Lesona 1 ho an'ny 5 Janoary, 2019 Taratasy ny Apokalypsy. Rehefa maharay taratasy ny fiangonana...

11
Lesona 1 ho an'ny 5 Janoary, 2019

Transcript of Lesona 1 ho an'ny 5 Janoary, 2019 Taratasy ny Apokalypsy. Rehefa maharay taratasy ny fiangonana...

Page 1: Lesona 1 ho an'ny 5 Janoary, 2019 Taratasy ny Apokalypsy. Rehefa maharay taratasy ny fiangonana tamin'izany fotoana izany, dia misy olona iray mamaky izany eo anatrehan'ny mpivory

Lesona 1 ho an'ny 5 Janoary, 2019

Page 2: Lesona 1 ho an'ny 5 Janoary, 2019 Taratasy ny Apokalypsy. Rehefa maharay taratasy ny fiangonana tamin'izany fotoana izany, dia misy olona iray mamaky izany eo anatrehan'ny mpivory

Fampidirana. Apokalypsy 1:1-8.Fitantarana ara-paminaniana ny tantaran'ny Fiangonana, amin'ny fampiasana ireofiangonana nisy tamin'ny andron'i Jaona. Apokalypsy 1:9 to 3:22.Fitantarana amin'ny an-tsipiriany ny tantaran'ny Fiangonana. Apokalypsy 4:1 - 11:19.Ilay Ady Lehibe ifanandrinan'ny tsara sy ny ratsy nanomboka tamin'ireo fotoanatalohan'ny fiavian'i Jesosy voalohany hatramin'ny fiaviany fanindroany. Apokalypsy12:1 - 19:21. Ireo toe-javatra mialoha indrinda ny Fiaviany fanindroany. Apokalypsy 20:1 to 22:5.Fehiny. Apokalypsy 22:6-21.

Ny bokin'ny Apokalypsy dia fitambaran'ireofahitana nomena an'i Jaona nandritra ny fotoananifatorany tany amin'ny nosy Patmô, akaikin'iTorkia any amin'ny ranomasina Egée.

Tsy maintsy fantantsika ny firafitry ny Apokalypsymba ahafahantsika mahazo tsara ny faminanianaraketiny.

Torkia

Patmô

Grisia

Mifototra amin'ireto firafitra manaraka ireto ny fandinihantsika ny Apokalypsy:

1

2

3

4

5

6

Page 3: Lesona 1 ho an'ny 5 Janoary, 2019 Taratasy ny Apokalypsy. Rehefa maharay taratasy ny fiangonana tamin'izany fotoana izany, dia misy olona iray mamaky izany eo anatrehan'ny mpivory

Tamin'ny fiafaran'ny taonjato voalohany, no nanoratan'i Jaona izay nambara taminy. Izy no apostoly velona farany indrindra.

Ny antony, ny mpanoratra ary ny lohahevitryny boky dia voalaza ao amin'ny fampidirana.

▪ Ny ApokalypsyApokalypsy 1:1-3

Iza: Jesosy Kristy. 1:1a

Nahoana: Hanambara ny hoavy. 1:1b

Amin’ny fomba ahoana: Amin'ny fampiasana saryan'ohatra. 1:1d

Tombony: Ho sambatra. 1:3

▪ Fiarahabana avy amin'nympanoratra:Andriamanitra. Apokalypsy 1:4-6

▪ Ny lohahevitra:Ny Fiavian'i Kristy fanindroany. Apokalypsy 1:7-8

Page 4: Lesona 1 ho an'ny 5 Janoary, 2019 Taratasy ny Apokalypsy. Rehefa maharay taratasy ny fiangonana tamin'izany fotoana izany, dia misy olona iray mamaky izany eo anatrehan'ny mpivory

“NY FANAMBARAN'I JESOSY KRISTY”(Apokalypsy 1:1a)

Ny lohatenin'ny boky—Apokalypsy—dianadika avy tamin'ny teny Grika voalohany: apokalupsis (izay midika ho “asehomazava”, “mahita”, “manala ny rakotra”)

Ao amin'ny Apokalypsy, dia manambarany tenany sy manala ny rakotra mbahahitana mazava ny ho avy Jesosy Kristy.

Jesosy no mpandray anjara fototra aoamin'ny boky. Fitohizan'ny Filazantsara nyApokalypsy, satria mandrakotra ny fotoanananomboka teo amin'ny niakaran'i Jesosytany an-danitra izany.

Ireo tandindona ao amin'ny FitoeranaMasina dia ampiasaina mba hanazavana nyasa fanelanelanana ataon'i Jesosy ho antsika ao amin'ny Fitoerana Masina any an-danitra.

Page 5: Lesona 1 ho an'ny 5 Janoary, 2019 Taratasy ny Apokalypsy. Rehefa maharay taratasy ny fiangonana tamin'izany fotoana izany, dia misy olona iray mamaky izany eo anatrehan'ny mpivory

“IZAY ZAVATRA TSY MAINTSY HO TONGA FAINGANA”Apokalypsy 1:1bInona no asehon'Andriamanitra ao amin'ny Apokalypsy?

Ireo toe-javatra nanomboka tamin'ny andron'i Jaona kahatrany amin'ny Tany Vaovao.

Nahoana?

Mba ho azontsika fa Andriamanitra no mifehy ny toe-javatra rehetra eto amin'ity izao tontolo izao ity.

Mba hananantsika antoka fa hiaraka amintsikamandrakariva Izy, na dia mandritra ny fotoan-tsarotra aza.

Mba hiomana amin'ny Fiaviany isika.

Mba hankato Azy isika satria miankina Aminy tanteraka.

Mba hino isika. “Ary ankehitriny efa nilaza taminareo Aho, dieny tsy mbola tonga izany, mba hinoanareo, rehefa tonga.”

(Jaona 14:29)

Page 6: Lesona 1 ho an'ny 5 Janoary, 2019 Taratasy ny Apokalypsy. Rehefa maharay taratasy ny fiangonana tamin'izany fotoana izany, dia misy olona iray mamaky izany eo anatrehan'ny mpivory

TANDINDONA, TANDINDONA, TANDINDONA

Ny teny grika izay nadika hoe “hanambara”—sēmainō—dia midika hoe “manazava amin'nyfampiasana sary an'ohatra.” Inona no raketin'izany?

Rehefa mandinika Baiboly isika, dia tokony hijeryny hevitra ara-bakiteny ny teny, raha tsy ohatraanga ka misy heviny ara-tandindona izany. Aoamin'ny Apokalypsy, dia tsy maintsy mijery nyhevitra ara-tandindona aloha isika, raha tsy ohatraka mazava tsara ny heviny ara-bakiteny.

Ireo vavolombelona roa (Apok. 11)

Ireo hazo oliva roa (Zak. 4) Ireo tandindona ao amin'ny Apokalypsy dia

maneho toe-javatra tena nisy teo amin'nytantara na toe-javatra mbola hisy.

Betsaka amin'izy ireny no sary an'ohatra aoamin'ny Testamenta Taloha, koa tsy maintsymandinika ny Testamenta Taloha isika mbahahatakarantsika tsara ny hevitr'izy ireny.

Page 7: Lesona 1 ho an'ny 5 Janoary, 2019 Taratasy ny Apokalypsy. Rehefa maharay taratasy ny fiangonana tamin'izany fotoana izany, dia misy olona iray mamaky izany eo anatrehan'ny mpivory

“Nisy zava-dehibe naseho azy

[Jaona] tamin'ny endriky ny sary

sy ny tandindona, ka ireny zava-

baventy naseho azy ireny no

nosoratany, mba hahazoan'ny

vahoakan'Andriamanitra

tamin'izany andro izany sy amin'ny

ho avy hahita amin'ny fomba

mibaribary ny loza sy ny ady tsy

maintsy hatrehiny.”

E.G.W. (Vavolombelone Mahery, tk. 57, p. 582)

Page 8: Lesona 1 ho an'ny 5 Janoary, 2019 Taratasy ny Apokalypsy. Rehefa maharay taratasy ny fiangonana tamin'izany fotoana izany, dia misy olona iray mamaky izany eo anatrehan'ny mpivory

SAMBATRA

Taratasy ny Apokalypsy. Rehefa maharay taratasy nyfiangonana tamin'izany fotoana izany, dia misy olonairay mamaky izany eo anatrehan'ny mpivory rehetra. Mihaino am-pahalianana fatratra ny rehetra.

Ny voalohany amin'ireo fitahiana fito ao amin'nyApokalypsy dia mandrakotra endrika telo amin'nyfiainana Kristiana:

Page 9: Lesona 1 ho an'ny 5 Janoary, 2019 Taratasy ny Apokalypsy. Rehefa maharay taratasy ny fiangonana tamin'izany fotoana izany, dia misy olona iray mamaky izany eo anatrehan'ny mpivory

FIARAHABANA AVY AMIN'NY MPANORATRA“Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadananaavy amin'ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy; aryavy amin'ny Fanahy fito izay eo anoloan'ny seza

fiandrianany, ary avy amin'i Jesosy Kristy, Vavolombelona marina.” (Apokalypsy 1:4-5)

Mizara ny faniriany fahasoavana sy fiadanana avy amin'ilay tena mpanoratra ny taratasy iJaona, toa an'i Paoly sy Petera amin'ny fiarahabana ataony (Rom. 1:7; Efes. 1:2, 1Pet. 1:2):

“Izaho, izay Izy hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay” (Eksodosy 3:14)

“Ny Fanahy fito” (Isaia 11:2-3; Zakaria 1:11)

“Jesosy Kristy”Mpaminany (“vavolombelona marina”)Mpisorona (“ny Lahimatoa amin'ny maty” izay“manasa antsika ho afaka amin'ny fahotantsika”)Mpanjaka (“Lehibe amin'ny mpanjaka amin'nytany”) Faranan'i Jaona amin'ny

fampahatsiahivana ny asa ataon'iJesosy ny fiarahabany. Tia antsikaIzy, nanavotra antsika Izy, arymanao antsika ho mpanjaka sympisorona miaraka Aminy.

Page 10: Lesona 1 ho an'ny 5 Janoary, 2019 Taratasy ny Apokalypsy. Rehefa maharay taratasy ny fiangonana tamin'izany fotoana izany, dia misy olona iray mamaky izany eo anatrehan'ny mpivory

NY LOHAHEVITRA

Ho avy eny amin'ny rahona Jesosy (Matio 24:30). Hahita Azy isika, dia ireo izay hatsangana amin'nymaty sy ireo izay mbola velona amin'ny Fiaviany(Daniela 12:2). Ireo izay nandefo Azy dia hisaonaAzy sady halahelo (Zakaria 12:10)

Ho avy indray Jesosy, ara-batana, amin'nyvoninahitra sy fiandrianana. Izany no toe-javatraizay hizorantsika izao.

Voaresaka mandrakariva ao amin'nyApokalypsy ny Fiavian'i Jesosy Fanindroany. Hitondra fahafahana ho an'ireo izay niandryAzy Izy, ary fitsarana kosa ho an'ireo izaynankahala Azy.

Hamafisin'i Jaona ny maha-azo antoka nyFiaviany Fanindroany amin'ny fampiasanafiteny roa: “Marina” [nai (gr.), amén (heb.)].

Page 11: Lesona 1 ho an'ny 5 Janoary, 2019 Taratasy ny Apokalypsy. Rehefa maharay taratasy ny fiangonana tamin'izany fotoana izany, dia misy olona iray mamaky izany eo anatrehan'ny mpivory

“Rehefa manana fahalalana tsara ny bokin'ny Daniela sy

Apokalypsy ny mpino, dia hanana fanandramana ara-

pivavahana hafa tanteraka. Homena topi-maso ny

vavahadin'ny lanitra misokatra izy ireo, ka ho voamarika

ny fo sy ny saina amin'ny toetra izay tsy maintsy

kolokoloina mba hahatanteraka ny fahasambarana izay

valisoa ho an'ny madio am-po.

Hitahy ireo rehetra izay mikatsaka am-panetre-tena sy

amin'ny fahamoram-panahy hahatakatra ny fanambarana

ao amin'ny Apokalypsy ny Tompo. Mirakitra betsaka

tokoa ny amin'ny tsi-fahafatesana sy voninahitra lehibe io

boky io ka izay rehetra mamaky sy mitady azy marina

tokoa dia handray ny fitahiana ho an'ireo izay ‘mihaino ny

tenin'ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra

ato anatiny.’”

E.G.W. (Testimonies to Ministers and Gospel Workers, tk. 11, p. 114)