Ny Valosoa sy hadihady AnDry AjoelInA Fanarenam-pirenena ......solonCny « Lapa Masoandro » tsy...

1
I araha-mahalala fa voafintina ao amin’ny « velirano 13 » ilay boky IEM mirakitra ny fampandrosoana an’i Madagasikara, rehefa nandeha ny fampiele- zankevitra tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ny fa- ran’ny taona 2018. Iaraha-mahalala ihany koa ny vokatry ny fifidianana izay niteraka resabe na dia teo aza ny faneken-dRavalomanana Marc, mpifanandrina tamin-dRajoelina Andry Nirina, ny vokatra navoa- kan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) tamin’ny fihodinana faharoa. Ankoatry ny ho- soka maro samy hafa dia nambaran’ny filoha lefitry ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena momba ny Fi- fidianana ny marina momba ireo « doublons » tao anaty lisitra, izay efa niisa an-tapitrisa sy ny laharana mitovy karapanondrom-pirenena amana hetsiny. Ni- teraka savorovoro ara-politika sy nandaniana rano- mainty nanoratana izany an-gazety kanefa dia nahita fomba hafa nisarihana ny sain’ny gasy ny mpitondra ka nampanjelanjelatra ny tetikasa “Tànamasoandro” izay nifanehitra tamin’ny fandavan’ny mponina ankit- sirano izany, ka angamba, voavely mafy loatra dia ni- lentika ao anaty rano tsy nipoitra avy ao aloha hatramin’izao. Na izany aza dia niteraka savorovoro ihany koa ity fanapahan-kevitra maimaika neverina handamin-javatra kanjo ny nifanohitra tamin’izany no nitranga. Toa tonga eo alohan’ny mpitondra hatrany anefa ny baolin’ny fanavotana (bouée de sauvetage) tamin’ny nitondran’ny Barea avo ny voninahitry ny baolina kitra malagasy. Toa niray hina sy nampiseho fiaraha-mientana teo amin’ny gasy tokoa ny zava-bi- tan’ny ekipam-pirenena malagasy iny. Fahazavana mitsilopilopy ao anaty haizi-mikitroka anefa ireny sa- tria tonga indray ny fifidianana kaominaly izay toy ny fifidianana rehetra izay tsy ilaozan-gidragidra, teo ihany koa ny resaka fitakiana ireo nosy manodidina izay tsy nahafahan’ny mpitondra niala ilany, fa dia na- nambara tamin’ny RFI ny filohan’ny Repoblika, Ra- joelina Andry Nirina, fa famerenana azy ireo ho anisan’ny faritanin’i Madagasikara ary nanambara izy fa ho tanteraka nialohan’ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny namerenana ny fahaleovantena izany. Tsy fahadisoan’izan’iza izany fa nisompatra ny faniriana ny areti-mandoza « Covid-19 sady mbola hisy ny 26 jona amin’ny taona manaraka rehetra raha tsy mety ho vita alohan’ny 14 oktobra 2020 izay hankalazana amin’ny fomba manetriketrika ny fety tsy azo notan- terahina ny 26 jona lasa teo. Tsy miravina akory ny olana teo aloha dia nipoitra indray ny resaka fanare- nana ny Rovan’i Manjakamiadana izay tsy famere- nana amin’ny toetrany teo aloha no ataon’ny fitondrana, fa fanovana tanteraka tsy misy fanajàna ny maha vakoka iraisam-pirenena io Lapa io. An- koatr’izany dia nandalo fanakianana mafy, tsy avy eto an-toerana ihany fa hatrany ivelany amin’ny alàlan’ny Unesco ny fanorenana ilay « Kianja Masoandro » ho solon’ny « Lapa Masoandro » tsy tafatsangan’ny Mpanjaka vavy Ranavalona III. Nihevitra foana ny mpitondra amin’izao fotoana izao fa maranin-tsaina ka mahita fomba hanodinana ny saim-bahoaka, zara aza nisy ny aretina Covid-19 izay nahazoana fanam- piana vola tsy toko tsy forohana avy any ivelany, ka nampanantena ny vahoaka fanarenana ny fiainana ara-tsosialy izay nikoroso fahana noho ny hamehana sy ny fihibohana. Mety amin’izao fitondrana izao ny manangana rafitra mirazotra amin’izay efa mipetraka mba hanomezana « patsa idray mahandro » ho an’ny akama hanamafisan-toerana. Ny sefom-pokontany no enjehin’ny mponina sy ny filohan’ny Repoblika ho manao risoriso kanefa ny any ambony mihitsy no mandrimbina izay heverina fa anjara tokony ho azy. Mipirina fotsiny ireo olana rehetra ireo ary tsy mbola resy tanteraka ny aretina dia efa nandroso vahaolana aorian’ny hamehana ny mpitondra amin’ny alàlan’ilay « Plan Marshall » izay manome vahana ny fanore- nana fotodrafitrasa izay tsy hitondra fampandrosoana velively ara-toekarena satria inona ny tombontsoa ho azon’ny mponin’Antananarivo amin’ny fanorenena « Fly over » eny Anosizato sy Ampasika. Ny tranon’ny mponina eny amin’iny faritra iny aza no ho ravana raha ho atao tokoa izany tetikasa izany. Izao no tonga amin’ilay fitenenana hoe:« ny toky fitaka fa ny atao no hita ». Andry Tsiavalona 3 Lah 1061 Talata 1 septambra 2020 Politika Fanarenam-pirenena : mbola ho ela ny gasy vao ho tafarina Ny Valosoa sy hadihady www.gvalosoa.com AnDry rAjoelInA Mampanonofy sefo fokontany fotsiny Misy tokoa ny diplaoma azo tamin’ny mora nandri- try ny vanim-potoanan’ny sakoroka teto Madagasi- kara, tsy inona izany fa ireo fanadinana natao ta- min’ny taona 2009 an- dron’ny tetezamita, ka na dia taom-pianarana fohy sy sarotra aza dia nano- mezana tombontsoa ireo tsy ampy fahalalana ha- trany na dia efa ambany aza ny salan’ isa azo. Tiana ny milaza etoana fa ireo mpanala C.E.P.E tamin’ny taona 2009 oha- tra, dia efa taona faha-2 na efa hanomana ny li- cence mihitsy amin’izao vanimpotoana izao eny amin’ireo Oniversite sami- hafa, na miankina na tsy miankina amin’ny fanja- kana toy ny eny: Ankatso, Inscae, Uprim, Aceem sy ny sisa… Tsy vitsy tamin’ireo zan- dry, zanaka, tamin’izany fotoana izany no nanipy teny ankehitriny, nilaza hoe: diplaoma mora azo tamin’ny tsy antony ireny, efa kely ny tokin’aina nefa mba afaka ihany, ka faly nahazo io diplaoma sako- roka io. Ankehitriny indray dia mi- hàtra eto amintsika ity C.E.P.E hafa kely ity, ny ta- ranjam-panadinana dia atao arakaraky ny zavatra vita, volana nianarana, afaka manala koa anefa raha ankizy eto Iarivo oha- tra no taraiky any amin’ny faritra, ka mampiseho ilay taratasy fiantsoana. Sam- bany koa no hisy fanadi- nana intelo miantoana fa tsy miaraka atao izany ma- narena ny Nosy. Hita araka izany fa fa toa tsy misy lanjany intsony in- dray ity CEPE ity, ka amba- ran’ireo ankizy fa toa diplaoma mora ao anaty fi- hibohana indray izany. Marina hoy ireo ankizy, fa ao anaty hamehana ara- pahasalamana ny fire- nena amin’izao fotoana izao, nefa na dia fotoam- pivavahana atokana ho azy ireny aza ve, mba ho fangataham-pitahiana ireo rehatra hanala fana- dinana dia voarara amin’ izao fitondrana Rajoelina izao, nefa raha ny Eglizy sy Tempoly na fiangonana ohatra , dia azo inoana fa ho voahaja hatrany, aha- fahana mikajy ilay 50 isa sy ny sasa-tanana ary ny fanaovana ireo aro-tava miampy ilay 1 metatra izay tsy maintsy hajaina. . Beharo Fanabeazana Diplaoma mora ny diplaoman’ny sakoroka sy ny fihibohana Tonga teny amin'ny pre- fektioran'ny polisy teny Tsimbazaza omaly tola- kandro, ny mpanolotsaina monisipaly avy amin’ny antoko Tiako i Madagasi- kara (TIM ), hanontany ny valin'ny taratasy fangata- ham-panazavana nape- trak'izy ireo mahakasika ny fanaparam-pahefana ataon'ny ben'ny tanàna, Vazahabe: Naina Andria- tsitohaina amin’ny fana- pahan-kevitra raisiny sa- mirery momba ny fan- dravana tsena, ny fana- pahana ny fifanarahana mahakasika ny MBS sns... eto amin’ny kaomi- nina Antananarivo Reni- vohitra (CUA). Namaly ireto mpanolotsaina ny sekretera mpitondra te- nin’ny prefektoran’ ny po- lisy tamin’ny valiteny bori- bory, fa taratasy tsy nisy adiresy no napetraky ny mpanolotsaina TIM dia tsy afaka namaly an-tara- tasy izy. Efa novaliany ta- min’ny fahitalavitra sy onjampeo ary ny gazety ny valiteniny araka ny ha- fatra napetrany tamin’ny sekreterany. Vokatr’izany, noraisin’ireto mpanolot- saina monisipaly ho fa- naovana tsinontsinona azy ireo ny fihetsik’ity so- lontenam-panjakana eto amin’ny tanànan’Antana- narivo Renivohitra ity. Aleon’ny Préfet hoy izy ireo nanao valandresaka tamin’ny mpanao gazety toy izay hiresaka mivan- tana aminay. Diso fanan- tenana izahay hoy izy ireo satria tanàna iaraha-ma- nana Antananarivo, ka to- kony hifanerasera satria samy tompon’andraikitra avokoa. Dia ho hita eo ny ho tohiny, fa tantara mbola hitohy ireo raha- raha ireo satria tsy hipe- tra-potsiny amin’izao ireo mpanolotsaina ny Tanàna Tiako i Madagasikara (TIM) araka ny namba- ran’izy ireo hatrany. Helisoa Préfet an’Antananarivo Manao tsinontsinona ireo mpanolotsaina TIM Tato ho ato dia novana ny hevitry ny fahamehana, Ka nanjary toa nidika ho karazam-panenjehana? `Reo mijoro manakiana dia asai-mikombom-bava, Izay no hevitra fonosin`ito atao hoe “arotava” ? Tato ho ato dia novana ny hevitry ny fahamehana, Ka nanjary niova endrika ho karazam-pamotehana? Dia narodana daholo ireo izay tsara efa nijoro, Na nanaovana hevi-petsy, nanirahana mpandoro ? Tato ho ato dia novana ny hevitry ny fahamehana, Ka natao izay tsy hisian`ny ankolafy hafa firehana ? Tena hevitr`olon-tokana, `zay no hany hahindrahindra, Fa dia hoe ny fidedahana, io no lehibe indrindra ? Tato ho ato dia novana ny hevitry ny fahamehana, Fa toa tsy avotra ito sambo f`eo an-dalam-pilentehana ? Dia ny petatoko sisa no hany toka-nofinidy, Sy noheverinao mpitondra mba hatao fanalahidy ? Maika anie no fototeniny sao tsy fantatrao akory e ! Aoka ho maika ianao mpitondra f`aza dia matoritory. Izany maika izany anefa, tsy midika velively Hoe hiteti-dravitoto toy ny ataon-dry boaikely ! TSIMIMALO (27-08-20) Ny fahamehan`ny Ny fahamehan`ny mpitondra mpitondra TO NONKALO Nataon’i Andry Rajoelina ho ren-tany ren-danitra, fa ho- mena solosaina avokoa ny fokontany rehetra ho fanat- sarana ny asany amin’ny fiandreketana ny mponina ao aminy. Efa am-bolana maromaro no nilazany tamin’ny fotoana nitsidihany ny fokontany teny Ivandry ao anaty boriborintany fahadimy. Mandraka ankehitriny anefa tsy re intsony io resaka io, fa ny karnem-pokontany in- dray ity no imatimatesany resahana etsy sy eroa. Tsy misy intsony filazana ny amin’ny hanatsarana ny fitao- vana ampisain’ny sefo fokontany. Vao nahare iny re- saka iny aloha ny mpanara-baovao, dia efa nahafantatra fa izay indray ilay fampanantenana poak’aty ataon’ny filohan’ny Repoblika. Niandry ny fa- hamarinan’izay fomba fiheverana izay fotsiny ny maro, ary dia izao iaraha-mahita izao ny zava-misy. Rehefa mandeha amin’ny toerana iray ny filohan’ny Repoblika, dia tsy maintsy mahita holazaina hatrany hampanofinofisana ny vahoaka. Ny fanatanterahana azy anefa tsy mbola fantany akory ny antsipiriany. Fa firy amin’ny biraom-pokontany eto amin’ny firenena no manana rian’aratra azony ampiasaina andefasana izany solosaina izany? Tsy ny sefo fokontany rehetra ihany koa no afaka hikirakira azy. Santionany amin’ny zavatra mbola miandry ireo mialoha ny hametrahana izany solosaina any amin’ny biraom-pokontany izany. Tsy lavina, tena ilaina amin’izao vaninandro ankehitriny izao, indrindra toy ny any amin’ny biraom-pokontany rehetra, ny solosaina. Ilàna fandinihana lalina anefa ny fanatanterahana amin’ny fametrahana azy, fa tsy teni- tenenina fotsiny, dia avy eo tsy tanteraka akory. Io dia efa fantatry ny rehetra fa Filoha mpandainga sy bela- zao fotsiny no misy eto Madagasikara. Sôh’son

Transcript of Ny Valosoa sy hadihady AnDry AjoelInA Fanarenam-pirenena ......solonCny « Lapa Masoandro » tsy...

Page 1: Ny Valosoa sy hadihady AnDry AjoelInA Fanarenam-pirenena ......solonCny « Lapa Masoandro » tsy tafatsanganCny Mpanjaka vavy Ranavalona III. Nihevitra foana ny mpitondra aminCizao

Iaraha-mahalala fa voafintina ao amin’ny « velirano13 » ilay boky IEM mirakitra ny fampandrosoanaan’i Madagasikara, rehefa nandeha ny fampiele-

zankevitra tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ny fa-ran’ny taona 2018. Iaraha-mahalala ihany koa nyvokatry ny fifidianana izay niteraka resabe na dia teoaza ny faneken-dRavalomanana Marc, mpifanandrinatamin-dRajoelina Andry Nirina, ny vokatra navoa-kan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana(HCC) tamin’ny fihodinana faharoa. Ankoatry ny ho-soka maro samy hafa dia nambaran’ny filoha lefitryny Vaomieram-pirenena Mahaleotena momba ny Fi-fidianana ny marina momba ireo « doublons » taoanaty lisitra, izay efa niisa an-tapitrisa sy ny laharanamitovy karapanondrom-pirenena amana hetsiny. Ni-teraka savorovoro ara-politika sy nandaniana rano-mainty nanoratana izany an-gazety kanefa dia nahitafomba hafa nisarihana ny sain’ny gasy ny mpitondraka nampanjelanjelatra ny tetikasa “Tànamasoandro”izay nifanehitra tamin’ny fandavan’ny mponina ankit-sirano izany, ka angamba, voavely mafy loatra dia ni-lentika ao anaty rano tsy nipoitra avy ao alohahatramin’izao. Na izany aza dia niteraka savorovoroihany koa ity fanapahan-kevitra maimaika neverinahandamin-javatra kanjo ny nifanohitra tamin’izany nonitranga. Toa tonga eo alohan’ny mpitondra hatranyanefa ny baolin’ny fanavotana (bouée de sauvetage)tamin’ny nitondran’ny Barea avo ny voninahitry nybaolina kitra malagasy. Toa niray hina sy nampisehofiaraha-mientana teo amin’ny gasy tokoa ny zava-bi-tan’ny ekipam-pirenena malagasy iny. Fahazavanamitsilopilopy ao anaty haizi-mikitroka anefa ireny sa-tria tonga indray ny fifidianana kaominaly izay toy nyfifidianana rehetra izay tsy ilaozan-gidragidra, teoihany koa ny resaka fitakiana ireo nosy manodidinaizay tsy nahafahan’ny mpitondra niala ilany, fa dia na-nambara tamin’ny RFI ny filohan’ny Repoblika, Ra-joelina Andry Nirina, fa famerenana azy ireo hoanisan’ny faritanin’i Madagasikara ary nanambara izyfa ho tanteraka nialohan’ny fankalazana ny faha-60taonan’ny namerenana ny fahaleovantena izany. Tsyfahadisoan’izan’iza izany fa nisompatra ny faniriana

ny areti-mandoza « Covid-19 sady mbola hisy ny 26jona amin’ny taona manaraka rehetra raha tsy metyho vita alohan’ny 14 oktobra 2020 izay hankalazanaamin’ny fomba manetriketrika ny fety tsy azo notan-terahina ny 26 jona lasa teo. Tsy miravina akory nyolana teo aloha dia nipoitra indray ny resaka fanare-nana ny Rovan’i Manjakamiadana izay tsy famere-nana amin’ny toetrany teo aloha no ataon’nyfitondrana, fa fanovana tanteraka tsy misy fanajànany maha vakoka iraisam-pirenena io Lapa io. An-koatr’izany dia nandalo fanakianana mafy, tsy avy etoan-toerana ihany fa hatrany ivelany amin’ny alàlan’nyUnesco ny fanorenana ilay « Kianja Masoandro » hosolon’ny « Lapa Masoandro » tsy tafatsangan’nyMpanjaka vavy Ranavalona III. Nihevitra foana nympitondra amin’izao fotoana izao fa maranin-tsainaka mahita fomba hanodinana ny saim-bahoaka, zaraaza nisy ny aretina Covid-19 izay nahazoana fanam-piana vola tsy toko tsy forohana avy any ivelany, kanampanantena ny vahoaka fanarenana ny fiainanaara-tsosialy izay nikoroso fahana noho ny hamehanasy ny fihibohana. Mety amin’izao fitondrana izao nymanangana rafitra mirazotra amin’izay efa mipetrakamba hanomezana « patsa idray mahandro » ho an’nyakama hanamafisan-toerana. Ny sefom-pokontany noenjehin’ny mponina sy ny filohan’ny Repoblika homanao risoriso kanefa ny any ambony mihitsy nomandrimbina izay heverina fa anjara tokony ho azy.Mipirina fotsiny ireo olana rehetra ireo ary tsy mbolaresy tanteraka ny aretina dia efa nandroso vahaolanaaorian’ny hamehana ny mpitondra amin’ny alàlan’ilay« Plan Marshall » izay manome vahana ny fanore-nana fotodrafitrasa izay tsy hitondra fampandrosoanavelively ara-toekarena satria inona ny tombontsoa hoazon’ny mponin’Antananarivo amin’ny fanorenena «Fly over » eny Anosizato sy Ampasika. Ny tranon’nymponina eny amin’iny faritra iny aza no ho ravanaraha ho atao tokoa izany tetikasa izany. Izao no tongaamin’ilay fitenenana hoe:« ny toky fitaka fa ny atao nohita ».

Andry Tsiavalona

3Lah 1061 Talata 1 septambra 2020Politika

Fanarenam-pirenena : mbola ho ela ny gasy vao ho tafarina

Ny Valosoa sy hadihady

www.gvalosoa.com

AnDry rAjoelInA

Mampanonofy sefo

fokontany fotsiny

Misy tokoa ny diplaomaazo tamin’ny mora nandri-try ny vanim-potoanan’nysakoroka teto Madagasi-kara, tsy inona izany faireo fanadinana natao ta-min’ny taona 2009 an-dron’ny tetezamita, ka nadia taom-pianarana fohysy sarotra aza dia nano-mezana tombontsoa ireotsy ampy fahalalana ha-trany na dia efa ambanyaza ny salan’ isa azo.Tiana ny milaza etoanafa ireo mpanala C.E.P.Etamin’ny taona 2009 oha-tra, dia efa taona faha-2na efa hanomana ny li-cence mihitsy amin’izao

vanimpotoana izao enyamin’ireo Oniversite sami-hafa, na miankina na tsymiankina amin’ny fanja-kana toy ny eny: Ankatso,Inscae, Uprim, Aceem syny sisa… Tsy vitsy tamin’ireo zan-dry, zanaka, tamin’izanyfotoana izany no nanipyteny ankehitriny, nilazahoe: diplaoma mora azotamin’ny tsy antony ireny,efa kely ny tokin’aina nefamba afaka ihany, ka falynahazo io diplaoma sako-roka io.Ankehitriny indray dia mi-hàtra eto amintsika ityC.E.P.E hafa kely ity, ny ta-

ranjam-panadinana diaatao arakaraky ny zavatravita, volana nianarana,afaka manala koa anefaraha ankizy eto Iarivo oha-tra no taraiky any amin’nyfaritra, ka mampiseho ilaytaratasy fiantsoana. Sam-bany koa no hisy fanadi-nana intelo miantoana fatsy miaraka atao izany ma-narena ny Nosy.Hita araka izany fa fa toatsy misy lanjany intsony in-dray ity CEPE ity, ka amba-ran’ireo ankizy fa toadiplaoma mora ao anaty fi-hibohana indray izany.Marina hoy ireo ankizy, faao anaty hamehana ara-

pahasalamana ny fire-nena amin’izao fotoanaizao, nefa na dia fotoam-pivavahana atokana hoazy ireny aza ve, mba hofangataham-pitahianaireo rehatra hanala fana-dinana dia voarara amin’izao fitondrana Rajoelinaizao, nefa raha ny Eglizysy Tempoly na fiangonanaohatra , dia azo inoana faho voahaja hatrany, aha-fahana mikajy ilay 50 isasy ny sasa-tanana ary nyfanaovana ireo aro-tavamiampy ilay 1 metatraizay tsy maintsy hajaina. .

Beharo

Fanabeazana

Diplaoma mora ny diplaoman’ny sakoroka sy ny fihibohana

Tonga teny amin'ny pre-fektioran'ny polisy tenyTsimbazaza omaly tola-kandro, ny mpanolotsainamonisipaly avy amin’nyantoko Tiako i Madagasi-kara (TIM ), hanontany nyvalin'ny taratasy fangata-ham-panazavana nape-trak'izy ireo mahakasikany fanaparam-pahefanaataon'ny ben'ny tanàna,Vazahabe: Naina Andria-tsitohaina amin’ny fana-pahan-kevitra raisiny sa-mirery momba ny fan-

dravana tsena, ny fana-pahana ny fifanarahanamahakasika ny MBSsns... eto amin’ny kaomi-nina Antananarivo Reni-vohitra (CUA). Namalyireto mpanolotsaina nysekretera mpitondra te-nin’ny prefektoran’ ny po-lisy tamin’ny valiteny bori-bory, fa taratasy tsy nisyadiresy no napetraky nympanolotsaina TIM diatsy afaka namaly an-tara-tasy izy. Efa novaliany ta-min’ny fahitalavitra sy

onjampeo ary ny gazetyny valiteniny araka ny ha-fatra napetrany tamin’nysekreterany. Vokatr’izany,noraisin’ireto mpanolot-saina monisipaly ho fa-naovana tsinontsinonaazy ireo ny fihetsik’ity so-lontenam-panjakana etoamin’ny tanànan’Antana-narivo Renivohitra ity.Aleon’ny Préfet hoy izyireo nanao valandresakatamin’ny mpanao gazetytoy izay hiresaka mivan-tana aminay. Diso fanan-

tenana izahay hoy izy ireosatria tanàna iaraha-ma-nana Antananarivo, ka to-kony hifanerasera satriasamy tompon’andraikitraavokoa. Dia ho hita eo nyho tohiny, fa tantarambola hitohy ireo raha-raha ireo satria tsy hipe-tra-potsiny amin’izao ireompanolotsaina ny TanànaTiako i Madagasikara(TIM) araka ny namba-ran’izy ireo hatrany.

Helisoa

Préfet an’Antananarivo

Manao tsinontsinona ireo mpanolotsaina TIM

Tato ho ato dia novana ny hevitry ny fahamehana,Ka nanjary toa nidika ho karazam-panenjehana?`Reo mijoro manakiana dia asai-mikombom-bava,Izay no hevitra fonosin`ito atao hoe “arotava” ?

Tato ho ato dia novana ny hevitry ny fahamehana,Ka nanjary niova endrika ho karazam-pamotehana?Dia narodana daholo ireo izay tsara efa nijoro,Na nanaovana hevi-petsy, nanirahana mpandoro ?

Tato ho ato dia novana ny hevitry ny fahamehana,Ka natao izay tsy hisian`ny ankolafy hafa firehana ?Tena hevitr`olon-tokana, `zay no hany hahindrahindra,Fa dia hoe ny fidedahana, io no lehibe indrindra ?

Tato ho ato dia novana ny hevitry ny fahamehana,Fa toa tsy avotra ito sambo f`eo an-dalam-pilentehana ?Dia ny petatoko sisa no hany toka-nofinidy,Sy noheverinao mpitondra mba hatao fanalahidy ?

Maika anie no fototeniny sao tsy fantatrao akory e !Aoka ho maika ianao mpitondra f`aza dia matoritory.Izany maika izany anefa, tsy midika velivelyHoe hiteti-dravitoto toy ny ataon-dry boaikely !

TSIMIMALO (27-08-20)

Ny fahamehan`nyNy fahamehan`nympitondrampitondra

TONONKALO

Nataon’i Andry Rajoelina ho ren-tany ren-danitra, fa ho-mena solosaina avokoa ny fokontany rehetra ho fanat-sarana ny asany amin’ny fiandreketana ny mponina aoaminy. Efa am-bolana maromaro no nilazany tamin’nyfotoana nitsidihany ny fokontany teny Ivandry ao anatyboriborintany fahadimy. Mandraka ankehitriny anefatsy re intsony io resaka io, fa ny karnem-pokontany in-dray ity no imatimatesany resahana etsy sy eroa. Tsymisy intsony filazana ny amin’ny hanatsarana ny fitao-vana ampisain’ny sefo fokontany. Vao nahare iny re-saka iny aloha ny mpanara-baovao, dia efanahafantatra fa izay indray ilay fampanantenanapoak’aty ataon’ny filohan’ny Repoblika. Niandry ny fa-hamarinan’izay fomba fiheverana izay fotsiny ny maro,ary dia izao iaraha-mahita izao ny zava-misy. Rehefa mandeha amin’ny toerana iray ny filohan’nyRepoblika, dia tsy maintsy mahita holazaina hatranyhampanofinofisana ny vahoaka. Ny fanatanterahanaazy anefa tsy mbola fantany akory ny antsipiriany. Fafiry amin’ny biraom-pokontany eto amin’ny firenena nomanana rian’aratra azony ampiasaina andefasanaizany solosaina izany? Tsy ny sefo fokontany rehetraihany koa no afaka hikirakira azy. Santionany amin’nyzavatra mbola miandry ireo mialoha ny hametrahanaizany solosaina any amin’ny biraom-pokontany izany.Tsy lavina, tena ilaina amin’izao vaninandro ankehitrinyizao, indrindra toy ny any amin’ny biraom-pokontanyrehetra, ny solosaina. Ilàna fandinihana lalina anefa nyfanatanterahana amin’ny fametrahana azy, fa tsy teni-tenenina fotsiny, dia avy eo tsy tanteraka akory. Io diaefa fantatry ny rehetra fa Filoha mpandainga sy bela-zao fotsiny no misy eto Madagasikara.

Sôh’son