia nano-mezana tombontsoa ireotsy ampy fahalalana ha-trany na dia efa ambanyaza ny salan’ isa azo.Tiana ny milaza etoanafa ireo mpanala C.E.P.Etamin’ny taona 2009 oha-tra, dia efa taona faha-2na efa hanomana ny li-cence mihitsy amin’izao

vanimpotoana izao enyamin’ireo Oniversite sami-hafa, na miankina na tsymiankina amin’ny fanja-kana toy ny eny: Ankatso,Inscae, Uprim, Aceem syny sisa… Tsy vitsy tamin’ireo zan-dry, zanaka, tamin’izanyfotoana izany no nanipyteny ankehitriny, nilazahoe: diplaoma mora azotamin’ny tsy antony ireny,efa kely ny tokin’aina nefamba afaka ihany, ka falynahazo io diplaoma sako-roka io.Ankehitriny indray dia mi-hàtra eto amintsika ityC.E.P.E hafa kely ity, ny ta-

ranjam-panadinana diaatao arakaraky ny zavatravita, volana nianarana,afaka manala koa anefaraha ankizy eto Iarivo oha-tra no taraiky any amin’nyfaritra, ka mampiseho ilaytaratasy fiantsoana. Sam-bany koa no hisy fanadi-nana intelo miantoana fatsy miaraka atao izany ma-narena ny Nosy.Hita araka izany fa fa toatsy misy lanjany intsony in-dray ity CEPE ity, ka amba-ran’ireo ankizy fa toadiplaoma mora ao anaty fi-hibohana indray izany.Marina hoy ireo ankizy, faao anaty hamehana ara-

pahasalamana ny fire-nena amin’izao fotoanaizao, nefa na dia fotoam-pivavahana atokana hoazy ireny aza ve, mba hofangataham-pitahianaireo rehatra hanala fana-dinana dia voarara amin’izao fitondrana Rajoelinaizao, nefa raha ny Eglizysy Tempoly na fiangonanaohatra , dia azo inoana faho voahaja hatrany, aha-fahana mikajy ilay 50 isasy ny sasa-tanana ary nyfanaovana ireo aro-tavamiampy ilay 1 metatraizay tsy maintsy hajaina. .

Beharo

Fanabeazana

Diplaoma mora ny diplaoman’ny sakoroka sy ny fihibohana

Tonga teny amin'ny pre-fektioran'ny polisy tenyTsimbazaza omaly tola-kandro, ny mpanolotsainamonisipaly avy amin’nyantoko Tiako i Madagasi-kara (TIM ), hanontany nyvalin'ny taratasy fangata-ham-panazavana nape-trak'izy ireo mahakasikany fanaparam-pahefanaataon'ny ben'ny tanàna,Vazahabe: Naina Andria-tsitohaina amin’ny fana-pahan-kevitra raisiny sa-mirery momba ny fan-

dravana tsena, ny fana-pahana ny fifanarahanamahakasika ny MBSsns... eto amin’ny kaomi-nina Antananarivo Reni-vohitra (CUA). Namalyireto mpanolotsaina nysekretera mpitondra te-nin’ny prefektoran’ ny po-lisy tamin’ny valiteny bori-bory, fa taratasy tsy nisyadiresy no napetraky nympanolotsaina TIM diatsy afaka namaly an-tara-tasy izy. Efa novaliany ta-min’ny fahitalavitra sy

onjampeo ary ny gazetyny valiteniny araka ny ha-fatra napetrany tamin’nysekreterany. Vokatr’izany,noraisin’ireto mpanolot-saina monisipaly ho fa-naovana tsinontsinonaazy ireo ny fihetsik’ity so-lontenam-panjakana etoamin’ny tanànan’Antana-narivo Renivohitra ity.Aleon’ny Préfet hoy izyireo nanao valandresakatamin’ny mpanao gazetytoy izay hiresaka mivan-tana aminay. Diso fanan-

tenana izahay hoy izy ireosatria tanàna iaraha-ma-nana Antananarivo, ka to-kony hifanerasera satriasamy tompon’andraikitraavokoa. Dia ho hita eo nyho tohiny, fa tantarambola hitohy ireo raha-raha ireo satria tsy hipe-tra-potsiny amin’izao ireompanolotsaina ny TanànaTiako i Madagasikara(TIM) araka ny namba-ran’izy ireo hatrany.

Helisoa

Préfet an’Antananarivo

Manao tsinontsinona ireo mpanolotsaina TIM

Tato ho ato dia novana ny hevitry ny fahamehana,Ka nanjary toa nidika ho karazam-panenjehana?`Reo mijoro manakiana dia asai-mikombom-bava,Izay no hevitra fonosin`ito atao hoe “arotava” ?

Tato ho ato dia novana ny hevitry ny fahamehana,Ka nanjary niova endrika ho karazam-pamotehana?Dia narodana daholo ireo izay tsara efa nijoro,Na nanaovana hevi-petsy, nanirahana mpandoro ?

Tato ho ato dia novana ny hevitry ny fahamehana,Ka natao izay tsy hisian`ny ankolafy hafa firehana ?Tena hevitr`olon-tokana, `zay no hany hahindrahindra,Fa dia hoe ny fidedahana, io no lehibe indrindra ?

Tato ho ato dia novana ny hevitry ny fahamehana,Fa toa tsy avotra ito sambo f`eo an-dalam-pilentehana ?Dia ny petatoko sisa no hany toka-nofinidy,Sy noheverinao mpitondra mba hatao fanalahidy ?

Maika anie no fototeniny sao tsy fantatrao akory e !Aoka ho maika ianao mpitondra f`aza dia matoritory.Izany maika izany anefa, tsy midika velivelyHoe hiteti-dravitoto toy ny ataon-dry boaikely !

TSIMIMALO (27-08-20)

Ny fahamehan`nyNy fahamehan`nympitondrampitondra

TONONKALO

Nataon’i Andry Rajoelina ho ren-tany ren-danitra, fa ho-mena solosaina avokoa ny fokontany rehetra ho fanat-sarana ny asany amin’ny fiandreketana ny mponina aoaminy. Efa am-bolana maromaro no nilazany tamin’nyfotoana nitsidihany ny fokontany teny Ivandry ao anatyboriborintany fahadimy. Mandraka ankehitriny anefatsy re intsony io resaka io, fa ny karnem-pokontany in-dray ity no imatimatesany resahana etsy sy eroa. Tsymisy intsony filazana ny amin’ny hanatsarana ny fitao-vana ampisain’ny sefo fokontany. Vao nahare iny re-saka iny aloha ny mpanara-baovao, dia efanahafantatra fa izay indray ilay fampanantenanapoak’aty ataon’ny filohan’ny Repoblika. Niandry ny fa-hamarinan’izay fomba fiheverana izay fotsiny ny maro,ary dia izao iaraha-mahita izao ny zava-misy. Rehefa mandeha amin’ny toerana iray ny filohan’nyRepoblika, dia tsy maintsy mahita holazaina hatranyhampanofinofisana ny vahoaka. Ny fanatanterahanaazy anefa tsy mbola fantany akory ny antsipiriany. Fafiry amin’ny biraom-pokontany eto amin’ny firenena nomanana rian’aratra azony ampiasaina andefasanaizany solosaina izany? Tsy ny sefo fokontany rehetraihany koa no afaka hikirakira azy. Santionany amin’nyzavatra mbola miandry ireo mialoha ny hametrahanaizany solosaina any amin’ny biraom-pokontany izany.Tsy lavina, tena ilaina amin’izao vaninandro ankehitrinyizao, indrindra toy ny any amin’ny biraom-pokontanyrehetra, ny solosaina. Ilàna fandinihana lalina anefa nyfanatanterahana amin’ny fametrahana azy, fa tsy teni-tenenina fotsiny, dia avy eo tsy tanteraka akory. Io diaefa fantatry ny rehetra fa Filoha mpandainga sy bela-zao fotsiny no misy eto Madagasikara.

Sôh’son