SEFADA - Victoire Rasoamanarivo · 2019-01-04 · Ny fiainan’i Kristy manontolo no...

13
0 SEFADA PROGRAMA ANDRANA KATESIZY AD EXPERIMANTUM BATEMY DINGANA VOALOHANY TELOVOLANA III Novokarinny Ekipa Teknika Taona 2014 Aoka hanantona ny FOIBE Aomonie raha misy fanamarihana

Transcript of SEFADA - Victoire Rasoamanarivo · 2019-01-04 · Ny fiainan’i Kristy manontolo no...

Page 1: SEFADA - Victoire Rasoamanarivo · 2019-01-04 · Ny fiainan’i Kristy manontolo no ankalazain’ny Fiangonana mandritra ny taona: ny nahatongavany ho Nofo, ny nahaterahany, ny nanolorana

0

SEFADA

PROGRAMA ANDRANA KATESIZY

AD EXPERIMANTUM

BATEMY DINGANA VOALOHANY

TELOVOLANA III

Novokarin’ny Ekipa Teknika Taona 2014

Aoka hanantona ny FOIBE Aomonie raha misy fanamarihana

Page 2: SEFADA - Victoire Rasoamanarivo · 2019-01-04 · Ny fiainan’i Kristy manontolo no ankalazain’ny Fiangonana mandritra ny taona: ny nahatongavany ho Nofo, ny nahaterahany, ny nanolorana

1

Page 3: SEFADA - Victoire Rasoamanarivo · 2019-01-04 · Ny fiainan’i Kristy manontolo no ankalazain’ny Fiangonana mandritra ny taona: ny nahatongavany ho Nofo, ny nahaterahany, ny nanolorana

2

TANJONA

1) Ny zanak’Andriamanitra mahay manaja ny tenany sy ny namany ary ny tontolo manodidina azy.

2) Ny zanak’Andriamanitra mahafantatra ny inoany dia ny Ray , Zanaka sy Fanahy Masina.

3) Ny zanak’Andriamanitra mahafantatra ny Eglizy Katôlika 4) Ny zanak’Andriamanitra mahay mivavaka: vavaky ny Fiagonana, vavaka toram-

po. 5) Ny zanak’Andriamanitra mazoto mivavaka 6) Amin’ny faran’ny taom-pianarana dia hiova ny fihetsiky ny

Zanak’Andriamanitra na any an-tranony, na any am-pianarana, na miaraka amin’ny namany. Ny tanjona lehibe indrindra dia ho tia vavaka, ho tia an’Andriamanitra sy ny namany, ho hendry ary ho tia sy manaiky ny Eglizy.

Ny drafitry ny KATESEZY: Telovolana voalohany

1) Andriamanitra Mpahary 2) Ny Finoana 3) Ny Eglizy 4) Ny fandraisana eo Ambaravarana sy ny famantarana ny Hazofijaliana ary

ny fanolorana ny Evanjely. 5) Ny vanim-potoan’ny Noely

Telovolana faharoa

6) Ny Epifania 7) Ny Soratra Masina 8) Ny nanolorana ny Tompo tao Antempoly 9) Ny fivavahana 10) Ny vanim-potoanan’ny Paka

Telovolana fahatelo

11) Ny Litorzia 12) Ny fanajana an’i Masina Maria amin’ny fivavahana 13) Ny fiakaran’ny Tompo any Andanitra (Ascenssion) 14) Ny nidinan’ny Fanahy Masina tamin’ny Apôstôly (Pantekôty)

Page 4: SEFADA - Victoire Rasoamanarivo · 2019-01-04 · Ny fiainan’i Kristy manontolo no ankalazain’ny Fiangonana mandritra ny taona: ny nahatongavany ho Nofo, ny nahaterahany, ny nanolorana

3

KATESEZY XI

NNYY LLIITTOORRZZIIAA

Foto-kevitra 1 : Ny Litorzia amin’ny ankapobeny

Tanjona : zanak’Andriamanitra miombona amin’ny soron’i Kristy

Vavaka : Vory eto izahay (Vavaka sy hira 725)

Tari-dresaka : Efezianina 1, 3-6.

Fampianaran’ny Fiangonana :

- “Tsanganasam-bahoaka”, “asa fanompoan’ny vahoaka / ho tombon-tsoam-

bahoaka” no dikan’ny teny hoe “litorzia” tany am-piandohana. Amin’ny lovam-

pampianarana kristianina kosa, dia ny fandraisan’ny Vahoakan’Andriamanitra

anjara amin’ny “tsanganasan’Andriamanitra”, no tiana hampahafantarina amin’io

teny io. Amin’ny alalan’ny litorzia, i Kristy Mpamonjintsika sy Mpisorombe no

manohy ao amin’ny Fiangonany, miaraka aminy sy amin’ny alalany, ny

tsanganasam-panavotana antsika. KFK 1069

- Ny teny hoe “litorzia” ao amin’ny Testamenta Vaovao dia ampiasaina tsy hoe

hanondroana fotsiny ny fankalazana amin’ny fanompoam-pivavahana

amin’Andriamanitra, fa koa ny fitoriana ny Evanjely sy ny fifankatiavana

arahin’asa. Ny fototr’ireo toe-draharaha rehetra ireo, dia ny fanompoana

an’Andriamanitra sy ny olombelona. Amin’ny fankalazana litorzika, ny

Fiangonana dia mpanompo, amin’ny endriky ny Tompony, ilay “Mpilitorzia” tsy

manam-paharoa, amin’ny fandraisany anjara ny maha-mpisorona Azy (asam-

panompoana an’Andriamanitra), maha-mpaminany Azy (asam-pitoriana), ary

maha-mpanjaka Azy (asam-pitiavana ny hafa). KFK 1070.

- Noho ireo mpino nakamban’ny Batemy amin’ny Fiangonana, dia mahazo marika

ara-tsakramenta izy ireo. Izay manokana azy ireo ho amin’ny fanompoam-

pivavahana kristianina. Ny fitomboky ny Batemy no mahatonga ny kristianina ho

afaka sy hirotsaka hanompo an’Andriamanitra amin’ny fandraisana anjara

maharitra amin’ny litorzia masin’ny Fiangonana, sy hampiasa ny maha mpisorona

azy ireo avy amin’ny Batemy, amin’ny fanehoam-piainana masina sy

fifankatiavana mahomby. KFK 1273.

Famintinana sy tsianjery: KFK famintinana: 177. 178. 179. 189. 190. 191. 192. 193. 197. 202.

- Inona no atao ao amin’ny fanompoam-pivavahan’ny Fiangonana?

Ao amin’ny fanompoam-pivavahan’ny Fiangonana dia Andriamanitra Ray

loharano ipoiran’ny soa rehetra no isaorana sy tsaohina: nahary antsika Izy,

namonjy antsika, nanangana antsika ho zanany.

- Inona no ataon’i Kristy ao amin’ny fanompoam-pivavahan’ny Fiangonana?

I Kristy enim-boninahitra dia eo amintsika mandrakariva, manatanteraka ny asam-

pamonjena, indrindra amin’ny fanompoam-pivavahan’ny Fiangonana eto an-tany

izay efa santatry ny fanompoam-pivavahana any an-danitra.

- Inona no ataon’ny Fanahy Masina ao amin’ny fanompoam-pivavahan’ny

Fiangonana?

Ao amin’ny fanompoam-pivavahan’ny Fiangonana ny Fanahy Masina dia:

manomana ny mpiangona hihaona amin’i Kristy; mampahatsiaro sy manambara

Page 5: SEFADA - Victoire Rasoamanarivo · 2019-01-04 · Ny fiainan’i Kristy manontolo no ankalazain’ny Fiangonana mandritra ny taona: ny nahatongavany ho Nofo, ny nahaterahany, ny nanolorana

4

amin’ny mpiangona ny finoana an’i Kristy; manatanteraka ho antsika ankehitriny

ny asam-pamonjen’i Kristy; mampamokatra fiombonana ao amin’ny Fiangonana.

- Inona no atao hoe fanompoam-pivavahana?

Ny atao hoe fanompoam-pivavahana dia asan’ny Fiangonana manontolo, na ny ety

an-tany na ny any an-danitra, miray amin’i Kristy Loha sy Mpisorombe.

- Manambara inona ireny famantarana ampiasain’ny Fiangonana amin’ny fotoam-

pivavahana, toy ny rano, ny jiro, ny menaka ... ireny?

Manambara ary mitondra famonjena sy fanamasinana avy amin’i Kristy ireny

famantarana ampiasain’ny Fiangonana amin’ny fanompoam-pivavahana ireny.

- Inona no anjara toeran’ny fankalazana ny Tenin’Andriamanitra ao amin’ny

fanompoam-pivavahana?

Ny fankalazana ny Tenin’Andriamanitra no manazava ny hevitr’ilay fanompoam-

pivavaha ary manentana hampiatra izany eo amin’ny fiainana.

Hoenti-miaina: zanak’Andriamanitra miombona amin’ny fanompom-pivavahana tanterahan’ny

Fiangonana: misaotra, mifona, manome voninahitra, fihainoana ny tenin’Andriamanitra, sorona,

fitsaohana ary ny fiombonana, fanirahana.

Ezaka: fanajana ny fotoana ankalazana ny Sorona Masina, fihainoana ny tenin’Andriamanitra,

fandraisana anjara amin’ny litorjia (vavaka, hira, fihetsika), tolotra (vola madio, heri-po fa tsy

ambinjavatra), fandraisana ny vatan’i Kristy ampahamendrehana, mandray ny vavaom-

piangonana, fandraisana ny tso-drano.

Vavaka famaranana: Andeha hiseho anoloan’Andriamanitra (Vavaka sy hira: 524)

Foto-kevitra 2 : Ny taona Litorzika

Tanjona : zanak’Andriamanitra mankalaza ny misterin’ny Trinite Masina

Vavaka : Andriamanitra o! Vao maraina aho no maniry Anao (Vavaka sy hira: 293)

Tari-dresaka : Lioka 4, 16-19

Fampianaran’ny Fiangonana :

- Manomboka amin’ny hateloan’andron’ny Paka, araka ny maha loharanom-

pahazavany azy, ny andro vaovao ny fitsanganan-ko velona no mameno ny taona

litorzika manontolo amin’ny famirapiratany. Tsikelikely, avy amin’ny andaniny sy

ny ankilan’io loharano io, no nanovàn’ny litorzia endrika ny taona. Tena “taom-

pahasoavan’ny Tompo” tokoa izany. Miasa ao amin’ny fe-potoana ny fitatanam-

pamonjena, kanefa hatramin’ny fahatanterahany tamin’ny Pakan’i Jesoa sy ny

firotsahan’ny Fanahy Masina, ny fahataperan’ny tantara dia niroso mialohan’ny

fotoana, “nosantarina mialoha”, ary miditra ao amin’ny fotoanantsika ny

Fanjakan’Andriamanitra. KFK 1168.

- Ny taona litorzika no famelarana ny endrika maro samihafa ny mistery tokan’ny

Paka. Torak’izany indrindra koa ny momba ireo fety manodidina ny misterin’ny

fahatongavana ho nofo (Filazana, Noely, Epifania) izay ankalazana ny

fahatsiarovana ny fiandohan’ny famonjena antsika sy ampitana amintsika ny

santatra ny misterin’ny Paka. KFK 1171.

- “Asehon’ny Fiangonana mandritra ny fihodin’ny taona ny misterin’i Kristy

manontolo, manomboka amin’ny fahatongavany ho nofo sy ny fahaterahany ka

hatramin’ny fiakarany any an-danitra sy ny Pantekôty sy ny fiandrasana ny

Page 6: SEFADA - Victoire Rasoamanarivo · 2019-01-04 · Ny fiainan’i Kristy manontolo no ankalazain’ny Fiangonana mandritra ny taona: ny nahatongavany ho Nofo, ny nahaterahany, ny nanolorana

5

hasambarana nampanantenaina ary ny Fahatongavan’ny Tompo amim-boninahitra

amin’ny farandro.” KFK 1194.

Famintinana sy tsianjery KFK famintinana: 195. 196

- Inona no ankalazain’ny Fiangonana mandritra ny taona?

Ny fiainan’i Kristy manontolo no ankalazain’ny Fiangonana mandritra ny taona:

ny nahatongavany ho Nofo, ny nahaterahany, ny nanolorana Azy tao an-Tempoly,

ny nanaovana Batemy Azy, ny nijaliany sy ny nahafatesany ary ny nitsanganany

ho velona, ny niakarany any an-danitra sy ny nanirahany ny Fanahy Masina, ary

ny hiaviany amim-boninahitra indray.

- I Kristy ihany ve no ankalazain’ny Fiangonana mandritra ny taona?

Rehefa mankalaza ny fiainan’i Kristy ny Fiangonana amin’ny fanompom-

pivavahana dia manome toerana koa ny ratsambatany: i Masina Maria, ny

Apôstôly, ny Martiry, ny Olomasina hafa rehetra.

Hoenti-miaina: Manaja sy miaina ny taona litorzika: Fiavina, Noely, Karemy, Paka, Alahady

tsotra

Ezaka: Mankalaza ampahamendrehana ny andro rehetra indrindra ny andro voadidy

hohamasinina.

Vavaka famaranana: Andeha ankafaliana hanatrika an’Andriamanitra aho e!

Foto-kevitra 3 : Ny vanim-potoana Litorzika

Tanjona : zanak’Andriamanitra mahalala fa i Kristy no ivon’ny fankalazana rehetra

Vavaka : I Kristy no naharian’Andriamanitra an’izao rehetra izao (Vavaka sy hira: 383)

Tari-dresaka : Efezianina 1, 3-6

Fampianaran’ny Fiangonana :

- Ny Vahoakan’Andriamanitra, nanomboka tamin’ny lalàn’i Moizy, dia nahalala

ireo fety raikitra nanomboka tamin’ny Paka, mba ahatsiarovana ny asa mahagaga

nataon’Andriamanitra Mpamonjy, hisaorana azy amin’izany, hampaharitra ny

fahatsiarovana sy hampianarana ny taranaka vaovao mba hampifanarahan’izy ireo

ny fitondran-tenany amin’izany, amin’ny vanim-potoanan’ny Fiangonana, eo

anelanelan’ny Pakan’i Kristy, izay efa tanteraka indray mandeha ihany, sy ny

fahataperany ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, ny litorzia ankalazaina amin’ny

andro raikitra dia manamarika manontolo ny zava-baovaon’ny misterin’i Kristy.

KFK 1164.

- Ny loko ara-litorzia:

Ny loko “Fotsy” dia manambara fahamarinana, fahazavana, fahadiovana

mangarangarana, hafaliana, fandresena, fitsanganan-ko velona, fiainam-

panahy, hery sy hatsaram-panahy. Ny loko “fotsy” no ampiasana amin’ny

fotoam-pivavahana sy ny Sorona amin’ny vanin’andro fankalazana ny

Paka sy ny nahaterahan’ny Tompo, amin’ny fankalazana ny fahatsiarovana

ny Tompo, afa-tsy ny fijaliany; amin’ny fankalazana sy ny fahatsiarovana

an’i Masina Maria Virjiny, ny Anjely, ny Olomasina tsy Martiry; amin’ny

fankalazana ny Olomasina rehetra (1 Nôvambra). Ampiasaina ihany koa

Page 7: SEFADA - Victoire Rasoamanarivo · 2019-01-04 · Ny fiainan’i Kristy manontolo no ankalazain’ny Fiangonana mandritra ny taona: ny nahatongavany ho Nofo, ny nahaterahany, ny nanolorana

6

ny loko fotsy amin’ny fankalazana ny Sakramentan’ny Batemy sy ny

Fanambadiana ary ny fotoam-pivavahana lehibe.

Ny loko “Maintso”, lokon’ny zavamaniry; lokon’ny fahavokarana; loko

mamelombelon’aina sy maneho fahalehibeazana ara-toetra (maturité),

taratra amin’ny fiainana andavanandro; loko maneho fanantenana eo

ampiandrasana ny fiainana mandrakizay any an-danitra, noho izy loko

ifangaroan’ny “mavo”, izay lokom-bolamena (metaly sarobidy tokoa) ka

manambara fahamboniana amam-piandrianana (majesté) sy ny “manga”

lokon’ny lanitra, madio mangarangarana (pureté) ka manambara

an’Andriamanitra. Ny ampiasana an’ity loko ity dia amin’ny fotoam-

pivavahana sy ny Sorona, amin’ny vanin’andro tsotra mandavan-taona

Ny loko “Mena”, lokon’ny ra sy ny afo miredareda (Ekl 48, 1-3); loko

maneho ny ra nalatsak’i Kristy tamin’ny fanavotana an’izao tontolo izao

(Heb 9, 12); loko maneho ny Fanahy Masina, noho ny firotsahany

tamin’ireo Apôstôly sy i Masina Maria, ny andro Pantekôty, niseho

tamin’ny lela mitarehin’afo (Asa 2, 1-4); loko maneho ny

fitiavan’Andriamanitra; loko maneho ny martiry noho ireo ra nalatsany

tamin’ny tsy fivadihany tamin’Andriamanitra sy ny finoana Azy; loko

maneho fahamendreham-piandrianana (noblesse). Ny ampiasana ity loko

ity dia: ny Alahady ankalazana ny Fijaliana sy ny Zoma Masina, ny

Alahady Pantekôty, ny andro rehetra ankalazana ny fijalian’ny Tompo, ny

fankalazana ny nanombohan’ny Apôstôly sy ny Evanjelista fiainam-

baovao any an-danitra, ary ny fankalazana ny Olomasina Martiry.

Ny loko “Volomparasy”, loko ifangaroan’ny “mena” izay maneho risim-po

(courage) sy ny “manga” izay maneho ny lanitra madio mangarangarana

(pureté) manambara an’Andriamanitra, ka maneho fiononana, fibebahana.

Loko ifangaroan’ny “mena” izay maneho risi-po (courage) sy ny “mainty”

izay maneho ny fahoriana amam-pijaliana, ny alahelo, ny fisaonana, ny

ratsy, ka maneho fivalozana, fanenenana; izany hoe: mahatsiaro ory,

mijaly, malahelo amin’ny ratsy natao, ka mampiasa risi-po hiala

amin’izany. Loko maneho koa ny fitiavana ny marina (mena) sy ny

fahamarinan’ny fitiavana (manga). Ny ampiasana ity loko ity dia: amin’ny

vaninandro fankalazana ny Fiavian’ny Tompo sy ny Karemy, azo

ampiasana koa amin’ny fotoam-pivavahana sy ny Sorona ho an’ny nody

mandry ary amin’ny Sakramentan’ny Fampihavanana.

Ny loko “Manga”, loko maneho ny Fanahy Masina, tsy amin’ny maha-

Mpanazava Azy (afo), fa amin’ny maha-Mpanadio Azy (rivotra), lokon’ny

lanitra madio mangarangarana. Ny Fiangonana tatsinana no tena mampiasa

ny loko manga. Ny Fiangonana Katôlika Rômanina ihany koa dia efa

mampiasa ity loko ity amin’ny fankalazana sasantsasany an’i Masina

Maria (Immaculé Conception; Assomption).

Page 8: SEFADA - Victoire Rasoamanarivo · 2019-01-04 · Ny fiainan’i Kristy manontolo no ankalazain’ny Fiangonana mandritra ny taona: ny nahatongavany ho Nofo, ny nahaterahany, ny nanolorana

7

Ny loko “Mavo na Vony”, lokon’ny masoandro ankapobeny; lokom-

bolamena, izay maneho ny “Fitiavan’Andriamanitra sy ny Fahendreny,

noho izy loko ifangaroan’ny “mena” (Fitiavana) sy ny “fotsy”

(Fahendrena, fahadiovana, fahazavana, fahamarinana).

Famintinana sy tsianjery

Hoenti-miaina: miaina ny aim-panahy mifanaraka amin’ny vanim-potoana litorzika.

Ezaka: Mahay manatanteraka ary manaiky ho entanin’ny Fanahy Masina hiaina ny vanim-

potoanan’ny Fiangonana.

Vavaka famaranana: Kristy velona, Kristy Zanaka no arahintsika (Vavaka sy hira: 695)

Page 9: SEFADA - Victoire Rasoamanarivo · 2019-01-04 · Ny fiainan’i Kristy manontolo no ankalazain’ny Fiangonana mandritra ny taona: ny nahatongavany ho Nofo, ny nahaterahany, ny nanolorana

8

KATESEZY XII

NNYY FFAANNAAJJAANNAA AANN’’II MMAASSIINNAA MMAARRIIAA AAMMIINN’’NNYY FFIIVVAAVVAAHHAANNAA

Foto-kevitra : Volana Mey volan’i Masina Maria

Tanjona : zanak’Andriamanitra manaiky fa Reny virjiny i Masina Maria sy Reniny.

Vavaka : Masina Maria ô, Renin’Andriamanitra. (Vavaka sy hira: 795)

Tari-dresaka : Lk 1, 46-55

Fampianaran’ny Fiangonana :

- “Nirahin’Andriamanitra ny Zanany” (Gal 4, 4), nefa mba hamboarana vatana ho

Azy, dia nila fiaraha-miasa amin-kalalahana tamin’ny zavaboary iray Izy. Noho

izany, hatramin’ny mandrakizay, Andriamanitra nifidy, ho Renin’ny Zanany,

zanaka vavin’i Israely, tovovavy jody avy tao Nazareta any Galilea, “virjiny

anankiray fofombadin’ny lehilahy atao hoe Josefa, avy amin’ny taranak’i Davida,

ary ny anaran’ilay virjiny dia Maria” (Lk 1, 27). KFK 488.

- (...) I Maria no “nitana toerana voalohany tamin’ireo manetry tena sy ireo

mahatran’ny Tompo izay nanantena sy nandray ny famonjena avy Aminy tamim-

pitokiana. Miaraka aminy, dia izy ilay zanakavavin’i Siôna ambony indrindra, no

nahataperan’ny fetr’andro sy niorenan’ny fitantanam-pamonjena vaovao,

taorian’ny fiandrasana ela ny fampanantenana. KFK 489

- I Maria, mba ho Renin’ny Mpamonjy, dia “nofenoin’Andriamanitra fanomezana

mifanaraka amin’izany asa lehiebe tokoa izany”. Ny Anjely Gabriely tamin’ny

fotoanan’ny Filazana, dia niarahaba azy ho ilay “feno hasoavana”. Satria, mba

ahafahana manome fankatoavana ankalalahana amin’ny finoany, tamin’ny

filazana ny fiantsoana azy, dia tsy maintsy nanaiky tanteraka ho tarihin’ny

fahasoavan’Andriamanitra izy. KFK 490.

- I Maria, tamin’ny filazana fa izy no hiteraka “ny Zanak’i ny Avo indrindra” tsy

amin’ny fahalalana lahy fa noho ny herin’ny Fanahy Masina , dia namaly

tamin’ny “fanekem-pinoana” (Rôm 1, 5) hoe: “Inty aho mpanompovavin’ny

Tompo; aoka anie ho tanteraka amiko araka ny teninao” (Lk 1, 37-38), satria tsy

nisalasala izy fa “tsy misy ny tsy hain’Andriamanitra atao”. Noho izany

fankatoavany ny tenin’Andriamanitra izany, dia nanjary Renin’i Jesoa i Maria, ary

noho izy nanaraka tamin’ny fony manontolo, tsy voakasi-pahotana, ny

sitrapon’Andriamanitra momba ny famonjena, dia nanolotra ny tenany manontolo

tamin’ny Zanany sy ny tsanganasany, ka hanompo Azy sy hiankina Aminy ary

hiaraka Aminy, noho ny fahasoavan’Andriamanitra, mba hanatanteraka ny

misterin’ny Famonjena. KFK 494.

- Nanomboka hatramin’ny fandrafetana an-tsoratra voalohany ny teny finoana ny

Fiangonana dia niaiky fa i Jesoa dia noforonina tamin’ny herin’ny Fanahy Masina

irery ihany, tao an-kibon’i Maria Virjiny, amin’ny fanamafisana ny endrika ara-

batana tamin’io fisehoan-javatra io: i Jesoa dia noforonin’ny “Fanahy Masina tsy

nisy tsirinain-dehilahy”. Ny Aban’ny Fiangonana dia mahita famantarana ny

amin’ny maha-virjiny mitoe-jaza, fa ilay Zanak’Andriamanitra tokoa no tonga

olombelona tahaka antsika. KFK 496.

Page 10: SEFADA - Victoire Rasoamanarivo · 2019-01-04 · Ny fiainan’i Kristy manontolo no ankalazain’ny Fiangonana mandritra ny taona: ny nahatongavany ho Nofo, ny nahaterahany, ny nanolorana

9

Famintinana sy tsianjery KFK Famintinana: 76. 77.78.79.80.81.82.

- Izany no nofidin’Andriamanitra ho Renin’ny Zanany?

I Maria Virjiny, taranak’i Eva, no nofidin’Andriamanitra ho Renin’ny Zanany.

- Nahoana i Masina Maria no nataon’Andriamanitra “feno hasoavana”?

Nataon’Andrimanitra “feno hasoavana” i Masina Maria satria lavorary ao aminy

ny soa vokatry ny Fanavotana. Noho izany, voaro tsy voakasiky ny fahotana

tamin’ny fototra izy sady nadio nandritra ny fiainany.

- Tena “Renin’Andriamanitra” ve i Masina Maria?

Tena “Renin’Andriamanitra” i Masina Maria satria i Jesoa Kristy Zanany dia

Andriamanitra marina tokoa.

- Ahoana no maha-Virjiny mandrakizay an’i Masina Maria?

Virjiny mandrakizay i Masina Maria satria Virjiny izy teo am-pananana ny

Zanany. Virjiny izy teo ampitondrana Azy, Virjiny izy teo am-piterahana Azy sy

taorian’izay.

- Ahoana no fiheveran’i Masina Maria ny tenany?

Mpanompovavin’ny Tompo no fiheveran’i Masina Maria ny tenany.

- Niara-niasa tamin’ny famonjen’Andriamanitra ny olombelona ve i Maria Virjiny?

Niara-niasa tamin’ny famonjen’Andriamanitra ny olombelona i Maria Virjiny

tamin’ny nanaovany ENY setrin’ilay TSIA nataon’i Eva tamin’Andriamanitra.

Hoenti-miaina: manaja an’i Masina Maria noho Izy Renin’Andriamanitra

Ezaka: mazoto miara-mivavaka amin’i Masina Maria, sy miantso azy hivavaka ho antsika.

Vavaka famaranana: Arahaba ry Maria. Izaho anie ry Reny te ho zanakao (Vavaka sy hira: 585)

KATESEZY XIII

NNYY FFIIAAKKAARRAANN’’NNYY TTOOMMPPOO AANNYY AANNDDAANNIITTRRAA (( AAsscceennssssiioonn))

Foto-kevitra : Jesoa Kristy santatry ny fidiran’ny olombelona any amin’ny

fonenan’Andriamanitra Ray.

Tanjona : zanak’Andriamanitra mino fa ny Lanitra no hofonenany rahatrizay.

Vavaka : Mbola ho avy ny Tompo (Vavaka sy hira: 659 and 2)

Tari-dresaka : Asan’ny Apôstôly 1, 9-11

Fampianaran’ny Fiangonana :

1- Ny antony niakarany

- Mifamatotra lalina amin’ilay voalohany ity dingana farany ity, izany hoe

tamin’ilay fidianana avy any an-danitra tanteraka tamin’ny Fahatongavana ho

nofo. Ilay izay “avy ao amin’ny Ray” irery no afaka “miverina mankany amin’ny

Ray”, dia i Kristy izany. “Tsy nisy niakatra tany an-danitra afa-tsy ny Zanak’olona

izay nidina avy tany an-danitra” (Joany 3, 13). Ny olombelona raha amin’ny

herin’ny tenany fotsiny, dia tsy ho tafiditra ao an-Tranon’ny Ray, sy tsy hahazo ny

fiainana mbamin’ny hasambaran’Andriamanitra. I Kristy irery ihany no afaka

Page 11: SEFADA - Victoire Rasoamanarivo · 2019-01-04 · Ny fiainan’i Kristy manontolo no ankalazain’ny Fiangonana mandritra ny taona: ny nahatongavany ho Nofo, ny nahaterahany, ny nanolorana

10

mamoha izany fidirana izany ho an’ny olombelona, “mba hampatoky antsika,

rantsambatany, fa hanaraka Azy Lohantsika sy Fiandohantsika any amin’izay efa

niakarany hialoha lalana antsika isika”. KFK 661.

- “Ary Izaho rahefa tafasandratra hiala amin’ny tany, dia hitarika ny olombelona

rehetra hanantona Ahy” (Joany 12, 32). Ny fanandratana teo amin’ny

Hazofijaliana dia midika sy milaza ny fanandratana amin’ny Fiakarana any an-

danitra, izay izany no fanombohany. I Jesoa-Kristy, Mpisorona tokan’ny

Fanekem-pihavanana vaovao sady mandrakizay, dia tsy “niditra tao amin’ny

fitoerana masina nataon-tanan’olombelona (...), fa any an-danitra, mba hiseho

ankehitriny eo anatrehan’Andriamanitra ho antsika” (Heb 9, 24). Any an-danitra i

Kristy no mampiasa maharitra tsy tapaka ny maha-Mpisorona Azy, “noho Izy

velona mandrakizay mba hanao fifonana ho an’ireo izay manantona

an’Andriamanitra amin’ny Alalany” (Heb 7, 25). Araka ny maha “Mpisorombe ny

amin’ny soa ho avy” Azy (Heb 9, 11), dia Izy no foibe sy mpanao voalohany ny

litorzia izay anomezan-kaja ny Ray any an-danitra. KFK 662.

2- Jesoa nandray ny fiandrianany eo ankavanan’Andriamanitra.

- I Kristy, nanomboka hatreo, dia mipetraka eo ankavanan’ny Ray: “Ny hoe an-

kavanan’ny Ray dia ny voninahitra sy ny haja maha-Andriamanitra, ka ilay

Zank’Andriamanitra nisy talohan’ny taonjato rehetra amin’ny maha

Andriamanitra sady iray fombam-pisia-maha-izy amin’ny Ray Azy, dia ny vatan-

tenany mihintsy no mipetraka eo, taorian’ny nahatongavany ho nofo sy ny

nanomezam-boninahitra ny nofony” KFK 663.

Famintinana sy tsianjery KFK Famintinana 116, 117, 118.

- Milaza inona ny fiakaran’i Kristy any an-danitra?

Ny fiakaran’i Kristy any an-danitra dia milaza fa tafiditra amin’ny

voninahitr’Andriamanitra Ray hatramin’ny maha Olombelona Azy Izy.

- Inona no ataon’i Kristy tafakatra any an-danitra sy mipetraka eo

ankavanan’Andriamanitra Ray?

Mialoha antsika ratsambatany any an-danitra Izy ary mamelona ny

fanantenantsika hihaona Aminy indray andro any; manelanelana antsika

amin’Andriamanitra Ray Izy, sy mivavaka lalandava ho antsika; manohy ny asany

ao amin’ny Fiangonana Izy, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina nirahiny.

- Efa manjaka ve i Kristy Tompo?

Eny efa manjaka amin’ny alalan’ny Fiangonana i Kristy Tompo na dia mbola tsy

eo ambany fahefany avokoa aza izao tontolo izao.

Hoenti-miaina: zanak’Andriamanitra mino ny fiainana mandrakizay.

Ezaka: Mino fa fandalovana ihany ny fahafatesana, lalana hidirana any amin’ny fiainana

mandrakizay.

Vavaka famaranana: Ankavanan’Andriamanitra (Vavaka sy hira: 706)

Page 12: SEFADA - Victoire Rasoamanarivo · 2019-01-04 · Ny fiainan’i Kristy manontolo no ankalazain’ny Fiangonana mandritra ny taona: ny nahatongavany ho Nofo, ny nahaterahany, ny nanolorana

11

KATESEZY XIV

NNYY NNIIDDIINNAANN’’NNYY FFAANNAAHHYY MMAASSIINNAA TTAAMMIINN’’NNYY AAPPOOSSTTOOLLYY ((PPaanntteekkôôttyy))

Foto-kevitra : Ny fisehoan’ny Fiangonana ampahibemaso

Tanjona : zanak’Andriamanitra mino fa ny Fanahy Masina no miasa ao amin’ny Fiangonana.

Vavaka : Fanahy Masina midina / - Miantso Anao zahay ry Tompo (Vavaka sy hira: 708; 492)

Tari-dresaka : Asa 2, 1-36

Fampianaran’ny Fiangonana :

- (...)“Tonga hanipy afo ety ambonin’ny tany Aho, ka akory ity faniriako mba

hirehetan’izany sahady!” (Lk 12, 49). Endrika lela “nolazaina hoe mitarehin’afo”

no nisehoan’ny Fanahy Masina izay nipetraka teo ambonin’ny mpianatra tamin’ny

marainan’ny Pantekoty ary nameno azy rehetra. Ny lovantsofina ara-panahy dia

hitàna io fanehoana an’ohatra momba ny afo io ho iray amin’ireo mampiseho

mazava indrindra ny asan’ny Fanahy Masina; “Aza mamono ny Fanahy”. KFK 696.

- Ny andro Pantekoty (faran’ny herinandro fito ny Paka) no tanteraka ny Pakan’i

Kristy, tamin’ny fandrotsahana ny Fanahy Masina izay naseho, nomena,

nampitaina amin’ny maha-Olona-Adriamanitra: avy amin’ny Hafenoany, i Kristy,

Tompo, no mandrotsaka be dia be ny Fanahy. KFK 731.

- Tamin’io andro io no nambara manontolo ny Trinite Masina. Hatramin’io andro

io, ny Fanjakana nolazain’i Kristy dia misokatra ho an’ireo izay mino Azy:

amin’ny fanetretenan’ny nofo sy amin’ny finoana no efa andraisan’izy ireo anjara

sahady amin’ny fiombonana amin’ny Trinite Masina. Amin’ny fahatongavany, ary

tsy mitsahatra izany, no ampidiran’ny Fanahy Masina an’izao tontolo izao ao

amin’ny “fotoana farany”, ny fotoanan’ny Fiangonana, ilay Fanjakana efa

nolovàna, nefa mbola tsy tomombana. KFK 732,

- “Vantany vao tontosa ny tsangan’asa izay nankinin’ny Ray tamin’ny Zanany

hotanterahana eto an-tany, ny andro Pantekôty, dia nirahina ny Fanahy Masina

mba hanamasina maharitra tsy tapaka ny Fiangonana”. Tamin’izany no

“nisehoan’ny Fiangonana ampahibemaso teo anatrehan’ny vahoaka be dia be sy

nanombohan’ny fampielezana ny Evanjely niaraka tamin’ny fitorian-teny”. Noho

izy “fiantsoana” ny olombelona rehetra ho amin’ny famonjena, dia misiônera

irahin’i Kristy ho any amin’ny firenena rehetra ny Fiangonana, amin’ny fomba

aman-toetra maha izy azy, mba hahatonga ny olona rehetra ho mpianatra. FKK 767.

- Ary izany hafenoan’ny Fanahy izany dia tsy tokony hijanona fotsiny ho an’ny

Mesia irery ihany, fa tokony ampitaina amin’ny vahoakan’ny Mesia manontolo.

Imbetsaka i Kristy no nampanantena an’io firotsahan’ny Fanahy io,

fampananteanana izay notanterahany tamin’ny andron’ny Paka aloha, ary tato

aoriana, tamin’ny fomba manetriketrika ny andro’ny Pantekôty. Feno ny Fanahy

Masina ny Apôstôly ka nanomboka nitory “ny zava-mahagaga

ataon’Andriamanitra” (Asa 2, 11), ary i Piera koa nanambara fa io firotsahan’ny

Fanahy io no famantarana ny fotoanan’ny Mesia. Tamin’izany, ireo izay nino

tamin’ny toritenin’ny apôstôly sy natao batemy, dia nandray koa ny fanomezana

ny Fanahy Masina. KFK 1287.

Page 13: SEFADA - Victoire Rasoamanarivo · 2019-01-04 · Ny fiainan’i Kristy manontolo no ankalazain’ny Fiangonana mandritra ny taona: ny nahatongavany ho Nofo, ny nahaterahany, ny nanolorana

12

Famintinana sy tsianjery KFK Famintinana: 122, 123, 124. Zanak’Andriamanitra isika: 118, 119

- Iza ny Fanahy Masina?

Ny Fanahy Masina dia Olona fahatelo amin’ny Trinite Masina, Fanahy fitiavan’ny

Ray sy ny Zanaka, tsaohina sy omem-boninahitra miaraka amin’ny Ray sy ny

Zanaka, araka ny fampianaran’i Jesoa sy ny Fiangonana.

- Inona no fampianaran’i Jesoa momba ny Fanahy Masina?

Nampanantena ny Fanahy Masina avy amin’ny Ray i Jesoa, dia: Fanahin’ny

Fahamarinana, mampahatsiaro, mampianatra, mandalina ny fampianaran’i Jesoa;

Fanahy mpanafaka alahelo sy Mpisolovava; Fanahy Mpankahery ijoroana ho

vavolombelona.

- Inona no asan’ny Fanahy Masina ao amin’ny fiainan’ny Fiangonana?

Mitsilo ny mpanoratra ny boky ao amin’ny Baiboly; miaro ny Fiangonana tsy ho

diso amin’ny fandraisana ny Soratra Masina, ny Lovam-panahy ary ny

Fampianarana; miasa ao amin’ny sakramenta sy ny fanompoam-pivavahan’ny

Fiangonana; mizarazara ny fanomezam-pahasoavana; mampijoro ho

vavolombelona.

Hoenti-miaina: matoky ny herin’ny Fanahy Masina

Ezaka: Hiantso matetika ny Fanahy Masina aho, hanazava ny saiko, hankahery ahy, hanamasina

ahy.

Vavaka famaranana: Ho vavolombeloko manko – Mandehana ianareo amin’izao tontolo izao

(Vavaka sy hira: 506 )

Tahirin-kevitra

1. Baiboly

2. Katesizin’ny Fiangonana Katôlika

3. Satan’ny Diosezin’Antananarivo

4. Zanak’Andriamanitra isika

5. Katekômena

6. Amboara mitojo

7. Fihirana Vavaka sy Hira