Modèle de Rapport - Madagascar · refy mahazatra amin’ny fitrandrahana), dia afaka tratrarina...
Transcript of Modèle de Rapport - Madagascar · refy mahazatra amin’ny fitrandrahana), dia afaka tratrarina...
Madagascar Fotodrafitrasa famokarana herinara-driandrano–
Sahofika
Fitsirihana ny mety ho fiantraikan’ ny Tetikasa amin’ny tontolo iainana sy ny
ara-tsosialy Famintinana
Résumé
Date: 14.07.2019
Version EIES résumée: D
Madagascar – Fotodrafitrasa famokarana herinara-driandrano– Sahofika Fitsirihana ny mety ho fiantraikan’ ny Tetikasa amin’ny tontolo iainana sy ny ara-tsosialy– Famintinana - version D
NEHO page 2 | 40
TRAÇABILITE
Version Date Commentée par/le Statut
A 21.04.2019 Revue interne
B 28.04.2019 SPV 1ère version partagée avec
l'ONE et les bailleurs
C 03.07.2019 Toutes parties prenantes
Version révisée après consultations publiques,
soumise à l'ONE et partagée avec les bailleurs
D 14.07.2019 ONE Chapitre 9 et 10
restructurés
FANALAVANA TENY
BAfD Banque Africaine de Développement
BCC Bief court-circuité
DREEF Direction Régionale de l’Environnement, de l’Écologie et des Forêts
EIES Etude d'Impact Environnementale et Sociale
GCF Gestion Contractualisée des Forêts
GES Gaz à Effet de Serre
INSTAT Institut National de la STATistique
MEEF Ministère de l’Environnement, de l’Écologie et des Forêts
MGA Ariary (monnaie de Madagascar - 1 Euro équivaut à 4000 MGA)
MNP Madagascar National Parks
NAP Nouvelle Aire Protégée
PNM Parc National de Marolambo
UICN Union internationale pour la conservation de la nature
ZICO Zone d'Importance pour la Conservation des Oiseaux
Madagascar – Fotodrafitrasa famokarana herinara-driandrano– Sahofika Fitsirihana ny mety ho fiantraikan’ ny Tetikasa amin’ny tontolo iainana sy ny ara-tsosialy– Famintinana - version D
NEHO page 3 | 40
LOHATENY
1 FAMPIDIRANA ...........................................................................................................................4
2 FAMARITANA AKAPOBENY NY TETIKASA ...........................................................................4
3 FAMAKAFAKANA IREO VAHAOLANA SAMIHAFA ................................................................8
4 FAMARITANA ARAKY NY LALANA SY NY DIDY AMAM-PITSIPIKA ................................. 11
5 NY TOETOETRA NY TOERANA EO AM-PIHATOMBOHANA : EO AMIN’NY LAFINY FISIKA SY JEOGRAPFIKA ....................................................................................................................... 11
6 TOETRY NY TOERANA ANY AMBOALOHANY: FAMARITANA ARA-TSOSIALY ............. 13
7 TOETRY NY TOERANA ALOAN’NY TETIKASA : IREO FARITRA AROVANA SY FANTADAZA MANERAN-TANY ............................................................................................................... 21
8 TOETRY NY TOERANA ALOHAN’NY TETIKASA: NY ZAVA-MIAINA ................................ 22
9 NY FOMBA FIASAN’NY ROHIVOAHARY .............................................................................. 25
10 FANOMBANANA SY NY FANALEFAHANA NY METY HO FIANTRAIKA AMIN’NY ZAVABOARY ............................................................................................................................................. 25
11 TOMBANA SY FANALEFAHANA IREO FIANTRAIKANY ARA-TSOSIALY ........................ 30
12 FITSIRIHANA SY FAMPIENANA NY FIANTRAIKANY EO AMIN’NY TONTOLO IAINANA 33
13 FANOMBANANA SY FANALEFAHANA NY FIANTRAIKANY IZAY MITANGONGO .......... 38
14 DRAFITRA HO AMIN’NY FAMPANDROSOANA NY MPONINA ........................................... 38
15 DRAFITRA FITANTANANA NY TONTOLO IAINANA SY ARA-TSOSIALY (E&S) ............... 39
16 FANARAHAMASO ARA-TONTOLO IAINANA SY ARA-TSOSIALY .................................... 39
17 TATITRA MAHAKASIKA NY VOKATRY NY FANKAN-KEVITRA ........................................ 40
Madagascar – Fotodrafitrasa famokarana herinara-driandrano– Sahofika Fitsirihana ny mety ho fiantraikan’ ny Tetikasa amin’ny tontolo iainana sy ny ara-tsosialy– Famintinana - version D
NEHO page 4 | 40
1 Fampidirana
Ny 17 Jona 2016, Ny Ministera ny Angovo, ny Rano ary ny Akoranafo dia nanambara fa ny
« consortium Eiffage, Eranove, Themis ary HIER » no voasafidy hitantana ny tetikasa
fanorenana fotodrafitrasa famokarana herinara-driandrano ao Sahofika (« Tetikasa »).
Ny famolavolana, ny famatsiam-bola, ny fanorenana, ny fitrandrahana ary ny fikojakojana
ny Tetikasa no andraikitry ny « Consortium », ka izany dia raketina ao anatin’ ny
fandraiketam-barotra na « contrat de concession », izay ifanaovana amina orinasa
fehezin’ny lalàna malagasy izay atsoina hoe «Nouvelle Energie Hydroélectrique de
l'Onive » na NEHO
Ity tahirinkevitra ity dia famintinana ny fanadihadiana natao mahakasika ny fiantraikan’ ny
Tetikasa amin’ny tontolo iainana sy ny ara-tsosialy araky ny farafetra manaraka ny fehezan-
dalàna nasionaly sy ny politika mahakasika ny tontolo iainana ary ny sosialy eo anivon ny
«Société Financière Internationale » (SFI) sy ny « Banky Afrikana ho an’ny
Fampandrosoana « Banque Africaine de Développement » (BAD).
2 Famaritana akapobeny ny Tetikasa
2.1 Toerana misy ny Tetikasa sy ny làlana
Ny Tetikasa dia any amin’ny 100 km
refi-mahitsy atsimo-atsimo-
atsinanana miala an’ Antananarivo.
Ny toerana misy ny Tetikasa dia
miala ny renivohitra Antananarivo ka
manaraka ny lalam-pirenena faha-7
(RN7) hatrany Antanifotsy. Ary avy
eo dia mitodika mankany
Antsinanana, atsimo antsinanana
mirefy eo amin’ny 60km eo (refi-
mahitsy). Lalambakivaky sy lalakely
(handehanan-tongotra) no
andalovana alohan’ny
hahatongavana ao amin’ny faritra
misy ny Tetikasa .
Ny tambazotram-pitsinjarana ny herinaratra vokarin ny Tetikasa dia mandalo eo
Antanifotsy, ary miafara ao Antananarivo.
2.2 Tanjon’ny Tetikasa
Ny Tetikasa dia miorina eo amin'ny renirano Onive ary ny tanjaka ho entiny dia 192MW ka
ny 130 MW amin’izany dia azo antoka hatramin’ny 99% fa ho voavokatra. Ny fanomezana
angovo fampiasa azo havaozina sy mora ho an’ny tsenan’ny tambazotra « Réseau
Interconnecté Antsirabe-Antananarivo » no tanjon'ny Tetikasa. 1570 GWh isan-taona ny
vokatra vinavinaina ho azo amin’izany.
Aménagement hydroélectrique
de Sahofika
Madagascar – Fotodrafitrasa famokarana herinara-driandrano– Sahofika Fitsirihana ny mety ho fiantraikan’ ny Tetikasa amin’ny tontolo iainana sy ny ara-tsosialy– Famintinana - version D
NEHO page 5 | 40
2.3 Lamin’ny Tetikasa
Ny mpamolavola sy ny tompon ny Tetikasa dia ny orinasa NEHO.
NEHO dia hiara-hiasa miaraka amina orinasa mpanao asa vaventy sy « bureau d’études »
amin’ny famakafakana lalina sy ny fanorenana ny Tetikasa. Izany dia hanana endrika fiara-
miasa EPC (Engineering + Procurement + Construction).
NEHO no hitrandraka mivantana ny fotodrafitrasa. Ny tambazotran’ny JIRAMA no hisitraka
ny herinaratra izay ho vokarina avy amin’ izany. Ka izy ihany no hisahana ny fitsinjarana
izany.
2.4 Ireo singa mandrafitra ny Tetikasa
Ny Tetikasa dia ahitana tohadrano lehibe iray miaavo 60m izay miorina eo amin’ny renirano
Onive, ary hanome tahirindrano mirefy 140hm3 (8.9km²), hitsoka ambany tany (« tunnel
d'amenée » – mirefy 4.2 km) miampy « conduite forcée » (mirefy 2 km) izay mitohy 6.5km
mankany amin’ny ozinina famokarana herinaratra (13 km raha manaraka ny renirano
Onive). 1328 m ny hahavontany misy ny faritry ny tahirindrano, raha toa ka 610 m ny an’ny
ozinina famokarana herinara-driandrano: izany hoe any amin’ny 700m any izany ny
haavon’ny riandrano.
Ny Tetikasa dia hanorona ihany koa fotodrafitrasa ho an’ny tambazotram-pitsinjarana
herinaratra, sy ireo fotodrafitrasa rehetra izay ilaina amin’ny fanorenana sy fitrandrahana
izany toy ny làlana, tambazotram-pitsinjarana, toby fipetrahana vonjimaika sy trano
fipetrahana maharitra, toerana fangalana ranotany sy toerana fanatsahan-tany, sns ...
Mizara roa ary voasokajy 225KV avy ny fotodrafitrasa hahafahana mamoaka ny
herinaratra. Izany dia ezahana hanaraka ny làlana fifamezivezena ho an’ny Tetikasa ary
ezahana mba hampihena ny fandalovana amin’ireo toerana saropady (toy ny faritra be
mponina, ny faritra misy harena voajanahary, …). Ny fotodrafitrasa mitondra ny herinaratra,
eo anelanelan’ny ozinina sy ny tohadrano dia hoezahana hanaraka ny làlana fidirana sy
fivoahana ao amin’ny Tetikasa. Fa mbola tsy voafaritra mazava tsara kosa ny toerana tena
3 km
Usine hydroélectrique
Réservoir
Piste d accès
Conduite forcéeTunnel
d amenéeBarrage
Onive
Madagascar – Fotodrafitrasa famokarana herinara-driandrano– Sahofika Fitsirihana ny mety ho fiantraikan’ ny Tetikasa amin’ny tontolo iainana sy ny ara-tsosialy– Famintinana - version D
NEHO page 6 | 40
izy hipetrahan’ny tambazotram-pitsinjarana herinaratra miala eo amin’ny tohadrano
mankany Antananarivo, noho izany dia nofaritana sy notsirihina ny “Corridor” na faritra
mirefy 2km ny sakany, ka ao anatin’izany no hametrahana ny fotodrafitrasa.
2.5 Fomba fanorenana ny Tetikasa
Ny Tetikasa dia mifototra amin’ny fanarenan-tany na fandavahana. Izany dia mba
ahafahana mametraka ny fotodrafitrasa amin’ny ankapobeny vita amin’ny Betao
na « Béton » (tohadrano, ozinina, hitsoka ambany tany) na vita avy amin’ny vy (« conduite
forcée », arin-jiro)
Olona miisa 1200 no ho ampiasaina mandritra ny fotoana fanorenana. Omena
fotrodrafitrasa hipetrahana sy ho ampesaina ny mpiasan’ny Tetikasa, izay tsy ho lavitry ny
toeram-piasan’izy ireo. Hisy fiara manokana hitatitra ny mpiasa miala ny trano fipetrahany
mankany amin’ny toeram-piasan’izy ireo. Ny toeram-pitrandrahana dia ho voafefy ary ho
voarara tsy azo hidiran’ny sarababem-bahoaka. Hisy vavahady lehibe ahafahan’ ny fiara
lehibe sy ny fiara tsotra hiditra sy hivaoka ao. Hisy vavahady kely kosa ho ampiasain’ny
mpandeha tongotra.
Mandritra hy fanorenana ny tohadrano dia Ilaina ny mamily ny làlan’ny renirano “Onive”
mankany amin’ny akavia (mandritra ny fanorenana ny atsasaky ny tohadrano aty amin’ny
ilany ankavanana) ary avy eo mankany amin’ny ankavanana (mandritra ny fanorenana ny
atsasaky ny tohadrano aty amin’ny ilany ankavia). Ilaina izany mba ahafahana miaro ny
fanorenana ny tohodrano amin’ny rano sy ny rotsa-korana. Tsy hisy ny familiana manontolo
ny renirano rehefa hanantanteraka izany.
2.6 Tetiandro fanatanterahana
Ny tetiandro fanatanterahana ny Tetikasa dia mifantoka arak’ireto petra-kevitra ireto:
o Ny fem-potoana fanamboarana dia miatomboka ny taona 2020 ary haharitra 5 taona izany. Ka miafara rehefa miatomboka ny fitrandrahana ny fotodrafitrasa.
o Ny fem-potoana fitrandrahana dia haharitra 35 taona (faharentan’ny fahazoan-dàlana hitrandraka na « Concession »).
2.7 Fanombohana ny fitrandrahana
Ny famenoana rano ny tahirindrano dia hatao rehefa voatsangana tanteraka ny
fotodrafitrasa. Izany dia ahafahana manandrana sy manamarina tsara ny fiasany. Rehefa
vita kosa izany dia afaka miatomboka ny fitrandrahana.
Mpiasa 25 no ho ampiasain’ny Tetikasa mandritra ny fotoam-pitrandrahana.
35 m3/s ny fatran-drano ahafahana mahazo vokatra ambony indrindra na « débit nominal »
ny ozinina famokarana herinaratra. Ny tanjona amin’izany dia ny hamokarana herinaratra
betsaka indrindra araka izay tratra (35m3/s araka izay matetika indirindra) amin’ny
ahalalan’ny fampiasana ny rano ao anatin’ny tahirindrano mandritra ny maintany, rehefa
kely ny fitosaky ny renirano Onive.
Arakaraky ny fampiasana ny « turbines » sy ny tahirindrano, mandritra ny dingana
fitrandrahana dia ireto teboka ambany ireto no misahana ny fiovaovan’ny toetry ny rano na
« régime hydraulique » ny Onive:
Madagascar – Fotodrafitrasa famokarana herinara-driandrano– Sahofika Fitsirihana ny mety ho fiantraikan’ ny Tetikasa amin’ny tontolo iainana sy ny ara-tsosialy– Famintinana - version D
NEHO page 7 | 40
o Mandritra ny fotoam-pitombon’ny rano, ary rehefa feno ny tahirindrano: ny ozinina dia hamokatra herinaratra amin’ny farany ambony (« capacité nominale ») ka dia 35 m3/s tsy aki-ato ny fatran-drano na « débit nominal » miala avy ao amin’ny tahirindrano makany amin’ny ozina.
o Mandritra ny maintany, mba ahazoana fatran-drano na « débit nominale » manodina ny 35 m3/s dia hidina tsikelikely ny ivon’ ny tahirindrano, izay feno teo ampiatombohan’ny maintany, mba hamenoana ny fitosaky ny rano avy amin’ny renirano.
o Amin’ny ny faran’ny maintany, dia miakatra tsikelikely ny ivon’ny tahirindrano, ary ahatratra ny maridrefy ilainy izy rehefa manomboka miverina ny fitombon’ny rano. Ho azo antoka ny fahamenoana azy isan-taona.
Ny fatran-dranon’ny Onive eo anelanelan ny tohadrano sy ny ozinina dia tsy ho latsaky
mintsy ny fatran-drano novinavinaina na « débit reservé » ho an’ny fotodrafitrasa, izay
5.7 m3/s.
Ny fitombon’ny rano mandritra ny fotoam-pahavaratra sy ny fampiasana ny rano ao anaty
tahirindrano mandritra ny maintany no mamaritra ny fiovahovan’ny halalin’ny rano ao
anatin’ny tahirindrano. Izany dia miovaova isan-taona.
Mandritra ny maintany, ny ivo farany ambany amin’ny fitrandrahana dia azo tratrarina, raha
voampiasa tsara araky ny fahafahany sy ny heriny ny fotodrafitrasa. Noho izany, ny ivom-
pitrandrahana farany ambany, izay 33 m ambanin’ny « cote d'exploitation normale » (na
refy mahazatra amin’ny fitrandrahana), dia afaka tratrarina mandritra ny roa volana misesy
ao anatin’ny maintany, ary izany isaky ny folo taona.
2.8 Fitantanana ny Antsanga
Ny antsanga tena hita mivaingana dia hijanona eo amin’ny rambon’ny tahirindrano. Fa
maro amin’ireo antsanga kosa no hifindra, mandritra ny taona, mankany amin’ny
tohadrano, noho ny fiovahovan’ny halalin’ny rano ao anaty tahirindrano. Misy hidin-drano
na « Vannes de fonds » eritreretina hapetraka eo anivon’ny tohadrano sy manakivaky ireo
taboaka na « prises d’eau », ahafahana manary ireo antsanga izay mety ho voatatitra
mankany amin’ny tohadrano.
2.9 Faritra voakasiky ny Tetikasa
Tafiditra ao anatin’ny faritra voakasiky ny Tetikasa:
o Ny toerana voafaritra manodidina ny fotodrafitrasa izay hatsangana na harenina
o Ny faritra izay ho tondrakin’ny tahirindrano.
o Ny faritra izay mety hisian’ny fanakorontanana (ny tabataba, ny vovoka, sy ny setroka azo avy amin’ny Tetikasa) :
▪ Ny toeram-panorenana rehetra sy ireo manodidina azy akaiky.
▪ Ny làlana fifamezivezena makany amin'ny tohadrano izay miala avy ao Antanifotsy, na ireo efa misy (ka mila fanamboarana), na koa ireo mbola ho foronina.
▪ Ny làlana fifamezivezena mankeo amin’ny toerana hanorenana ny tambazotram-pitsinjarana ny herinaratra.
o Ny toerana ara-boajanahary sy ara-tsosialy mifanila amin’ny faritry ny tetikasa izay mety hisalovan’ ity farany.
Madagascar – Fotodrafitrasa famokarana herinara-driandrano– Sahofika Fitsirihana ny mety ho fiantraikan’ ny Tetikasa amin’ny tontolo iainana sy ny ara-tsosialy– Famintinana - version D
NEHO page 8 | 40
o Ny faritra manana sata manokana (ohatra ny valan-javaboahary) izay akaikin’ny Tetikasa ka mety hisy fiantraikany amin’ny fitantana azy.
o Ny faritra manana toe-drano izay mety hisalovanan’ny fitrandrahana ny fotodrafitrasa, izany dia ireo « bief » (faritry ny renirano izay eo anelanelan’ny riana anankiroa) miala eo amin’ny tohadrano ka mivaoka mankany amin’ny renirano Mangoro.
o Ny faritra mety ho voakasika raha sanatria misy fivakisan’ny tohadrano. Izany dia ny faritra rehetra manodidina ny Onive sy ny Mangoro ary hatrany amin’ny ranomasina Indianina.
o Ny toerana hamindrana ireo olona mila hafindra monina.
Tsy heverina ho isan’ireo faritra voakasiky ny Tetikasa ireo tanan-dehibe izay hisitraka ny
fanatsarana ny famatsiana herinaratra ao aminy noho ny Tetikasa. Amin’ny lafiny iray, noho
izy ireo efa misitraka tombotsoa. Ary eo ankilany satria ny JIRAMA, izay orinasa hafa, no
hiantoka ny fitsinjarana ny herinaratra amboniny vokarin’ny tetikasa.
3 Famakafakana ireo vahaolana samihafa
3.1 Ny antony hanaovana ny Tetikasa
Tamin’ny taona 2015, ny Governemanta Malagasy dia nandany politika vaovao momban’ny
angovo 2015-2030 sy ny planina nasionaly ho an’ny fampandrosoana 2015-2019. Ny
tanjona dia ny hatratrarana ny tahany fisitrahana ny herinaratra na amin’ny loharanon-jiro
maoderina tokony hatramin’ny 70%, any amin’ny taona 2030, sy « mix électrique »
(karazana herinaratra) 85% azo havaozina, ka 75% amin’izany dia mifototra amin’ny
fampiasana ny herinaratra azo avy amin’ny fikorian’ny rano.
Ny Tetikasa dia mifanaraka tanteraka amin’ny tanjona entin’ny Politika Vaovao momban’ny
Angovo.
Ny fanavaozana ny famokarana herinaratra sy ny tambazotra fizarana izany eto
Madagasikara mba hamaliana ny filàna ary ny paikady nasionaly momban’ny fanoloana ny
famokarana herinaratra azo avy amin’ny akoran’afo ho amin’ireo angovo azo havaozina no
manamarina ny fisian’ny Tetikasa.
3.2 Vahaolana samihafa : « tsy misy Tetikasa »
Ny vahaolana "Tsy misy Tetikasa" dia ahafahana misoroka ny voka-dratsy mety hisy eo
amin’ny ara-tontolo iainana na eo amin’ny ara-tsosialy izay voalaza na voasoritra ao
anatin’ity fanadihadiana ity. Kanefa izany dia manilika ihany koa ny vokatra tsara izay
andrasana eo amin’ny ivo nasionaly sy manamarina ny fisian’ ilay Tetikasa. Izany dia mba
hihenan’ny fiakinan-doha amin’ny fanafarana akoran’afo izay ilaina amin’ny
fampandehanana ny milina mpamokatra herinaratra mandeha amin’ny solika, ary koa ny
fampienana ny famoahana etona mangeja hafanana na « effet de serre » eto amin’ny
Firenana. Noho ireo antony rehetra voalaza etsy ambony ireo no ahafahana miteny fa ny
vahaolana "Tsisy tetikasa" dia tsy azo sokajiana ho vahaolana azo ekena sy maharitra ho
an’ny malagasy.
Madagascar – Fotodrafitrasa famokarana herinara-driandrano– Sahofika Fitsirihana ny mety ho fiantraikan’ ny Tetikasa amin’ny tontolo iainana sy ny ara-tsosialy– Famintinana - version D
NEHO page 9 | 40
3.3 Vahaolana samihafa mety azo anoloana ny Tetikasa Sahofika
Nofakafakaina ny vahaolana ara-teknika rehetra izay mety ahafahana mamokatra
herinaratra mitovy amin’ny tetikasa Sahofika, izany dia ireo angovo azo havaozina, izay
azo antoka fa tsy ho latsaky ny 130 MW, ka afaka mamatsy ny « réseaux interconnecté
Antananarivo-Antsirabe » (Tambazotram-pitsinjarana herinanaratra mampifandray
an’Antananarivo-Antsirabe)
Ny famokarana herinaratra azo avy amin’ny fampiasana motera mandeha amin’ny solika
dia mamokatra etona mangeja hafanana na « gaz à effet de serre », sy manery an i
Madagasikara hanafatra solika amin’ny vidiny lafo. Izany dia tsy mifanaraka amin’ny
paikady nasionaly momban’ny angovo ary tsy vahaoloana ny misafidy an’io fomba
famokarana iray io.
Ny famokarana herinaratra azo avy amin’ny angovo azo havaozina akoatran’ny azo avy
amin’ny fikorian’ny rano (masoandro na rivotra) dia tsy dia azo antoka loatra, satria mety
ho tapatapaka sy tsy voantoka ny famokarany herinaratra. Noho izany dia tsy vahaolana
mety hahasolo ny Tetikasa Sahofika izany.
Afaka mamokatra herinara-driandrano ka mampiasa fotodrafitrasa kelikely maromaro izay
manana tanjaka bebe kokoa noho ny Tetikasa Sahofika. Kanefa dia tsy ahafahana
mahatratra akory ny tanjona napetraka ho an’ny Tetikasa Sahofika izany. Vahaolana tsy
mahomby io raha eo amin’ny lafiny ara-toekarena ary tsy dia azo antoka loatra ny
fanantaterahana izany noho ny tsy fahampian’ny isan’ny toerana afaka ampiasaina.
Ny famokarana herinaratra lehibe azo avy amin’ny fikorian’rano dia manome vahaolana
samihafa ho an’ny tetikasa Sahofika, izay azo iainana tsara no sady mifanaraka amin’ny
paikady nationaly napetraka momba ny angovo. Rehefa natao ny fampitahana ireo tetikasa
famokarana herinaratra azo avy amin’ny fikorian’ny rano ka mitovy amin’ny Tetikasa
Sahofika ary mifanaraka amin’ny paikady nasionaly momban’ny angovo dia hita fa samy
misy fiantraikany amin’ny tontolo iainana sy ny sosialy avy izy ireo ary tsy misy loatra ny
fihavahana manokana. Ny fanadihadiana lalina izay natao dia manamarina fa ny Tetikasa
Sahofika dia anisan’ireo vahaolana azo atokisana sy tsara indrindra ary maripototra rehefa
natao ny fampitahana.
3.4 Fanatsarana ny fotrodrafitrasa sy fisorohana / fanenàna ny mety ho fiantraikany
Nisy famakafakana ara-teknika noentina namaritana ny toerana sy ny vahaolana ara-
teknika hanorenana ny tohadrano, ny lalan-drano sy ny ozinina, toy ny fanao mahazatra
amin’ny tetikasa toy izao. Ny tanjona voalohany amin’izany dia ny fifehezana ny sarany na
ny vola mety ho lany sy ny mety ho fiantraikany eo amin’ny Tetikasa. Izany fomba fiasa
izany dia ahafahana nampihena ny voka-dratsy eo amin’ny tontolo iainana. Nohezahana
nampiasaina araka izay mety ny toerana sy ny zavamisy rehetra izay azo ampiasaina.
3.5 Fanavaozana na famoronana làlana fifamezivezena
Eo anelanelan’Antananarivo sy Belanitra, mba tsy hanamboarana làlana vaovao dia
tapaka fa havaozina ny làlana manomboka eo Antanifotsy mankany Belanitra. Ny Tetikasa
dia hisy fiantraikany tsara eo amin’ny ara-tsosialy, noho ireo làlana ireo izay làlam-
panjakana ary ampiasain’ny sarambabe, ary ezahana amin’izany ny hisoroka ny
fiantraikany ratsy eo amin’ny ara-tontolo iainana.
Madagascar – Fotodrafitrasa famokarana herinara-driandrano– Sahofika Fitsirihana ny mety ho fiantraikan’ ny Tetikasa amin’ny tontolo iainana sy ny ara-tsosialy– Famintinana - version D
NEHO page 10 | 40
Eo anelanelan’ i Belanitra sy ny tohadrano, ny Tetikasa dia mandalo amin’ny ny faritra
manodidina ny valan-zavaboarin’i Marolambo (« zone tampon »). Noho izany dia mila
manorina làlana ahafahana mifamezivezy mankany amin’ny Tohadrano. Ny fotokevi-
dehibe noraisina tamin’ izany dia ny fampifanarahana ny tambazotram-pitsinjarana
herinaratra sy ny lalàna ho amboarina mba hanalavirana arak’izay azo hatao ny toerana
misy hazo maniry.
Eo anelanelan’ny tohadrano sy ny ozinina famokarana herinaratra, ny Tetikasa dia
mamakivaky ny « corridor forestier » (faritry ny ala) izay manankarena zava-miaina
samihafa (« biodiversité »). Tsy dia ahitana olona mipetraka fa biby sy zavamaniry sarobidy
no betsaka monina ao amin’io faritra izay voarakotra ala tanteraka io. Tambazotram-
pitsinjarana herinaratra sy làlana manohy ny ozinina famokarana herinaratra sy ny
tohadrano no hoforonina ao amin’ny faritra. Marihina fa atreto dia tsy mbola misy hafa tsy
lalan-kely ho an’ny mpandeha tongotra ihany ao amin’io faritra io.
Ireo soritra nanaovana fanadihadiana manelanelana ny ozinina famokarana herinaratra sy ny tohadrano
Karazana soritra maro
no novinavinaina
ahafahana
manamaivana ny
vokadratsy mety
hateraky ny
fanamboarana ny làlana
sy ny tambazotram-
pitsinjarana herinaratra
eo amin’ny vala-
javaboary : (i) soritra
akaiky indrindra (Volom-
boasary), (ii) soritra
manaraka ny Onive
(Mena) (iii) soritra
mampiasa arak’izay azo
hatao ny faritra tsy misy
ala (Maintso).
Mba ahafahana misafidy ny soritra izay tsy dia misy fiantraikany betsaka indrindra amin’ny
ara-tontolo iainana sy ny ara-tsosialy dia nisy famakafakana izay natao isaky ny soritra.
Nandritra ny fanomanana ny famakafakana sy teo amin’ny fisafidianana ny vahaolana dia
nanontaniana ny hevitry ny ONG Sadabe, izay mikarakara ny fiarovana ny zavaboary ao
amin’ny faritra, sy ny hevitry ny tompon’andraikitry misahana ny rano sy ny ala (Nationaly
sy ao amin’y faritra).
Ny soritra voasafidy dia ilay soritra maintso (voalaza etsy ambony), izay miezaka ampiasa
ny faritra tsy misy ala betsaka indrindra. Izany no natao mba hialana arak’izay mety amin’ny
voka-dratsy ao amin’ny tontolo iainana, amin’ny fampiasana ny faritra efa voakasika sy ny
amin’ny fiezahana ny tsy hanorenana « corridor » vaovao indray.
Arakan’ny famakafakana antsipiriany izay natao, ny fametrahana maripototra ny
fotodrafitrasa arakaraka ny soritra voasafidy dia tsy maintsy mbola ho atao. Noho izany,
dia hisy ekipa teknika sy ekipa misahana ny tontolo iainana hilatsaka eny antoerana
ahafahana manana antoka ny amin’ny fanenana ny voka-dratsy rehetra izay mety hateraky
ny asa ho atao.
Madagascar – Fotodrafitrasa famokarana herinara-driandrano– Sahofika Fitsirihana ny mety ho fiantraikan’ ny Tetikasa amin’ny tontolo iainana sy ny ara-tsosialy– Famintinana - version D
NEHO page 11 | 40
4 Famaritana araky ny lalàna sy ny didy amam-pitsipika
Ny famaritana araky ny lalàna sy ny didy amam-pitsipika izay tsy maintsy arahan’ny
Tetikasa dia :
o Ny lalàna Malagasy, ao anatin’izany ireo fifanarahana iraisam-pirenena nankatoavin’ny Repoblikan’i Madagasikara.
o Ny politikam-piarovanan’ny Banky Afrikana ho an’ny Fampandrosoana
o Ny fenitra napetraky ny « Societé Financière Internationale » na SFI tamin’ny 2012.
5 Ny toetoetra ny toerana eo am-pihatombohana : eo amin’ny lafiny fisika sy jeograpfika
5.1 Jeografia
Ao afovoan-tany ny Madagasikara, Atsimon’ Antananarivo no ahitana ny sahandriakan’ny
Onive, izay mirefy 4565 km2 raha miala eo amin’ny tohadrano. Ny toerana dia manana bika
toy ny vohitra misongadina tsara, ary azo sokajiana ho faritra avo sady kisilasila, indrindra
ny faritra andrefana izay manana hahavontany 2 643m ao amin’ny tangorombohitr'
Ankaratra. Ny toerana hisy ny tohadrano dia manana hahavontany eo amin’ny 1300 m.
Ny renirano Onive dia matetika tondraka noho ny firaika mitsatoky ny tany (« pentes
fortes ») sy ny refin-drotsakorana manasara-taona izay mahatratra 1 400mm. Ny
sahandriaka dia voarakotry ny bozaka fahita eto ampovoan-tany, ary misy faritra misy ala
mitokatokana sy ala tsy vaky lay ao amin’ny ivony atsinanana. Ny fambolena vary dia hita
ao amin’ny faritra ambany misy ny rano
Ao antsinanan ny tohadrano no ahitana tendrombohitra rakotr’ala (avaratra miantsinanana)
izay manana haavontany 1 500m ka hatramin’ny 1 600 m. Ary izany dia mamaritra ny
« corridor forestier » malagasy. Raha miantsinana ihany dia hisy fidinanabe tampoka
hatrany amin’ny arivo metatra ao anatin’ny roa kilometatra. Ny ozinina famokarana
herinara-driandrano dia ho ahorina ao amin’io faritra io izay manararaotra ny fisian’ny riana
matanjaka ao. Ny haavontan’ny lohasaha dia mahatratra 600m ary mihena tsikelikely izany
rehefa mitodika mankany amin’ny ranomasina, izay 95km refi-mahitsy miala eo.
5.2 Haibolantany sy toe-tany
Misy haibolantany telo lehibe ao amin'ny sahandriaky ny renirano Onive: ny « socle
cristallin », « roches volcaniques » (na volokano), ary ny tany « sédimentaires » (mandry)
eny an-dohasaha. Ny tany « ferrallitiques » (tany mena manankarena oxyda na vy sy
oxyda na alumine) no anisany tena mandrafitra betsaka ny toe-tany ao amin’ny
sahandriaka, ary anisan’ izany ny vato « Acide » (migmatites) na ny matoam-bato tsotra
(basaltes).
5.3 Toetrandro
Manomboka volana Novambra ka hatramin’ny volana Martsa ny vanin-andron’ny orana eto
Madagasikara ary ny vanin-andro maintany dia manomboka ny volana Aprily ka
hatramin'ny volana Oktobra. Ny vanin’andro ririnina izay mifanaraka amin'ny vanin’andro
ny maintany dia miatomboka ny tapaky ny volana Mey ka hatramin'ny volana Septambra :
ny alizay mangatsiatsiaka sy maina izay mitsoka any atsimo-atsinanana no tena mahery
Madagascar – Fotodrafitrasa famokarana herinara-driandrano– Sahofika Fitsirihana ny mety ho fiantraikan’ ny Tetikasa amin’ny tontolo iainana sy ny ara-tsosialy– Famintinana - version D
NEHO page 12 | 40
any morontsiraka atsinanana mandritra vanin’andro io, ankoatra ny akaiky ny
morontsiraka, izay manangona ny hamandoana rehetra azo avy amin’ny ranomasina.
Vokatr’izany, mety ho avy mandritra ny taona ny orana amin ny morontsiraka atsinanana
sy ny ilany atsinanan’ireo tendrombohitra ka ahahafahan’ny ala tropikaly miaina sy mivoatra
tsara.
Ny hahavontany dia mampangatsiaka ny toetrandro amin’ireo faritra afovoan-tany,
farafaharatsiny ho an’ny ireo faritra izay tsy dia avo loatra.
Ahitana toetrandro karazany roa ao amin’ny faritry ny Tetikasa. Mafana sy mandomando
kokoa ny toetrandro eny amin’ny faritra iva (hafanana amin’ny ankapobeny eo amin’ny
23°C eo sy rotsakorana isan-taona mihaotra ny 2 000 mm). Ny toetrandro eny amin’ny
faritra avo dia mangatsiaka sy maina kokoa (hafanana amin’ny ankapobeny eo
anelanelan’ny 10°C sy 15°C sy rotsakorana isan-taona mihaotra ny 1 500 sy 2 000 mm).
Ny alizay no mifehy ny fitsokan’ny rivotra izay avy any atsinanana ka hatrany andrefana.
Mandritra ny fandalovan’ny rivodoza no mazàna misy ny rivotra mahery (250 km / h na
mahery).
5.4 Ony sy toetran’ny rano
Mialoha ny tohadrano dia misy sahandriaka lehibe izay mirefy 4 565 km² ary tondrahan ny
Onive sy misampana ho reniranokely maro. Ny ony any amin’ny faitra ambonin’ny renirano
Onive dia mazàna milamina, afatsy ny faritra misy rano-mahery sy riana izay vitsy, ka ny
tena goavana indrindra amin’izany dia ny rian’ny Tsinjoarivo (izay manana haavo 50 m).
Ny fatran-dranon’ny Onive amin’ny ankapobeny ao amin’ny tohadrano dia 110 m3/s. Ny
fatran-drano teo anelanelan’ny taona 1963 sy ny taona 2008, rehefa vanin’andro maintany
dia 9 m3/s sy rehefa vanin’andro ny orana dia 485 m3/s.
Ny renirano Onive, miainga eo amin’ny tohadrano (hahavontany 1 300m), dia mikoriana
amina lohasaha mideza sy ety izay ahitana riana maro: eo amin’ny alavirana sahabo 13km
eo, ny hahavontany dia mihena 1 300m ho 600m izay miteraka ilay haavon’ilay riana
ampiasain’ny Tetikasa.
Ny renirano Mangoro dia mifandray amin’ny renirano Onive eo amin’ny 200 km ny
loharanony ary 110 km ny ranomasina Indiana. Ny Mangoro dia mizara rano ao anatin’ny
sahandrika mirefy 17 175 km² (ny 4 860 km² amin’izany dia avy amin’ny renirano Onive)
5.5 Kalitaon'ny rano sy ny antsanga
Ny fanadihadiana ny kalitaon'ny rano sy ny antsanga dia natao tamin’ny vanin’andro
maintany. Ny kalitao biosimika ny rano amin’ny faritra any ambony sy ny faritra any ambany
dia azo ampitahaina amin’ny rano anàva (“eau aval”) izay somary mangatsiaka kokoa.
Ny otrika entin’ny ranon’ny Onive dia ampy hamatsiana ny tranga na «eutrophisation »
(Rehefa tsy ampy oksizena ny rano na « hypoxie » ka atahorana ny ain’ny zava-miaina ao)
izay hita ao amin’ireo faritra tsy ahitana fiovana na fietsehana. Ny refy natao dia
nanamarina fa tsy misy fahalotoana ao amin’ny rano araka ny fandrefesana natao tamin’ny
« salmonelles », ny « coliformes », ny metaly mavesatra ary ny « pesticides ». Ny Onive
dia renirano tsy misy fahalotoan’ny rano izay atahorana hiverimberina.
Madagascar – Fotodrafitrasa famokarana herinara-driandrano– Sahofika Fitsirihana ny mety ho fiantraikan’ ny Tetikasa amin’ny tontolo iainana sy ny ara-tsosialy– Famintinana - version D
NEHO page 13 | 40
5.6 Fandehanan’ny vainga anaty rano
Ny ranon’ny Onive dia hahitana vainga mitsingevana mandritra ny vanin’andro rehetra. Ny
fandrefesana vainga mitsingevana natao hatreto dia manome refy manodidina ny 100 g/m3
amin’ny vanin’andron’ ny orana.
Rehefa kajiana ny tahan’ny rano mandritra ny enimbolan’ny maintany sy ny tahan’ny rano
mandritra ny enimbolan’ny vanin’andro fahavaratra, ary raisina ny 30% izay mifanaraka
amin’ny fifamezivezen’ny vainga mavesatra any ambanin’ny rano, dia vinavinaina ho 1.5
hatramin’ny 2 tapitrisa taonina isan-taona ny rano mirotsaka ao amin’ny tohadrano (latsaky
ny 1 tapitrisa m3)
5.7 Kalitao ny rivotra
Ny loton’ny rivotra izay azo avy amin’ny indostria sy ny loton’ny rivotra azo avy amin’ny
fifamoivozan’ny fiara dia tsy misy ao amin’ ny faritry ny fotodrafitrasa famokarana herinara-
driandrano. Ny fandoroana ireo zavamaniry no tena mahatonga ny fahasimban’ny
kalitaon’ny rivotra eo amin’ny faritra misy ny Tetikasa.
5.8 Feo heno (tabataba)
Ny famakafakana izay natao momba ny fandrefesana ny feo na tabataba izay natao dia
nahafahana nanamarina fa ny tena fototry ny tabataba dia mazàna ny fifamezivezen’ny
fiara. Azo lazaina hoe mangina ny faritra misy ny tetikasa noho ny tsy fisian’ny
fivezivezen’ny fiara be loatra. Mafy kokoa ny refin’ny tabataba ao amin’ny
tananan’Antanifotsy noho izy renivohitra distrika, ka misy fifamezivezena fiara betsaka
6 Toetry ny toerana any amboalohany: Famaritana ara-tsosialy
6.1 Famaritana Aram-panjakana
Ny tabilao sy ny sary manaraka dia mitanisa ireo kaominina voakasiky ny Tetikasa (tsy
voatanisa ao anatin’izany ny kaominina handalovan’ny tambazotram-pitsinjarana
herinaratra izay eo anelanelan’ Antanifotsy sy Antananarivo. Izany dia mbola miankina
amin’ny ilay toerana tena izy ho safidina hanorenana ny fotodrafitrasa amin’izany)
Zanak’asa ny Tetikasa Kaominina Distrika Faritra
Tohadrano sy ny fotodrafitrasa manodidina, tahirindrano
Belanitra Antanifotsy Vakinankaratra
Tsinjoarivo Ambatolampy
Ozinina famokarana herinara-driandrano
Ambalaomby Anosibe An’Ala Alaotra Mangoro
Làlana fifamezivezena
Antanifotsy
Antanifotsy Vakinankaratra Ambatomiady
Ambohitompoina
Belanitra
Ambalaomby Anosibe An’Ala Alaotra Mangoro
Toerana mety hamindrana ireo olona voakasiky ny tetikasa
Belanitra Antanifotsy Vakinankaratra
Tsinjoarivo Ambatolampy
Madagascar – Fotodrafitrasa famokarana herinara-driandrano– Sahofika Fitsirihana ny mety ho fiantraikan’ ny Tetikasa amin’ny tontolo iainana sy ny ara-tsosialy– Famintinana - version D
NEHO page 14 | 40
Sary 1 - Kaominina voakasiky ny fotodrafitrasa famokarana herinara-driandrano
6.2 Faritra misy ny tahirindrano sy ny tohadrano
Fokontany efatra, dia Antenina, Befotaka, Antandrokomby ary Ankazomena, izay ao
amin’ny kaominina Belanitra sy Tsinjoarivo no mandrafitra ny faritry ny tahirindrano sy ny
tohadrano. Ireo faritra ireo no tena hiantraikan’ny Tetikasa, ary olona 5 760 isa no
mipetraka ao amin’ny ireo fokontany efatra ireo, izay ho voakasika amin’ny ampahany.
6.3 Faritra misy ny ozinina famokarana herinara-driandrano
Ny tananan’i Faravohitra sy Sahofika no tafiditra ao anatin’io faritra io. Ny tananan’i
Faravohitra dia ao amin’ny kaominina Ambalaomby, fokontany Sahofika, izay 7km ao
antsinanan’ny tohadrano ary akaiky ny ozinina famokarana herinara-driandrano. Dia
tongotra 30 minitra ary mandalo làlankely sahabo eo amin’ny 2km eo no manohy ny
tananan’i Sahofika (Renivohim-pokontany) sy ny tananan’i Faravohitra.
6.4 Ny foko merina sy betsimisaraka
Ny foko Merina sy Betsimisaraka no mipetraka ao amin’ny faritra: ao amin’ny ilany havia
ny renirano Onive, faritra Vakinakaratra no misy ny Merina; ary ao amin’ny ilany
havananan’ny renirano Onive kosa, faritra Alaotra Mangoro (Distrika ny Nosibe An’Ala) no
misy ny Betsimisaraka.
Ao amin’ny faritra Analamanga, Vakinankaratra sy Itasy izay faritra afovoan’i Madakasikara
no misy ny foko Merina. Ny teny malagasy ofisialy no ampiasaina ao amin’ny ireo faritra
ireo; izay fiteny azon’ny olona manerana ny faritra rehetra eto Madagasikara. Marihana fa
ny Merina dia tsy voatery mahazo ny tenim-paritra rehetra.
Madagascar – Fotodrafitrasa famokarana herinara-driandrano– Sahofika Fitsirihana ny mety ho fiantraikan’ ny Tetikasa amin’ny tontolo iainana sy ny ara-tsosialy– Famintinana - version D
NEHO page 15 | 40
Amin’ny faritra Antsinanan’i Madagasikara, miala eo Mananjary ka hatrany Antalaha, no
tena ahitana ny foko Betsimisaraka. Ny foko Betsimisaraka dia manana ny fiteniny sy ny
fombafombany manokana izay mampiavaka azy ireo.
6.5 Ny mponina sy ny fivoarany
Ny mponina ao amin’ny faritra dia tanora amin’ny akapobeny. Ny taha fivoaran’ny mponina
mandritra ny 10 taona dia 23% ka hatramin’ny 64% ary mahatratra 31% izany amin’ny
ankapobeny ao amin’ny faritra misy ny Tetikasa. 40 amin’ny mponina 1 000 ny tahan’ ny
fiterahana.
Ankoatran’ny ao Antanifotsy, dia vitsy ny mponina ao amin’ny faritra misy ny Tetikasa. Ny
habetsahan’ny mponina dia heverina ho 97 olona / km2 eo. Ao amin’ny kaominina
Ambalaomby, izay misy ny tananan’i Faravohitra sy Sahofika, misy ny ozinina famokarana
herinaratra dia tena vitsy dia vitsy ny mponina noho io faritra io saro-dàlana.
Noho ny fisian’ny indostria maro ao amin’ny tananan’ Antsirabe, izay tsy dia lavitra ny faritry
ny tetikasa, dia nahasarika tantsaha maro izany faritra izany nandritra ny ny taona 1980.
Ireo lehilahy tatsaha mpitady asa ihany no tena nahitana izany fifindramonina (tsy
maharitra) izany. Vitsy ny fianakaviana tantsaha izay nifindra monina tanteraka nankany
amin’ny tananan’ Antsirabe.
Mahery ny 40% ny mponina nanaovana fanadihadina no fara-fahakeliny 15 taona
nonenana tao amin’ny faritry ny tetikasa. 17% ny mponina no nonina tao nandritra ny 5
taona midina. Mpifindramonina (tanora 20 ka hatramin’ny 40 taona) na mponina avy
amin’ny faritra manodidina no betsaka amin’ireo mponina vaovao ireo
6.6 Tokatrano sy ny Ankohonana
Fanadihadiana tokatrano miisa 150 no natao nandritra ny fanomanana ity EIES ity.
Ny loham-pianaviana lehilahy izay 89.3%, no tena betsaka raha oharina amin’ny loham-
pianaviana vehivavy, izay 10.7% monja. Ireo taha reo dia tsy mifanalavitra ny taha
nasionaly. Mazàna dia vehivavy maty vady, nisara-bady, niteraka tsy nanambady na koa
manambady lehilahy lasa nitady asa any hivelan’ny faritra, ireo vehivavy loham-pianaviana
ireo. Manan-katao na miasa ny ankamaron’ireo loham-pianaviana ireo.
Ny karazana fianakaviana « Nokleary » izany hoe misy raim-pianakaviana, renim-
mpianakaviana sy zanaka no karazana fianakaviana tena hita ao amin’ny faritra nanaovana
fanadihadiana. Mazàna olona 6 eo ho eo ny isan’ny olona mandrafitra ny ankohonana iray,
ary amin’ny ankapobeny dia 3 eo ho eo ny isan’ny zanaka.
6.7 Lamina ara-tsosialy
Ny fizokiana dia mbola manan-danja eo amin’ny fiarahamonina raha ny amin’ny faritry ny
tetikasa. Noho izany, na ao amin’ny faritra Vakinakaratra na ny faritra Alaotra Mangoro, dia
ny zokiolona, no tena hita fa manana traikefa (ela niainana).. Marihina araka izany fa ao
amin’ny faritra Betsimisaraka dia ny zoky no tena manandanja eo amin ny fiarahamonina.
Ny famahana ny olana ara-piarahamonina dia manaraka ireto zana-tohatra 3 ireto :
o Raha toa ny ady ka mahakasika ny mpiray vodirindrina na olana ao antokatrano, dia ny olon-dehibe no mandravina ny disadisa. Eo anivon’ny tanana kely na fokontany matetika no hahitana izany.
Madagascar – Fotodrafitrasa famokarana herinara-driandrano– Sahofika Fitsirihana ny mety ho fiantraikan’ ny Tetikasa amin’ny tontolo iainana sy ny ara-tsosialy– Famintinana - version D
NEHO page 16 | 40
o Raha toa ka tsy voavaha eo anivon’ireo olon-dehibe ao an-tanana ny disadisa dia miditra an tsehatra ny mpitantana ny fokontany. Raha tsy voavaha eo anivon’ny fokontany ny olana dia mety ho tonga hatrany amin’ny Benin’ny tanana
o Raha tsy voavaha eo anivon’ny tompon’andraikitra ifotony ireo ny disadisa dia afaka manantona ny zandarmaria na ny fitsarana ireo olona manana olana ireo.
Amin’ny ankapobeny dia ny fifampiresahana no tena vahaolona mandaitra sy
hampiasain’ny mponina hatreto
6.8 Fandinihana ny lahy sy ny vavy
Amin’ny ankapobeny, ny lehilahy sy ny vehivavy dia samy mandray anjara amin’ny
fampidiram-bola eo anivon ny tokatrano (matetika amin’ny fambolena), na dia hita aza fa
tsy mitovy ny habetsahan’ny asa atao, ny fandraisana anjaran’ny vehivavy dia kely kokoa,
noho izy ireo mbola miandraikitra ny fikarakarana tokatrano sy ny fitaizana.
Ny vola azon’ny raim-pianakaviana dia omeny ray manontolo ny renim-pianakaviana izay
mitantana izany. Ny mpivady no miara-manapaka ny fandaniana rehetra.
6.9 Ny fananan-tany
Ny maro an’isa amin’ny mponina dia tsy manana taratasin-tany na « titre foncier » satria ny
tany dia tanim-panjakana ny ankamaroany. Misy ihany anefa ny manana « Titre foncier »
na karatany « Certificat foncier » indrindra manodidina ny tanan-dehibe. Ny toerana
hanorenana ny tohadrano, ka hisy ny Tahirindrano, ary koa ny ozinina famokarana
herinara-driandrano dia tani-mpanjakana, izay hampiasain’ny mponina na misy taratasy na
tsy misy (izay vita eo anivon’ny fokontany na ihany koa tany voasoritra avy amin’ny
fifanarahan’ny mpiaramonina ihany).
Araky ny famakafana natao, ny tokatrano rehetra dia manana tany hipetrahana na tany
fambolena avokoa (iray farafahakeliny).
Tsara marihina etoana fa tsy misy lalàna mazava mifehy ny fananan-tany ao amin’ny faritra
manodidina ny valan-zavaboary Marolambo ankoatran’ny faritra misy loharanon-karena
voajanahary izay tantanin’ny VOI (Vondron’Olona Ifotony), izay tsy dia hajain’ny olona lotra
ny lalàna mifehy ka mahatonga ny fahasimban’ny ala ihany amin’ny faritra tantan’ny VOI.
Roa am-pahatelon’ny mponina nanaovana fanadihadina dia mahalala ny fisian ny Birao
Ifotony ny Fananantany na ny BIF (70%); ary 30% amin’ireo ihany no efa nanantona ny
BIF. Ny fikarakarana ny taratasin-tany dia lasa miha-sarotra ho an’ny mponina ao amin’ny
faritra. Ny fitombon’ny isan’ny mponina, ny fifamezivezen’ny mponina sy ny fifindramonina
dia manamafy izany tranga izany.
6.10 Firafitry ny zavamaniry
Ny 30% ny faritra iatraikan’ny Tetikasa dia rakotra ala (ala natoraly sy hazo nambolena).
Ny 38% dia akata, 30% misy tanimboly sy tany ngazana (tsy misy zavamaniry). Ny ambiny
dia misy zavatra hafa toy ny rano. Ny fisian’ny valan-zavaboarin’i Marolambo sy ny faritr'ala
tantanin'ny VOI, izay ao anatin’ny faritra voaaro, dia misy fiantraikany amin’ny firafitry ny
zavamaniry.
Madagascar – Fotodrafitrasa famokarana herinara-driandrano– Sahofika Fitsirihana ny mety ho fiantraikan’ ny Tetikasa amin’ny tontolo iainana sy ny ara-tsosialy– Famintinana - version D
NEHO page 17 | 40
6.11 Fotodrafitrasa sy fandraharaham-panjakana
Ny làlana makany amin’ny faritry ny tetikasa dia : Làlam-pirenena fahafito no handehanana
hatreo Antanifotsy. Làlan-tany izay tena ratsy no mampifandray ny tanàn’ Antanifotsy sy ny
Kaominin’ny Belanitra. Manomboka eo Belanitra dia làlana azo handehanan’ny « moto »
no mankany amin’ny faritry ny tohadrano, ary lalan-kely fandehanan-tongotra no
mampifandray ny tohadrano amin’ny toerana famokarana herinaratra ao Faravohitra. Ireo
làlana ireo (Akoatran’ny RN7) dia tena saro-dàla amin’ny vanin’andro fahavaratra. Miavaka
ny faritra misy ny tohadrano sy ny ozinina noho izy tsy misy làlana afaka mampifandray azy
amin’ny tanan-dehibe.
Ho an’ny tananan’i Faravohitra, Antenina, Befotaka sy ny manodidina azy dia ny
fandehanana an-tongotra maharitra no entina hifamezivezena, izay misy faritra (sy fotoana)
ihany ahafahana mampiasa ny « taxi-moto ».
Ao amin’ny faritry ny tetikasa, ny tokantrano miisa sivy amin’ireo folo dia tsy misitraka ireo
fotodrafitrasa ampiasain’ny daholobe (rano, finday, herinaratra). Antanifotsy irery ihany no
tanàna manana tambazotram-pitsinjarana herinaratra mifanohy amin’ny tambazotra
nasionaly, tambazotra fitsinjarana ny rano fisotro. Tsy mande ny finday rehefa miha-
manalavitra ny tananan’ Antanifotsy. Noho izany, dia mila mandeha tongotra sahabo eo
amin’ny adin’iray miala ao Antenina rehefa handefa na handray SMS, na hiantso rehefa
afaka. Ny tananan’ Antanifotsy ihany no mifandray amin’ny tambazotram-pitsinjarana ny
herinaratra avy amin’ny JIRAMA izay orinasam-panjakana mpamokatra sy mpitsinjara
herinaratra sy rano eto Madagasikara.
Ny farim-pahaizan’ny mponina dia somary ambany amin’ny ankapobeny. Amin’ny
ankapobeny dia latsaky ny 2km ny elanelan’ny tanàna sy ny sekoly. Ny fokontany rehetra
dia manana sekoly fanabeazana fototra, sekolim-panjakana na sekoly tsy miankina
(katolika ny ankabeazany) na koa sekoly hikambanana. Ny sekoly ambaratonga faharoa
na kolejy dia hita any amin’ny renivohitry ny kaomina amin’ny ankapobeny, ary ny “lycée”
ao amin’ny tananan’i Tsinjoarivo, Antanifotsy sy Ambohitompoina.
Ny fandrarahana misahana ny fahasalamam-bahoaka ao amin’ny faritry ny Tetikasa dia
ahitana hopitaly iray ao amin’ny distrikan’Antanifotsy, CSB iray isaky ny kaominina ary
toera-mpitsaboana roa (tantanina mpilatsaka antsitram-po) ao Befotaka sy Antsahondra.
Ireo fotodrafitrasa misy ireo dia efa tena ratsy no sady tsy ampy ho an’ny mponina ao
amin’ny faitra.
Ny tanàna mitokana toy ny Faravohitra sy Antenina dia mijaly amin’ny tsy fahampin’ireo
fotodrafitrasa ireo noho izy ireo izay tsy afaka mamonjy amin’ny fomba haingana ireo
toeram-pitsaboana ireo noho ny fasarotan’ny làlana.
6.12 Asa fambolena
Ny mponina manodidina ny faritry ny Tetikasa dia mivelona amin’ny fambolena sy ny
fiompiana amin’ny ankapobeny (arak’izany dia ireo no foto-pivelomanan’ny mponina).
Ankoatra izany dia mitrandraka volamena mandritra ny main-tany eo amin’ ny efatra ka
hatramin’ny enim-bolana izy ireo.
Ny maro an’isa amin’ny tantsaha izay nanaovana fanadihadina dia mamboly izay ho
sakafon’izy ireo (voly fihinana). Anisan’izany ny vary, ny katsaka, ny ovy, ny vomanga, ny
mangahazo, ny tsaramaso sy ny saonjo.
Karazana fambolena roa no tena misongadina: ny Tavy sy ny voly sa Tondraka na an-
tanimbary
Madagascar – Fotodrafitrasa famokarana herinara-driandrano– Sahofika Fitsirihana ny mety ho fiantraikan’ ny Tetikasa amin’ny tontolo iainana sy ny ara-tsosialy– Famintinana - version D
NEHO page 18 | 40
Manao fiompiana ny Tantsaha fa kely no tsy dia tena mamokatra. Ny olana iraisan’ireo
tantsaha amin’izany dia : ny tsy fahampian’ny mpitsabo ny biby, ny tsy fisian’ny
fampahafantarana sy fanentanana, ny tsy fanaovana fandrosoana ara-jenetika, ny tsy
fahampian’ny fanaraha-maso ny toem-pahasalaman’ ny biby ary ny tsy fisian’ny
fotodrafitrasa hoan’ ny famokarana; eo ihany koa ny tsy fandriam-pahalemana.
Ny fiompiana trondro dia manomboka mivelatra ao amin’ny faritry ny Tetikasa. Tsikaritra
amin’ izany fa misy amin’ireo tantsaha monina ao Antanifotsy ka hatrao Befotaka no
manana dobo fiompiana tilapia sy karpa eo amin’ny tanim-barin’izy ireo.
6.13 Jono sy Haza
Ny reniranon’i Onive no toerana fanjonoana lehibe indrindra ao amin’ny fairitra satria izy no
renirano lehibe indrindra ao. Kanefa mahery loatra ny tosiky ny rano ka izany dia
manahirana ny mpanjono ary kely ny vokatra azo. Noho izany dia lasa karazana fialam-
boly sisa ny jono hoan’ ireo 10% ny mponina ao, fa tsy dia azo antoka atao fivelomana.
Tsy nisy niresaka mahakasika ny Haza ny tao anatin’ny famoriam-pokonolona (« focus
group ») izay natao tao anatin’ny faritry ny Tetikasa Sahofika. Kanefa, nandritra ny
fanadihadiana mikasika ny karazan-javaboahary (Tontolo iainana) dia tsikaritra ihany fa
misy fandrika biby ao anatin’ny faritry ny ala.
6.14 Ireo karazana asa hafa
Ahitana fahaizana taozavatra ihany ao amin’ny faritry ny Tetikasa, indrindra mikasika ny
fanamboarana fitaovam-pamokarana sy fitaovana fampiasa andavanandro.
Ahitana soritra na efajoro fitrandrahana (carré minier) harena an-kibon’ny tany vitsyvitsy ao
amin’ny faritry ny Tetikasa, izay manana sata samihafa:
“Fahazoan-dàlana hitrandraka” miisa roa, “Fahazoan-dàlana natokana ho an’ireo
mpitrandraka madinika” miisa iray ary “Fahazoan-dàlana hanaovana fikaroana” hita
manaraka ny làlana ao amin’ny faritra natokana hamindrana ny mponina. Ny volamena no
betsaka mpitrandraka indrindra fa ny safira ihany koa dia efa tafiditra ao anatin’izany.
Marihina fa mpitrandraka madinika no maro amin’izy ireo.
Ahitana toerana azo hatao fizahantany maro izay azo trandrahana tsara ao amin’ny faritry
ny Tetikasa. Ireo toerana ireo dia tsy mbola voatrandraka hatreto na koa sarotra
trandrahana noho ny fahasarotan’ny làlana na noho ny faharatsian’ny làlana. Ny toerana
tena mahasarika ny mpizahatany dia ao Tsinjoarivo izay tafiditra ao anatin’ny faritry ny
Tetikasa, kanefa vitsy ny mpizahatany tonga mamangy ny toerana mandritra ny taona ary
ny vahiny no tena bestaka amin’ny izany.
6.15 Ny asa sy ny fepetra misahana ny arak’asa
Misy karazana asa maro sy fepetra misahana ny arak’asa hita ao amin’ny faritry ny
Tetikasa. Ny sehatr’asa tsy manara-dalàna no tena mamelona ny akamaroan’ny tokatrano
ao amin’ny faritry ny Tetikasa. Misy tokatrano sasatsasany (fianakaviana mpampanofa tany
na fianakaviana manjaka tokana amina sehatra asa iray) manana fidiram-bola tsara, fa ny
ankamaroan’ny olona miasa dia kely ny vola miditra, ary asa fivelomanana mifantoka
amin’ny fitrandrahana ny zavaboary no betsaka.
Amin’ny akapobeny, kely ny fidirambola ny mponina afaka miasa; miampy vadin’asa izay
mifantoka amin’ny fitrandrahana ny loharanon-karena voajanahary. Kanefa misy ihany ireo
Madagascar – Fotodrafitrasa famokarana herinara-driandrano– Sahofika Fitsirihana ny mety ho fiantraikan’ ny Tetikasa amin’ny tontolo iainana sy ny ara-tsosialy– Famintinana - version D
NEHO page 19 | 40
tokatrano izay manana fidirambola tsara (fianakaviana mpapanofa tany na fianakaviana
manjaka tokana amina sehatra asa iray).
Noho ny tsy fisiana orinasa sy indostria dia tsy dia ahitana mpiasa manana traikefa amin’ny
asa mila fahaiza-manao manokana ny tsenan’ny asa ao amin’ny faritry ny Tetikasa.
6.16 Fidiram-bola sy fandanian’ny tokatrano
Ireo tokantrano miaina ao anatin’ny fahantrana no tena maro an’isa.
Ny 84% ny tokatrano ao anatin’ny faritry ny Tetikasa, izay nanaovana fanadihadiana dia
manana fidirambola latsaky ny 7 000 Ar isanandro, noho izany dia voasokajy ho mahantra.
17% no manana fidirambola latsaky ny 1400 Ar isanandro, noho izany dia voasokajy ho
tena anatin’ny fahantrana lalina.
Ny fivarotana ny ambim-bava amin’ny vokatra azo avy amin’ny fambolena no manampy
amin’ny fividianana ny kojakoja ilaina andavanandro (toy ny savony, menaka, sira,
siramamy, kafe…). Matetika dia voatery mivarotra ny tahirim-bokatra misy izy ireo na dia
tsy maharitra mandritra ny taona aza izany. Ireo entana hamidy ireo dia ahafahana mandoa
ny saram-pianarana, ny fanafody, sns. Noho izany dia tsy maintsy mividy ireo sakafo
hoanina izy ireo mandritra ny fotoana sarotra (Novambra ka hatramin’ny Janoary), fotoana
izay tena hiakaran’ ny vidim-bary.
Ny fotoan-tsarotra dia matetika manomboka ny volana Aogositra, manomboka eo no lany
ny vokam-pambolena ary mila miketrika paikady ahafahana miaina izy ireo. Manomboka
amin’io fotoana io koa ny fambolena vary (fiasana tany, fanetsana, ...). Fotoana tena sarotra
io fotoana io ho an’ny akamaroan’ny Tatsaha eto Madagasikara.
6.17 Ireo fahalemena (Marefo)
Noho ny fahantrana sy ny fitokanan’ny faritry ny Tetikasa (saro-dàlana), dia ilaina jerena
manokana ireo olona na vondron’olona izay marefo mba tsy hisian’ny voka-dratsy be loatra
amin’ny fiainan’ izy ireo sy hisitrahan’izy ireo tombon-tsoa izay tokony mifanaraka
amin’izany. Ireto avy izany karazana olona marefo izany:
o Ireo olona manana aretina mitaiza na ireo tsy salama saina sy ireo sembana izay tombanana ho latsaky ny 5% ny mponina ao anatin’ny faritry ny Tetikasa.
o Ireo be antitra (mihoatra ny 65 taona) izay 3% ny mponina
o Ireo vehivavy loham-pianakaviana, vehivavy maty vady, na nisara-bady izay marefo satria tsy ampy ny fanampiana azon’izy ireo, tombanana ho 11% ny mponina.
o Ireo fianakaviana izay tsy manana na zara raha manana fidiram-bola ka miaina ao anatin’ny fahantrana lalina; 38% no nanambara fa latsaky ny 1 000 000 Ar ny fidiram-bolany isan-taona.
o Tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra: 9% ny mponina no tsy nianatra
6.18 Sehatrasa mifandray amin’ny fampiasana ny rano
Ny fampiasana ny rano dia mitovy na avy any ambony na avy any ambanin’ny faritry ny
tohadrano. Ny renirano Onive dia toerana azo hatao hoe ambohim-pihaonanan’ny olona:
toeram-pilomanosana ho an’ny sasany, toeram-panasana lamba sy lovia ho an’ny
vehivavy, toerana fiasana ho an’ireo mpitrandraka volamena sy ny mpanjono.
Madagascar – Fotodrafitrasa famokarana herinara-driandrano– Sahofika Fitsirihana ny mety ho fiantraikan’ ny Tetikasa amin’ny tontolo iainana sy ny ara-tsosialy– Famintinana - version D
NEHO page 20 | 40
Ny atoandro no tena betsaka ny mampiasa sy ny mifamezivezy eo amin’ny renirano: rehefa
avy mianatra ny ankizy, rehefa miala sasatra ny mpamboly ka mijanona tsy miasa noho ny
hafanana eny antsaha, rehefa maka rano ny vehivavy handrahoana sakafo,
Ny loharano ambany tany no mameno ny lava-drano sy ny loharano avy amin’ny
tendrombohitra. Ireo lava-drano ireo dia natao ho an’ny rano fisotro madio sy ampiasaina
andavanandro. Amin’ny ankapobeny, fianakaviana iray no tompon’ny lava-drano izay
ampiasain’ny fianakaviana maromaro.
6.19 Vakoka sy toerana masina ary ireo fomba fanao
Fiarahamonina mivohy ny nentim-paharazana no tena hita ao anatin’ny faritry ny Tetikasa,
ka 90% amin’ny mponina ao no mbola mandàla ny fombafomba mampiavaka ny faritra
tsirairay. Toerana ambanivohitra ny faritry ny Tetikasa ary ny foko Merina sy Betsimisaraka
no betsaka ao, izay manaraka ny fombafomba fanao any ambanivohitry ny anfovoan-tany
sy faritra Betsimisaraka.
Ny fady sy ireo fombafomba no tena mila jerena akaiky noho izy mety hiteraka sakana
amin’ny asa izay hatao amin’ny ireo toerana ireo.
Ny toerana masina rehetra dia samy manana ny Fadiny izay hajain’ny mponina ao amin’ny
faritra (Na izay mino na izay tsy mino)
Ny fady rehetra izay tsy maintsy hajaina sy arahan’ny rehetra dia voasoratra sy voatanisa
ao anatin’ny EIES.
Toerana manan-danja ara-kolotoraly mihaotran’ny roampolo miparitaka manerana ny
faritra no voaisa ihany koa. Anisan’ny toerana ireo ny : Doany, ny Fasana, ny Toeram-
pahatsiarovana, ny Toerana arkeolojika, ny Valanjavaboary.
6.20 Fanadihadiana momba ny fifamezivezen’ny olona
Toerana efatra nazahoana manisa ny olona mifamezivezy eo amin’ny làlana mampifandray
an’Antanofotsy sy Faravohitra no napetraka.
Ny andro alatsinainy, tsena ao Belanitra no tena ahitana fifamezivezena betsaka indrindra.
Miisa 2 610 ny mpandalo amin’io andro io, raha 6 622 izy mandritra ny 7 andro, izany hoe
39%.
Nandritran’ny 7 andro nanaovana fanisana dia 39.41% na olona miisa 2 610 amin’ny 6 622
no mifamezivezy.
Ny andro zoma, tsenan’i Faravohitra, amin’ny 8ora ka hatramin’ny 11ora no tena ahitana
fifamezivezena betsaka indrindra miainga ao Antenina mankany Faravohitra, ary amin’ny
2 ora tolakandro ka hatramin’ny 5ora tolakandro ny fiverenan’ny olona miainga ao
Faravohitra mankany Antenina. Izany dia midika fa eo amin’ny telonjato eo no isan’ny olona
mifamezivezy an-tongotra amin’ny faritry ny tohadrano sy ny tahirindrano mankany amin’ny
toerana misy ny ozinina famokarana herinara-driandrano isaky ny andro zoma.
Madagascar – Fotodrafitrasa famokarana herinara-driandrano– Sahofika Fitsirihana ny mety ho fiantraikan’ ny Tetikasa amin’ny tontolo iainana sy ny ara-tsosialy– Famintinana - version D
NEHO page 21 | 40
6.21 Famaritana ara-tsosialy - Ny tambazotram-pitsinjarana herinaratra miainga ao amin’ny tohadrano mankany Antananarivo
Faritra telo, distrika efatra ary kaominina roampolo no lalovan’ny « corridor » (faritry ny
toerana nanaovana fanadihadiana)
Faritra lalovan’ny « corridor » mirefy 2km ny sakany
Faritra Distrika Kaominina Fizaràna
Alaotra Mangoro Anosibe An'ala Ambalaomby Faritra 2 : Ozina - Tohadrano - Antanifotsy
Vakinankaratra
Antanifotsy
Belanitra, Ambohitompoina, Ambatomiady, Anjahamanga, Antanifotsy
Ampitatafika, Ambohimandroso
Faritra 1 : Antanifotsy - Tàna
Sud
Ambatolampy Ambohipihaonana, Behenjy,
Andriambilany, Manjakatompo, Andravola, Ambatolampy, Tsiafajavona Ankaratra
Analamanga Antananarivo - Atsimondrano
Ampitatafika, Alatsinainy Ambazaha, Bongatsara, Ampanefy, Fenoarivo,
Soalandy, Tsiafahy, Ambalavao, Ampahitrosy, Antanetikely, Androhibe
Ny fidinana ifotony natao niaraka tamin’ny manapahefana ifotony mahakasika ny toerana
saropady dia nafahana namaoka fa 853 no isan’ireo toerana saropady manaraka ny
« corridor » miainga eo Faravohitra mankany Antananarivo, ka 431 amin’izany dia fasana,
127 dia fiangonana ary 126 dia sekoly.
Ny 37% amin’ireo tany lalovan’ny « corridor » dia ahitana voly avokoa. Ny 3.5% amin’ireo
toerana lalovan’ny « corridor » dia misy tanàna.
Ny foko Merina no akamaroan’ny mponina miaina ao amin’ny toerana lalovan’ny
« corridor », miampy ireo mpifindra monina Bestileo, Sihanaka ary Antandroy.
7 Toetry ny toerana aloan’ny Tetikasa : Ireo faritra arovana sy fantadàza maneran-tany
Ireto avy ny faritra arovana na fantadàza maneran-tany ankehitriny na izay mety ho avy
any aoriana any, ka manakaiky na ao anatin’ny faritra sy ny fotodrafitrasa rehetra ny
Tetikasa (tohadrano, làlana, fitaritana rano, tahirindrano, tambazotram-pitsinjarana, …) :
Ny valan-javaboarin’i Marolambo sy ireo faritra telo tantanin’ny « VOI » ao amin’ny
kaominin’ i Belanitra (Antenina, Fisoronana sy Befotaka) izay ao amin’ny faritra voaaro
(faritra manodidina ny afovoan’ny toerana). Ny fotodrafitrasa izay haorina ho an’ny Tetikasa
dia tsy mahakasika ny afovoan’ny valan-javaboary ;
Ny NAP (valan-javaboary vaovao) andalam-panorenana izay mbola mitondra ny sata
Koloala (fotokevi-dehibe iray ao amin’ny andri-mpitantàtanana ny ala ho an’ny
fitantatanana maharitra ny faritra misy ala ka amin’ny alalan’ny fanolorana no hahazoana
ny taratasim-pintrandràhana) ary izay mbola hatahorana ny ho fitrandrahana azy. Ny ONG
Sadabe no misahana izany NAP izany.
Ny toerana saropady izay entina hiarovana ireo karazam-borona (ZICO) ”ala voavaka ao
amin’ny renirano Onive”. Ny ONG Asity Madagasikara no fikambanana hifandraisana ho
an’io ZICO io.
Madagascar – Fotodrafitrasa famokarana herinara-driandrano– Sahofika Fitsirihana ny mety ho fiantraikan’ ny Tetikasa amin’ny tontolo iainana sy ny ara-tsosialy– Famintinana - version D
NEHO page 22 | 40
8 Toetry ny toerana alohan’ny Tetikasa: Ny zava-miaina
8.1 Asa fanisana sy fanadihadina
Ny volana oktobra 2017 dia nisy asa fanadihadiana ny tontolo iainana sy ny tontolo sosialy
izay mahakasika ny Tetikasa Sahofika natao. Izany no nahafahana nanomana ny
fanatanterahana ny EIES sy namantarana ny toetoetry ny zava-miaina ao amin’ny faritry
ny Tetikasa. Ny taona 2018, dia niampy famakafakana ara-boky, asa fampiasana saritany
hoan’ireo faritr’ala sy asa fanisana nandritra ny vanin’andro maintany sy nandritra ny
vanin’andro ny rotsan-korana.
8.2 Faritra nanaovana ny fanadihadiana ny fotodrafitrasa famokarana herinaratra azo avy amin’ny fikorian’ny rano
Ny faritra nanaovana ny fanadihadiana ho an’ny fotodrafitrasa famokarana herinara-
driandrano azo avy amin’ny fikorian’ny rano dia voafaritra toy izao manaraka izao:
o Faritra mivelatra kokoa nanaovana ny fanadihadiana izay ahitana ny Sahandriaka sy ny akamaroan’ny ambeviny ao andohan-drano sy ao am-pivalanan-drano miainga ao amin’ny toerana misy ny Tetikasa; ary koa misy ny faritra voakasika nanaovana ny fanadihadiana. Hita ao koa ny tapany atsimon’ny Sahandrikan’i Mangoro, ny faritra manan-danja ho an’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny valan-javaboary toy ny valan-javaboarin’i Marolambo sy ny faritra RAMSAR Nosivolo.
o Faritra voakasika nanaovana ny fanadihadiana izay voafaritry ny toerana ho tondraky ny rano ambon’ny Tohadrano, sy ireo faritra voakasiky ny fanorenana ny fotodrafitrasa (tohadrano, « conduite forcée », « cheminée d’équilibre » », ozinina famokarana, sns…) ary ireo faritra tapahan’ny làlana (RN7-Tohadrano sy Tohadrano-Ozinina famokarana), ireo faritra voakasika mivantana.
Faritra nanaovana fanadihadiana ny toerana hiorenan’ny fotodrafitrasa famokarana herinaratra
Madagascar – Fotodrafitrasa famokarana herinara-driandrano– Sahofika Fitsirihana ny mety ho fiantraikan’ ny Tetikasa amin’ny tontolo iainana sy ny ara-tsosialy– Famintinana - version D
NEHO page 23 | 40
8.3 Faritra nanaovana ny fanadihadiana izay voakasiky ny fanorenana tambazotram-pitsinjarana herinaratra mankany Antananarivo
Momban’ny fiantraikan’ny fanorenana ny tambazotram-pitsinjarana herinaratra eo
amin’ireo toerana na fonenana natoraly efa voaova (ampiasain’ny olona) eo anelanelan’ny
faritry ny Tetikasa (Ozinina sy tohadrano) sy Befotak ; ny fanangonana ny antontan-kevitra
dia natao nandritra ny fotoam-panisana sy fanadihadiana ny taona 2018, miampy ny
fanadihadiana sy asan-tsaritany izay natao ny taona 2019.
8.4 Fankatoavana ny antontan-kevitra voahangonana
Ho an’ny zavamaniry, ny fikambanan’ny manapahaizana manokana momban’ny
zavamaniry eto Madagasikara (GSPM) no natsoina hanome ny heviny mahakasika ny
fomba fiasa isankarazany izay nampiasaina ary koa mahakasika ny famaritana ny valim-
panadihadiana izay natao.
Momba ny biby, dia ny fikambanana Vahatra izay misahana ny momban’ny
fampandrosoana sy ny fampiofanana eo amin’ny resaka ara-tsiantifika (haiaina, tontolo
iainana ary ny fitahirizana haiana) ary manana laza nasionaly sy maneran-tany eo amin’ny
sehatrin’ny zava-miaina samihafa eto Madagasikara, kosa no voasafidy hanome ny heviny.
8.5 Fahapotehana misy eo amin’ireo rohivoahary sy ireo karazana biby sy zavamaniry
Ny fandripahana ny ala dia olana goavana eto Madagasikara, ary mitarika voka-dratsy ho
an’ny fiarovana sy fikajiana ny zava-miaina samihafa sy ny fiarovana ny rohivoahary.
Ny antony mahatonga izany dia :
o Ny fampiasana ny Tavy, izay fombam-pambolena eny amin’ireo tehezan-tendrombohitra ary ahafahan’ireo mponina mivelona.
o Ny fandripahana ny ala dia fomba ahafahan’ny tantsaha misitraka tany eny amin’ny tontolo ambanivohitra sy ireo toerana saro-dàlana.
Madagascar – Fotodrafitrasa famokarana herinara-driandrano– Sahofika Fitsirihana ny mety ho fiantraikan’ ny Tetikasa amin’ny tontolo iainana sy ny ara-tsosialy– Famintinana - version D
NEHO page 24 | 40
Faharipahan’ny ala ao amin’ny faritry ny Tetikasa teo anelanelan’ny taona 1989 sy 2018
Ireo fomba amam-panao hafa izay manapotika ireo rohivoahary dia ny asa fambolena, ny
fitrandrahana volamena sy ny fihàzana biby.
8.6 Sakana ara-boajanahary eo amin’ny fitohizana ara-ekolojika
Ny sakana ara-boajanahary eo amin’ny fitohizana ara-ekolojika, izay hateraky ny faritra
misy rano-mahery manelanelana ny tohadrano sy ny ozinina mpamokatra herinaratra, dia
antony mametra ny fitomboan’ny sasany amin’ny karazana trondro sy ny karazana krostata
lehibe (macrocrustacés), indrindra ireo karazany mpifindra monina matetika toy ny
« amphihalines ». Riana mahery vaika maro no mamaritra ireo faritra misy rano-mahery
ireo. Ireo riana mahery vaika ireo dia sakana voajanahary ho an’ny karazam-biby maro.
8.7 Endrika mamaritra ny toeram-ponenana voajanahary ambony ny tany
Ao amin’ny faritra nanaovana fanadihadiana, izay tsy mbola niharan’ny fanapahana hazo,
dia manan-danja lehibe sy anisan’ny mamaritra ny karazan’ireo zavamaniry ao anaty ala
ny hahavontany. Hita amin’izany:
o Hahavontany 50-800m: ala mando « Ombrophile » amin’ny faritra atsinanana
o Hahavontany 800-1450m: ala mando amin’ny faritra eny amin’ny toerana tsy dia avo
o Hahavontany 1450-1800m : ala mando « Ombrophile » antendrombohitra sy faritr'ala misy karazandomotra
8.8 Endrika mamaritra ny ala savoka
Ny fampiasana ny tavy sy ny fandorona tanety no antony maha simba ny ala ka mahatonga
ny fiforonanan’ny ala savoka. Ny « processus de recolonisation du milieu » (Fiverenan’ny
zavamaniry aorinan’ny tavy) sy ny « type de succession végétale » (karazana zavaminiry
Madagascar – Fotodrafitrasa famokarana herinara-driandrano– Sahofika Fitsirihana ny mety ho fiantraikan’ ny Tetikasa amin’ny tontolo iainana sy ny ara-tsosialy– Famintinana - version D
NEHO page 25 | 40
mandimby) dia tsy mitovy hoan’ ireo sahandriaka roa karazany, indrindra fa ny ao amin’ny
ilany atsinanana (Sahofika) sy ny ao amin’ny ilany andrefana (Antenina sy ny tohadrano)
9 Ny fomba fiasan’ny rohivoahary
Ny ankamaroan’ny mponina miaina ao amin’ny faritra ambony (manodidina ny tohadrano
sy ny tahirindrano, ny ala eo anelanelan’ny tohadrano sy ny ozinina famokarana) dia
tantsaha izay mamboly mandritra ny vanin’andro mando ary mitrandraka volamena
mandritra ny vanin’andro maina.
Fy fombam-piainan’izy ireo dia miankina amin’ny fitrandrahana ny loharanon-karena
voajanahary, izay hanamboarana fotodrafitrasa, hazoana angovo, hitsaboana amin’ny
alalan’ny zavamaniry, sns…
Tsy dia mitrandradraka hazo loatra ny mponina ao Faravohitra sy ao Sahofika; faritra feno
bozaka, 5km miala ny faritra misy ala. Satria miezaka ny miaina amin’ireo zavamisy ao an-
toerana ihany izy ireo: ny tranobongo na ny trano ntaolo dia mazàna vita amin’ny
tanimanga sy ny ravina.
10 Fanombanana sy ny fanalefahana ny mety ho fiantraika amin’ny zavaboary
10.1 Antanatohatry ny fanalefahana ny fiantraikany sy ireo « impacts résiduels » (Fiantraikany mbola tavela ihany)
Ny fomba voasafidy amin’ny famaritana ireo fepetra fanalefahana ato amin’ity andininy ity
sy ny manaraka dia manaraka ireo fepetra takian’ny lalàna malagasy sy ny politikan’ny SFI
ary ny BAD; izay mitaky ny fomba fanalefahana ireo fiantraikany araka izao manara izao
(amin’ny fanarahana ny lalàna Malagasy):
o Laharam-pahamehana ny fitiadiavina ny fomba hanafoanana ny fiantraikany mba hisoroana azy,
o Faharoa, raha ohatra ka sarotra ny manafoana ny fiantraikany, dia atao izay hampihena azy araky zay mety,
o Raha ohatra ka tsy mandaitra ny fepetra fanenana ny fiantraika, dia atsoina hoe « impacts résiduels » izany (izay tsy voaarina na voalefaka) ary misy fepetra fanalefahana vaovao hafa mila apetraka hanarenana izany.
10.2 Faritra hametrahana ny fotodrafitrasa
Ny faritra hanorenana ny Tetikasa dia voafaritra ao amin’ny tabilao etsy ambany. Ny
velaran’ny faritra rehetra hanorenana ny fotodrafitrasa maharitra dia manodidina ny 1 061
Ha, ka 84% amin’izany dia mifandraika amin ny fiorenan’ny ny tahirindrano. Ny làlana sy
ny fotodrafitrasa ho an’ny tambazotram-pitsinjarana herinaratra no faritra faharoa lehibe
manaraka izay (15% amin’ny totaliny)
Madagascar – Fotodrafitrasa famokarana herinara-driandrano– Sahofika Fitsirihana ny mety ho fiantraikan’ ny Tetikasa amin’ny tontolo iainana sy ny ara-tsosialy– Famintinana - version D
NEHO page 26 | 40
10.3 Faritry ny fanotofana sy ny fanatsahan-tany ary ireo toerana vonjy maika
Ny asa fanarenan-tany, ny toerana hiasana sy hanorenana fotodrafitrasa, ny faritra
fangalana fitaovana sy fitoerana akora, ny faritry ny fanotofona sy ny fanatsahan-tany dia
faritra atahorana hisian’ny fikaohan-tany sy ny hadin-driaka amin’ny fotoanan’ny orana,
noho ny fiovan’ny hantsana, ny fiovan’ny fikorian’ny rano sy ny famakian-tany vao.
Ny fifehezana ny loza mety hateraky ny fiotsahan’ny tany dia miainga amin’ny fitantanana
matotra ny faritra voakasika, manomboka ny famakian-tany vao izany ka hatramin’ny
famerenana ny zavamaniry sy ny fampandrian-tany ny toerana voakasik’izany.
Noho ny fananan’i Madagasikara toetrandro miavaka izay misy vanin’andro avy orana
miavaka, ny fampiarana ireo fomba ireo, ho an’ny Tetikasa toy ny Sahofika, dia tokony
hanaraka fandaminana sy fitantanana ny hadirin’tany sy ny potikazo, ny fanangonana azy
ireo ary ny fanaraha-maso matetika ny toeram-piasana.
10.4 Ny fiantraikany eo amin’ny toetra sy ny tosaky ny rano ambanin’ny tohadrano
Ny famenoana ny tahirindrano dia ho vita ao amina vanin’andro iray. Ny fetram-potoana
hamenoana ny tahirindrano dia miankina amin’ny fatran-drano natoraly omen’ny Onive eo
amin’ny fotoana fanombohan’ny famenoana, sy ireo mety ho sakana ara-teknika mihatra
(fanamarinana ny marin-toeran’ny fotodrafitrasa sy ny tahirindrano).
Ny fanodinana ny ampahany amin’ny fatran-dranon’ny Onive ho an’ny famokarana
herinaratra dia hampiena ny fatran-drano ny « bief court-circuité », miainga eo amin’ny
tohadrano mankany amin’ny ozinina famokarana. Fatran-drano farany ambany mirefy 5.7
m3/s no hirotsaka tsy ankiato miainga eo amin’ny tohadrano mankany amin’ny « bief court-
circuité».
Ao amin’ny faritra ambany ny ozinina famokarana, ny fampiasana ny tahirindrano mba
ampiakarana ny fatran-drano rehefa ambany ny ahavon’ny rano, dia hitarika fiovan’ny
fandrin-drano very isan-taona: ny fihenan’ny rano dia tsy dia ho hita amin’ny ankapobeny,
satria ny tahirindrano dia ho ampiasaina hitazomana ny fatran-drano very ambonin’ny 40
m3/s.
Mandritra ny vanin’andro maintany (eo ho eo amin’ny taona ray amin’ny fito), raha toa ka
mahatratra ny fatran’ny rano farany ambany azo ampiasainy ny tahirindrano, dia mety tsy
hitovy intsony ny fatran-drano voahodina, fa hiovaova mandritra ny tontolo andro.
Ny fiheban’ny fandrin’drano isanandro endrasana dia 50cm farafaharatsiny (mandritra ny
maintany, eo ho eo amin’ny taona ray amin’ny fito)
Ireo fiovaovana ireo dia ho fantarina mialoha (ny mpiasa mpiandraikitra dia hahafantatra fa
ny fiheban’ny fandrin’drano fampiasa ny tohadrano dia ho tratra) ary afaka ho
ampahafantarina mialoha ny mponina.
Mila fanarahamaso mandritra ireo taona voalohany ahafahana manamarina ny antony tena
izy sy ny toerana mety hampisy loza.
10.5 Ny fatran-drano voatokana na « débit réservé »
Voamarina fa ny fatran-drano novinavinaina (5.7 m3/s) dia mety tsara. Izany dia tokony
ahafahana mitazona ny tena anjara asan’ny renirano Onive ao amin’ny « bief court-
circuité». Ny fanarahamaso ny Tetikasa dia tokony manamafy izany, indrindra ny
Madagascar – Fotodrafitrasa famokarana herinara-driandrano– Sahofika Fitsirihana ny mety ho fiantraikan’ ny Tetikasa amin’ny tontolo iainana sy ny ara-tsosialy– Famintinana - version D
NEHO page 27 | 40
momban’ny Rheocles wrightae; ary koa hanamarinana fa tsy ho afaka hiampitàna an-
tongotra mihintsy ny renirano.
Ny fatran-drano voatokana somary latsadatsaka (ambanin’ny 4 m3/s) dia mety hazoana
vokatra mitovy, ary mety ho afaka eritreretina any aoriana, fa tsy alohan’ny fahavitan’ny
fanarahamaso ny refy 5.7 m3/s.
Ny fatran-drano voatokana tena latsaka ambany (2 m3/s na latsaka) dia tsy hazoana
mihintsy vokatra mitovy, ka mila atao izay ialana amin’izany.
Ny fatran-drano ambony dia tsy voamarina amin’izao fotoana izao, fa mety ho ilaina izany
any aoriana any raha toa ka tsy maintsy, noho ny fiovaovàna toy ny fiovan’ny toetrandro.
Noho izany ny resaka fatran-drano voatokana (5.7 m3/s), dia voamarina, ary mety hisy
fanitsiana eo anelanelan’ny 4 sy 8 m3/s any aoriana any.
10.6 Fiantraikany eo amin’ny fivezivezin’ny antsanga
Ny fiantraikany eo amin’ny fivezivezin’ny antsanga, ho an’ny tahirindrano lehibe, dia
miparitaka tsikelikely mandritra ny fotoana maro. Noho ny fomba fiasan’ny tahirindrano sy
ny haleben’ny fotodrafitrasa famokarana herinaratra, ny fivoaran’ny antsanga ao amin’ny
tahirindrano dia toy izao :
o Ireo atsanga faran’izay manify dia hijanona eny ambony ary hivarina any amin’ny lalan-drano, na any amin’ny taboaka (prises d’eau) na ao amin’ny fivarinan’ny rano avy ao anaty tohadrano (évacuateur de crues), ka tsy hijanona ao amin’ny tahirindrano.
o Ny antsanga lehibe indrindra dia hijanona eo amin’ny rambon’ny ny tahirindrano fa ny antsanga izay kelikely kosa dia hivarina any amin’ny farany ambanin’ny tahirindrano somary lavidavitra ny tohadrano arakaraky ny lanjany sy ny toetoetran’ny rano ao amin’ny tahirindrano. Ny fiovahovan’ny halalin’ny rano ao anaty tahirindrano mandritra ny taona izay mbola ho avy, dia hafahan’ny atsanga mikisaka mankeny amin’ny tohadrano, saingy hisy antsanga hafa izay ho tavela tanteraka ao anaty tahirindrano.
Ny hidin-drano izay voaomana eo anivon’ny tohadrano sy manodidina ny taboaka (prises
d’eau), dia ahafahana mamaoka ny antsanga eo akaikin’ny tohadrano mba tsy hanentsina
ny taboaka. Ny fiantraikan’ny Tetikasa eo amin’ny fivezivezin’ny antsanga dia tsy hiteraka
loza lehibe na koa loza eo no ho eo. Tsy misy fepetra fanalefahana manokana mila raisina,
kanefa dia mila harahina ny fivoarany ahafahana miantoka ny fisiana tahirin-kevitra (base
de données) mazava sy ampy tsara, mba ho entina hanarahamaso ny fivoaran’ny
fivezivezin’ny antsanga.
10.7 Fiparitahana sy fanariana ny loto (pollution)
Tabataba, vovoka, fiparitahana etona eny amin’ny rivotra: Ny asa izay hatao,
vinavinaina ho 54 volana, dia hiteraka fanamparitahana loto sy fanakorontanana toy ny
tabataba, ny vovoka sy ny famoahana etona maloto, toy ny etona avaokan’ny fiara. Ireo
fanakorontanana sy fandotoana ireo dia ho hita mandritra ny fotoana fanorenana ny
fotodrafitrasa: Raha vao manomboka ny fitrandrahana dia ho lasa kely dia kely ny tabataba,
ny vovoka sy ny famoahana etona ratsy eny amin’ny rivotra hateraky ny Tetikasa.
Ny fanenana ny risika mifandraika amin’ny tabataba, vovoka sy etona maloto eny amin’ny
rivotra dia toy izao :
o Fametrahana paikady ahafahana mampihena ny famoahana etona
Madagascar – Fotodrafitrasa famokarana herinara-driandrano– Sahofika Fitsirihana ny mety ho fiantraikan’ ny Tetikasa amin’ny tontolo iainana sy ny ara-tsosialy– Famintinana - version D
NEHO page 28 | 40
o Fanaraha-maso ny tahan’ny tabataba, ny fahatsaran’ny rivotra ary ny fanariana loto izay mifototra amin’ny fetra efa voafaritra.
Ireo fako mivaingana sy mitsiranoka : Ny toeram-piasana, izay hisy mpiasa eo mihoatra
ny arivo amin’ny fotoana tena avo indrindra, dia hamokatra fako aman-taonina maro sy
rano maloto maro (10m3)
Ny fako mivaingana sy mitsiranoka rehetra dia mila voahangona, voahavaka ary
voakarakara alohan’ny fanarina azy eny amin’ny tontolo iainana (rano maloto
voarahamaso, rano maloto avy nisàsana izay nangonina sy nodiovina, rano avy nanasana
masinina sy avy nanodinana betao izay nangonina sy nodiovina) na koa hangonina
mitambatra (fako mivaingana).
Raha toa ka mbola tsy misy fivarinan’ny rano maloto sy fanariam-pako ofisialy ao amin’ny
faritry ny Tetikasa dia mila manangana fotodrafitrasa sy fombafanao manokana izay
hanangonana sy hanadiovana izany fako izany ny Tetikasa; manomboka amin’ny
fametrahana toeram-pako (fanarina fako, toerana fivoahana,…) manerana ny faritry ny
Toerana fiasana.
Fandotoana tsy nahy: Ny toeram-piasana sy ny fotodrafitrasa mifandraika aminy dia mety
hiteraka fandotoana tsy fanahiniana ohatra amin’izany, ny fiparitahana tsy nahy ny
ankoranafo (fiparitahana menaka, fahafenoan’ny toeram-panangonana tsy voahidy tsara,
…), na koa ny fiparitahana akora mety misy poizina (loko, varinesy, …), sns. Ny fitantanana
an io risika ireo io dia ny famolavolana sy fametrahana fepetra ho entina hiarovana sy ho
entina hanarenana raha toa ka misy ny loza.
10.8 Fiantraikany mifandray amin’ny fiiovaovan’ny toetrandro
Eo anatrehan’ny fiakaran’ny hafanana, anisan’ny ny vokatra voalohany endrasana amin’ny
fiakaran’ny angovo misy ao anaty atmosfera dia ny fitombon’ny fiovaovan’ny toetrandro. Ny
fanadihadiana ny loza manokana mety hitranga mifandraika amin’ny Tetikasa Sahofika dia
natao tamin’ny fampiasana ny tahirin-kevitra sy antontanisa misy eto antoerana sy
maneran-tany, amin’ny fanarahana ny fombam-panao momban’ny fotodrafitrasa
famokarana herinara-driandrano ao amin’ny « Guide pour la Résilience au Changement
Climatique » izay novokarin’ny IHA na International Hydropower Association.
Misy fepetra momban’ny tohi-bely sy ny fanenana ny loza mety hitranga amin’ny toetrandro
izay natolotra ho an’ireo risika tsirairay izay efa voatily mialoha. Nandritra ny famaritana
ireo fepetra ireo, dia nojerena ny fivoatran’ny loza mety hitranga noho ny toetrandro: Eo
andaniny, ny fahafantarana ny faritra misy ny tetikasa Sahofika, indrindra eo amin’ny
tontolon’ny « hydrométéorologie » (fifandraisan’ny toetran’ny rano sy ny toetran’ny andro)
dia heverina fa hitombo indrindra noho ny fisian’ny Tetikasa. Etsy ankilany, ny
fahafantarana ny vokatry ny fiovaovan’ny toetrandro dia hivoatra koa mandritra ny taona
manaraka rehetra.
10.9 Ny famoahana etona mangeja hafanana na « Gaz à effet de serre »
Notombatombana ny famoahana etona ratsy mifandraika amin’ny fanorenana sy ny
fitrandrahana ny fotodrafitrasa ao anatin’ny Tetikasa Sahofika:
o Ny famoahana etona mangeja hafanana mifandraika amin’ny fanorenana dia mampiseho « Empreinte Carbonne » (fomba fandrefesana ny famoahana etona mangeja hafanana vokarin’ny olombelona) novinavinaina ho 982 014 taonina CO2eq, na koa azo refesina ho 1 hetsy taonina CO2eq.
Madagascar – Fotodrafitrasa famokarana herinara-driandrano– Sahofika Fitsirihana ny mety ho fiantraikan’ ny Tetikasa amin’ny tontolo iainana sy ny ara-tsosialy– Famintinana - version D
NEHO page 29 | 40
o Ny famoahana etona mangeja hafanana avaokan’ny tahirindranon’ny Tetikasa Sahofika dia notombanana haharitra 100 taona. Ny famoahana etona dia hita bebe kokoa mandritra ireo taona voalohany. Ny famoahana etona mangeja hafanana mitambatambatra mandritra ny 100 taona dia mitotaly ho 225 356 tCO2éq, izay ho hita mandritra ireo taona voalohany ny akamaroany.
Araky ny famokarana antsalany isan-taona izay 1570 GWh ary raha hampitahaina amin’ny
« mix énergétique» antsalany eto Madagasikara ankehitriny, ny fotodrafitrasa famokarana
herinaratra ao Sahofika dia hahafahana misoroka 7.14 hetsy taonina na CO2eq mandritra
ny folo taona voalohany.
10.10 Fiantraikany eo amin’ny kalitaon’ny rano
Ny fanadihadiana ny kalitaon’ny rano izay natao nandritra ny EIES dia namaoka
fangatahana ara-biolojika sy ara-tsimika na oksizena voamarika, ary koa fihazonana
otrik’aina (nitrates sy phosphates) ampy tsara ahafahana mandray anjara amina tranga na
« eutrophisation » (tsy fitovian’ny otrik’aina miangona ao amin’ny faridrano iray) izay mety
hiseo. Amin’ireo otrik’aina ireo dia hiampy an’ireo izay hateraky ny fahasimban’ny
(fahaloavana) akora (biomasse) izay taraiky milona ao anaty tahirindrano. Ny fanavaozana
tanteraka ny rano ao anaty tahirindrano, in-betsaka mandritra ny taona (eo amin’ny 25 isan-
taona eo) dia ahafahana misakana ny « eutrophisation » manerana sy maharitra ny
ranon’ny tahirindrano. Na izany aza, ny tahirindrano, noho ny firafiny dia manana faritra
izay tsy ahafahan’ny rano miovaova na mifamoivoy, ka mety ho hisian’ny « eutrophisation »
ao aminy noho izany. Mba hanenana ny mety ho fisian’ny tranga na « eutrophisation », dia
hisy fanapahana ny zavamaniry ao amin’ireo faritra tena rakotra zavamaniry, alohan’ny
famenoana rano ny tahirindrano.
Hisy koa fanarahamaso ny kalitaon’ny rano ao anaty tahirindrano sy ny rano ao ambanin’ny
ozinina.
10.11 Fivakisan’ny tohadrano
Noho ny filàn’ny EIES, ny vokatry ny mety ho fivakisan’ny tohadrano dia notombanana
tamin’ny alalan’ny modely nomerika momban’ny fikorian’ny rano mifanesisesy vokatry ny
fivakisan’y tohadrano. Ny modely «unidimensionnel transitoire » no nampiasaina
tamin’izany.
Tondra-drano « centenale » (izay mety hitranga indray mandeha ao anatin’ny zato taona)
no nampiasaina ho fepetra iaingana ka nahafahana nijery fa faritra fonenana maro no
miharihary ka mety ho voatondraka, mialohan’ny fandalovan’ny onja fivakisan’ny tohadrano
raha toa ka sanatria misy izany.
Ny fandalovan’ny onja fivakisan’ny tohadrano dia haingana (ora vitsy monja), ary noho ny
fahatsaran’ny toetrandro eto Madagasikara, ny fifehezana mba tsy hampisy ny voina dia
ny famindrana haingana dia haingana ny mponina raha toa ka misy izany fivakisana izany.
Noho ny tsy fisiana rafitra mamehy ny fiarovana ny sivily eto Madagasikara, dia hametraka
rafitra sy fomba fanairana amin’ny vonjy taitra ny Tetikasa hahafahan’ny mponina
voakasika mialoka sy mifindra ra sendra misy tondra-drano mahery miavaka, izay mety ho
voajanahary na koa vokatry ny olana na fivakisan’ny tohadrano. Ny loza hafa mety hitranga
hateraky ny mety ho fahavakisan’ny tohadrano izany dia honerana amin’ny alalan’ny
fanenàna ny fiariharin’ny mponina (ireo izay tena mety ho voakasika akaiky) amina tondra-
drano voajanahary.
Madagascar – Fotodrafitrasa famokarana herinara-driandrano– Sahofika Fitsirihana ny mety ho fiantraikan’ ny Tetikasa amin’ny tontolo iainana sy ny ara-tsosialy– Famintinana - version D
NEHO page 30 | 40
Io fomba fanairana amin’ny vonjy taitra io dia hilavana fomba fifandraisana: Ny vahaolana
ho entin’ny Tetikasa dia ny fampiasana ny karazana antso an-tariby VHF (na mitovy),
ahafahana manambatra ny fomba fanairana amin’ny vonjy taitra sy ny fanalana ny olona
amin’ny fitokana-monina amin’ny alalan’ny firesahana an-tariby.
11 Tombana sy fanalefahana ireo fiantraikany ara-tsosialy
11.1 Fepetra mifehy ny asa
Ireo fitera-pahavoazana lehibe indrindra mety hitranga, voafehin’ ireo fepetra takian’ny asa
mandritra ny fananganana sy ny fitrandrahana, dia mifandraika amin’ny asa tsy manara-
dalàna na tsy fanajàna, izay mety mitranga mandritry ny fampiasana mpandraharaha hafa
(miasa ho’n’ny Tetikasa) na « sous-traitant ». Ny fanajàna ireo lalàna malagasy sy ireo
fepetra voalazan’ny SFI sy ny BAD dia tsy maintsy tanterahina sy arahamaso ho an’ny
mpianto-draharaha rehetra izay miasa ao amin’ny Tetikasa. Marihina fa ny taona
farafahakeliny ahafan’ireo olona miasa ao amin’ny Tetikasa dia 18 taona (Ny lalàna mifehy
ny asa dia mametra izany ho manomboka amin’ny 15 taona no miakatra).
11.2 Fahasalamana sy fiahiana ireo mpiasa
Ny dingana arahina amin’ny fanorenana asa-vaventy dia iompanan’ny paika maro izay
samy manana ny mampiavaka azy, miaraka amin’ny loza mety aterany avy.
Betsaka ny asa eo amin’ny toeram-piasana fanorenana izay mety hitera-doza satria tsy
afaka manao fahadisoana na kely aza, na mety hiteraka vokatra ratsy, toy ny: Asa fiakarana
ambony, asa mahakasika ny fandavahana tany na amin’ny toerana tery, asa atao amin’ny
herinaratra, asa eo amin’ny fikirakirana zavatra misy tsindry mafy, asa atao eo ambony na
ao anaty rano, asa fampiasana zavatra mipoaka, asa fikirakirana milina fanaovana
fotodrafitrasa mavesatra.
Mandritra ny fanorenana, ny EPC no tompon’andraikitra misahana ny fandaminana sy
fitantanana ny fiteraha-pahavoazana eo amin’ny fahasalamana sy ny fiahiana ao amin’ny
faritra ametrahana ny milina sy ny faritra anaovana ny asa vaventy: ireo olona rehetra
miditra ao amin’ny toerana fiasàna (mpiasa, mpamatsy kojakoja, mpivahiny, mpiasan’ny
NEHO…) dia tsy maintsy manaraka ireo fitsipiky ny EPC, izay tsy maintsy mila
hampafantarina mazava an’ireo olona ireo araka izany. Ny EPC dia manomana ny « drafitra
Fahasalamana-Fiahiana ho an’ireo mpiasa » ka ny tanjona amin’izany dia ahafahana
mampihena na manala mihitsy ny mety ho fiteraha-pahavoazana amin’ny loza. Izany dia
ho fenoina amin’ny « Drafitra ho an’ny Fisorohana sy ny Fitantanana ny Hamehana »
hahafahana mametraka ny fomba hitantanana tranga na hamehana izay mety hitranga.
Ny mombamomba ireo drafitra roa ireo dia voazava amin’ny andininy manaraka etsy
ambany.
Ny EPC dia manomana drafim-pitantànana ny fiainana eo amin’ny toerana sy ny trano
fonenan’ireo mpiasa mba hananan’izy ireo fiainana tsara sy mirindra
11.3 Ny fiarovana ireo mponina
Tsy azo andehanan’ny olon-tsotra ny faritra hitoeran’ny fitaovana fiasana sy ny akora
famokarana ary ny toerana hanorenana ny fotodrafitrasa mandritra ny fanorenana. Ny tena
fiteraha-pahavoazana ho an’ny filaminam-bahoaka dia mifandraika amin’ny fifandraisan’ny
Madagascar – Fotodrafitrasa famokarana herinara-driandrano– Sahofika Fitsirihana ny mety ho fiantraikan’ ny Tetikasa amin’ny tontolo iainana sy ny ara-tsosialy– Famintinana - version D
NEHO page 31 | 40
sarababem-bahoaka sy ny Tetikasa manoloana ny fampiasaina ny Tetikasa ny fananam-
panjakana. Ny fampiasan’ny fiaran’ny Tetikasa ny làlam-panjakana, ny fahasorenana
ateraky ny lozam-pifamoivoizana mety hitranga amin’ olon-tsotra no fitera-pahavoazana
tena atahorana amin’izany. Ny fanenàna ny fitera-pahavoazana ateraky ny lozam-
pifamoivoizana mandritra ny fotoana fanorenana ny fotodrafitrasa, dia mila fametrahana
rafim-pitantanana manokana etsy andaniny, ary fepetra hanenàna ny fifanenana amin’olon-
tsotra eny amin’ny làlana izay eo ambany fanaraha-mason’ny Tetikasa etsy ankilany.
Ny risika ho an’ny filaminam-bahoaka, mandritra ny fotoam-pitrandrahana, dia voafehin’ny
asam-pitrandrahana ny toeram-pamokarana herinaratra, indrindra ireo fiovaovana
haingan’ny fatran-drano izay mety hitranga ao ambanin’ny tohadrano na ny ozinina
famokarana herinaratra.
11.4 Ny fahasalaman’ny mponina
Mandritra ny fotoana fanorenana, ny fitera-pahavoazana voalohany ho an’ny
fahasalaman’ny mponina dia mahakasika ny (i) Ny mety fitombon’ny fiantraikan’ny aretina
SIDA sy ny aretina mifindra amin'ny alalan'ny firaisana ara-nofo(ii) Ny tsy fahasalamana
vokatry ny mety fisian’ireo tànana vaovao miforina tsizarizary sy tsy manaraka ny fenitra na
maloto (aretin’ny tsinay, fivalanana, « choléra ») izay fanorenana fonenana tsy manara-
dalàna mety hataon’ireo mpanararaotra (iii) Ny fiharihariana manoloana ireo karazana
fanakorotanana izay vokatry ny asa eo amin’ny toeram-piasana (tabataba, vovoka, etona
maloto mankany amin’ny rivotra), indrindra ny manaraka ny faritry ny làlana hifamoivoizana;
izay mety hanimba ny torimaso na koa mety hapitombo ny aretin’ny fahasemporana.
Mandritra ny fotoana fitrandrahana, ny fitera-pahavoazana voalohany ho an’ny
fahasalamana mety hitranga dia ny fivoaran’ny aretina azo avy amin’ny rano.
Ireo karazana fepetra entina hanentanana, hisorohana sy hanarahana ny mety ho fitera-
pahavoazana eo amin’ny fahasalaman’ny mponina dia voarakitra ao amin’ny EIES.
11.5 Asa ateraky ny Tetikasa sy ny fitombon’ny mponina
Ny fanorenana ny fotodrafitrasa ao Sahofika sy ny fiorenan’ny tahirindrano dia hiteraka
fahatongavana mpiasa vaovao ao amin’ny Tetikasa, na koa mpifindra monina mitady
tsenam-barotra vaovao. Amin’ny ankapobeny, ireo mpifindra monina ireo dia olona nandao
ny fiainana mety neveriny ho tsizarizary na tsy dia mahaliana loatra, ary hifindra monina ao
amin’ny faritry ny Tetikasa noho izy ireo voaray hiasa ao, na koa noho ny fahitàna fotsiny
na fiheverana fa mety hisy tombontsoa ao na asa izay mifandray amin’ny Tetikasa kanefa
tsy mbola azo antoka akory.
Ny filàn’ny Tetikasa asa-tànana, izay novinavinaina ho asa tsy mila marim-pahaizana
manokana izay aman-jatony, dia tombony ho an’ny mponina ao amin’ny tànana izay ao
anatin’ny faritry ny Tetikasa sy ny tànana manodidina ; noho ny fahazoana fidiram-bola eo
ankilany, na koa amin’ny fahazoana traikefa noho ny fiasana amin’ny fananganana
fotodrafitrasa lehibe manara-penitra eo andaniny.
Ny fitombon’ny mponina dia mety hiteraka fitera-pahavoazana (risques) maromaro :
o Tsy fandriam-pahalemana, fivarotantena, herisetra atao amin’ny vehivavy
o Olana ara-piarahamonina
o Olana arak’asa
o Olana amin’ny fananan-tany
Madagascar – Fotodrafitrasa famokarana herinara-driandrano– Sahofika Fitsirihana ny mety ho fiantraikan’ ny Tetikasa amin’ny tontolo iainana sy ny ara-tsosialy– Famintinana - version D
NEHO page 32 | 40
o Fitombon’ny tsindry mahazo ny loharanon-karena voajanahary
o Ny mety famoronana fonenana (fifindran-toerana) eny amin’ny tanin’ny Tetikasa
o Fitombon’ny tsindry eo amin’ny sampan-draharaha ho an’ny mponina
o Fiovan’ny fomba fiaina
Ny fepetra fanenàna sy fitantànana ny mety ho fitera-pahavoazana izay vovinavina ao
anatin’ny EIES dia :
o Fanaraha-maso ny fitombon’ny mponina ao amin’ny faritra isaky ny telo volana
o Fanentanana ny mponina amin’ny olana ara-pahasalamana sy ny herisetra atao amin’ny vehivavy
o Fametrahana fomba fandraisana mpiasa mazava tsara sy mitovy, miaraka amin’ny fametrahana birao manokana misahana ny fandraisana mpiasa, mba hialana amin’ny fivangongoan’ny mpitady asa eny amin’ny toeram-piasana.
o Fanampiana ny fanatsarana ny fotodrafitrasam-panjakana
o Fanentanana amin’ny fombafanao ara-kolotoraly eny amin’ny faritra
o Fanamafisana ny fiarovana ny valanjavaboary
11.6 Fiantraikany ara-kolotoraly
Ny mety ho fitera-pahavoazana mifandraika amin’ny fiantraikany ara-kolotoraly, dia
voafehin’ny mety fisavàna arkelolojika; ary koa ny fitantanana tsara ny fifandraisan’ny
toeram-piasana hanorenana fotodrafitrasa sy ny toerana saro-pady ary ireo fasana eo
amin’ny faritra. Momban’io teboka farany io dia ny fotodrafitrasa mahakasika ny
fanamboaran-dàlana sy ny tambazotram-pitsinjarana herinaratra no tena atahorana. PAR
dia mamaritra ny mety ho fitera-pahavoazana sy ny rafitra fitsinjovana ny faritry ny
tahirindrano sy ny tohadrano.
11.7 Fiantraikany sy fanalefahana ny fiantraikan’ireo tranga mahakasika ny fanamboarana ny tambazotram-pitsinjarana herinaratra (Corridor 2km)
Satria mbola tsy fantatra mazava ny toerana hametrahana ny tambazotram-pitsinjarana
herinaratra ao anatin’ny « corridor » 2km (refin’ny sakan’ny faritra nohadihadiana), ny
Tetikasa dia hanatsara, eo amin’ny endriny ara-teknika sy ara-tsosialy ny soritra mazava
hametrahana ny tambazotram-pitsinjarana herinaratra. Mba hampiena ny fiantraikany ara-
tsosialy sy ny ara- toekarena, eo anelanelan’i Belanitra sy Antananarivo.
Madagascar – Fotodrafitrasa famokarana herinara-driandrano– Sahofika Fitsirihana ny mety ho fiantraikan’ ny Tetikasa amin’ny tontolo iainana sy ny ara-tsosialy– Famintinana - version D
NEHO page 33 | 40
12 Fitsirihana sy fampienana ny fiantraikany eo amin’ny tontolo iainana
12.1 Fitsirihana sy ny fampienana ny fiantraikany eo amin’ny tontolo iainana an-tanety
12.1.1 Fahaverezana-fahasimbana-fanakorontanana misy eo amin’ny toeram-ponenana voajanahary
Io karazana fiantraikany io dia mikasika ny toeram-ponenana voajanahary izay hanorenana
na akaiky ny Tetikasa.
Ny faritra tena lehibe indrindra ho voakasika raha ny fivelarany no jerena dia ny faritry ny
tahirindrano izay hanova ny faritra ho faritra anaty rano.
Ny làlana fifamezivezena sy ny tambazotram-pitsinjarana herinaratra eo anelanelan’ny
tohadrano sy ny ozinina famokarana, ao anatin’izany ny fidirana ao amin’ny «cheminée
d’équilibre » (fotodrafitrasa iray manampy amin’ny fampidinana sy fampiakarana ny fatran-
drano eo anelanelan’ny tahirindrano sy ny tohadrano) dia anisan’ny mandalo ihany koa ao
amin’ny faritry ny ala izay voasokajy ho toeram-ponenana voajanahary izay heverina fa
saropady satria : (i) izy ireo dia honenana karazana zavamananaina tena saropady eo
amin’ny lafiny ara-ekôlojika, ary (ii) izy ireo izay efa tandindomin-doza sahady noho ny
fandripahana ny ala sy ny fitrandrahana betsaka loatra ireo loharanon-karena voajanahary
ao miny
Ireo asa fanorenana izay hatao dia hiteraka fahaverezana fanampiny ho an’ireo toeram-
ponenan’ny zavaboary ireo.
12.1.2 Fanapariahana sy fahamafisan’ny loza mananontanona ny biby sy ny zavamaniry
Ny fisokafan’ny làlana fifamezivezena (mankany amin’ny tohadrano, sy ny eo
analenelan’ny tohadrano sy ny ozinina famokarana), ny fitombon’ny mponina noho ny
fahatongavan’ny mpiasan’ny Tetikasa ary ny mpifindra monina dia mety hiteraka voka-
dratsy ho an’ny biby sy ny zavamaniry.
Hisy fiakaran’ny filàna loharanon-karena voajanahary avy amin’ny mponina ary mety hisy
koa ny tsy fanajana ny rohivoahary sy ny zava-miaina samihafa ara-écolojika avy amin’ireo
olona mety hampiasa ny làlana namboarin’ny Tetikasa.
12.1.3 Fiantraikany eo amin’ny karazana / santionana zavamaniry sy biby
Ireo loza mety hitranga ho an’ny karazana sy ny santionana zava-miaina dia :
o Fahapotehan’ny biby sy ny zavamaniry mandritra ny asa fanorenana.
o Fandosiran’ny biby noho’ny fanakorontanana mifandraika amin’ny Tetikasa (fiantraikany ara-bàtana)
o Fididirana sy fampiroborobona zava-miaina avy any hivelany izay mety hanenika ny toerana onenana
o Loza ateraky ny fifandonan’ny karazana vorona amin’ny tambazotram-pitsinjarana mitondra herinaratra.
Madagascar – Fotodrafitrasa famokarana herinara-driandrano– Sahofika Fitsirihana ny mety ho fiantraikan’ ny Tetikasa amin’ny tontolo iainana sy ny ara-tsosialy– Famintinana - version D
NEHO page 34 | 40
12.1.4 Fepetra fisorohana sy fanenana ny loza mety hitranga
Ireto avy ny fepetra hoentina hisorohana sy hanenàna ny loza mety hitranga amin’ny
toeram-ponenana voajanahary sy ny karazana biby sy zavamaniry voatanisa ka ho
arahan’ny Tetikasa :
o Fandaharan’asa fampafantarana sy fanentanana ny mponina ary koa ny mpiasa. Izany dia ho volavolain’ny mpitantana sy ny tomponà antok’asa ao amin’ny faritra fitahirizana ny tontolo iainana.
o Fisorohana araky izay azo hatao ny toeram-ponenana voajanahary sy saropady mandritra ny fametrahana ny soritra tena izy ny làlana sy ny tambazotram-pitsinjarana herinaratra ary ny toerana vonjimaika izay hapetraka ao amin’ireo faritra tena saropady.
o Fepetra fiarovana ny « continuum écologique » (toerana hivelaran’ny ny biby) ho an’ny biby :
• Ny tambazotram-pitsinjarana herinaratra dia ho alevina ambany tany ho an’ilay soritra manapaka ny ala (sakany lehibe), izay mahatratra 1.6km, (ny toerana tena izy dia ho amafisina mandritra ny fanadihadiana lalina izay hatao).
• Ny sakan’ny làlana (ny faritra handehanan’ny fiara) dia ho ferana ho 5m ao amin’ireo faritra misy ala, mba hitsinjovana araky izay azo hatao ny fivoaran’ny « canopée» (faritry ny ala avy eny ambony ary azon’ny masoandro indrindra)
• Ny fifamezivezen’ny fiara amin’ny alina (anelanelan’ny 8 ora alina sy 6 ora maraina) amin’ny làlana mampitohy ny tohadrano sy ny ozinina famokarana dia ho voarara ho an’ny asa mahazatra andavanandro na ny asa ho an’ny ny fitrandrahana akoatran’ny fifamezivezena natokana ho an’ny vonjy taitra na ny toe-javatra miavaka sy tampoka ihany.
o Fisorohana na fanenana ny fiantraikany amin’ny zavaboary (biby sy zavamaniry) izay manana fanamby aram-pikajiana bebe kokoa.
• Ny fitiliana, famaritana sy fitadiavana ny toerana marina misy ny karazana zavamaniry voaaro na izay miteraka toeram-pihariana atahorana ho simba ho fisorohana izany, mandritra ny fanorenana ny fotodrafitrasa ao amin’ny faritry ny ala.
• Fampifanarahana araky izay azo hatao ny faritra voakasika sy ny asa mety hisy fiantraikany mba hisoroana ny fahavoazana.
• Tevy ala sy fanapahana hazo misesisesy aorinan’ny fanorenana tanteraka ny fotodrafitrasa izay manapaka ny faritry ny ala, mba hampitsaoka ny biby. Ny hazo lehibe izay voamarika misy ny sakafo sy ny toeram-ponenan’ny gidro na « lémuriens » dia mila hialàna.
• Fanalefahana ny loza mety hitranga amin’ny fanitsahana ny biby (fandaminana ny fifamoivoizan’ny fiara, famerana ny hafainganam-pandeha sy fanentanana ny mpamily)
o Ady amin’ny fampidirana sy fanapariahana karazana zava-miaina mora mianaka avy any ivelany ka mety hanenika ny toerana.
o Fialàna amin’ny fampiasàna ireo loharanon-karena voajanahary eo an-toerana.
o Fandraràna ny afo sy fanenana ny mety antony mahatonga fandorona.
o Fanampiana sy fanarahana ny ireo tomponandraika misahana ny faritra manana sata miaro ny harena voajanahary. Ireo fepetra ireo dia ho velabelarina amin’ny antsipiriany miaraka amin’ireo vondrona voakasik’izany (DGEF sy DREF).
o Fanalefahana ny loto sy fanelingelenana vokatry ny jiro sy ny hazavana.
Madagascar – Fotodrafitrasa famokarana herinara-driandrano– Sahofika Fitsirihana ny mety ho fiantraikan’ ny Tetikasa amin’ny tontolo iainana sy ny ara-tsosialy– Famintinana - version D
NEHO page 35 | 40
o Fiarovana ny zavamanaina CITES sy ady amin’ny fihazana biby.
o Fanenana ny mety ho fifandonana amin’ny tambazotram-pitsinjarana herinaratra (fampiasana marika).
12.1.5 Fepetra fanonerana mikasika ny faritra an-tanety
Ny fenitra napetraky ny SFI sy ny BAD dia mitaky ny tsy hitondran’ny Tetikasa fanimbàna
tanteraka ny zava-miaina samihafa (toeram-ponenana voajanahary) ary ny famokarana
tombony ho an’ny karazana zava-miaina sy ny toeram-pihariana natoraly ahiana ho
fongana. Noho ireo fepetra rehetra takiana ireo, ary noho ireo fiantraikany mety tsy
voaarin’ny Tetikasa (impact résiduel) taorinan’ny fepetra fisorohana sy fanalefahana ny
mety ho loza voatanisa etsy ambony, dia ilaina ny fametrahana fepetra fanorenana ho an’ny
zava-miaina samihafa an-tanety.
Ireto avy ny fepetra voalaza:
o Famerenana ny faritra simba ao anatin’ny ala : Ny ezaka famerenana ny ala novinavinaina dia hahakasika ny velaran-tany mitovy, na in-droa ny velaran’tany tena voakasika (432 ha, raha toa ka voamarina fa 261 ha no ho voakasika)
o Fanampiana amin’ny fikajiana ny ala voajanahary ao amin’ny NAP Tsinjoarivo sy ny valan-javaboarin’i Marolambo : Ny Tetikasa dia handray anjara amin’ny fametrahana ny NAP ao Tsinjoarivo sy amin’ny fiarovana ny valan-javaboarin’i Marolambo. Ny fampiharana mazava an’io fandraisana anjara io dia mbola ho faritana, miaraka amin’ireo mpitantana ny valan-javaboary sy ireo karazana vondrona voakasika (anisan’izany ireo manamahefa mahatapa-kevitra), araky ny fanombanana ny fahaverezan’ny toeram-ponenana ahiana ho fongana.
o Fandaharanasa fambolen-kazo ao amin’ny « zones de transfert de gestion » (faritr’ala tantanin’ny VOI): Aorinan’ny fanavaozana ny làlana mankany amin’ny toerana fitrandrahana ny fotodrafitrasa, dia hisy mponina vaovao endrasana ho avy ao amin’ny faritra, ankoatran’ireo mponina izay ho afindra toerana. Izany fahatongavana mponina vaovao izany dia ampiakatra ny filàna hazo, indrindra ireo izay ho ampiasaina anaovana fotodrafitrasa sy ho ampiasaina amin’ny andavanandro.
12.1.6 Fepetra fanarahamaso ara- ekôlojika
Ny fotoana fanorenana sy fampitaovana ny fotodrafitrasa dia haharitra taona maro ary
hiteraka fahapotehana sy/na fitotongan’ny toerana fonenana voajanahary sasatsasany.
Noho ireo antony ireo dia misy fanarahamaso ara-ekôlojika mila tanterahana ahafahana
manadihady ny fivoarana sy ny fiovan’ny toerana onenan’ny biby sy ny zavamaniry izay
tena miavaka.
12.2 Fitsirihana sy fampienana ny fiantraikany eo amin’ny tontolo iainana anaty rano
12.2.1 Toetoetry ny fiantraikany
Eo anivon’ny tahirindrano izay ao ambonin’ny tohadrano, ny Tetikasa dia hiteraka fiovan’ny
toetoetran’ny renirano sy ny toerena onenan’ny biby sy ny zavamaniry anaty rano. Ireo
karazana fikorian’ny rano ao amin’ny renirano dia hiova ho farihy.
Ny fisian’ny tohadrano dia sakana ho an’ny fitohizana ara-ekolojika. Ireo karazana biby
mpifindra monina dia mety tsy ho afaka hamonjy ireo faritra ao ambonin’ny tohadrano
Madagascar – Fotodrafitrasa famokarana herinara-driandrano– Sahofika Fitsirihana ny mety ho fiantraikan’ ny Tetikasa amin’ny tontolo iainana sy ny ara-tsosialy– Famintinana - version D
NEHO page 36 | 40
intsony. Karazany efatra (04) no voakasika, fa raha oharina amin’ny isany mitambatra, dia
tsy atahorana hahafongana azy ireo ny fanorenana ny tohadrano, kanefa izany dia singa
fanampiny iray mety hiparitahan’ny toerana onenan’ireo karazana biby ireo sy mety
hampiena ny isany.
Ireo karazana biby tsy mpifindra monina, indrindra ireo karazana biby ahiana ho fongana
sy misy fanamby goavana toy ny Rheocles wrightae sy ny Astacoïdes caldwelli, dia tsy
voakasik’io olana io. Ny Rheocles wrightae dia tsy karazana biby mpifindra monina ka afaka
miaina mandra-pahafatiny ao amin’ny faritra ambanin’ny tohadrano ary ao amin’ny
zanadrenirano ho an’ny « Astacoïdes caldwelli ».
Ny fampihenana ny fatran-drano ao amin’ny faritra ambanin’ny tohadrano dia hiavaka
amin’ny vanin’andro maintany, raha ny fatran-drano voatokana (5.7 m3/s) irery ihany no
hivarina ao amin’ny « bief court-circuité ». Ny fidinan’ny fatran-drano dia hitarika ny
fihenan’ny toerana onenana anaty rano ao amin’izay faritry ny rano voakasika. Kanefa, ny
karazana zava-miaina ahiana ho fongana misy fanamby goavana dia tsy hita afa-tsy ao
amin’ny faritra farany ambany ny « bief » voakasika ihany, satria izy ireo dia tsy afaka
mamakivaky ireo rano-mahery. Ny fiovaovan’ny fatran-drano ao amin’ny faritry ny renirano
ambanin’ny ozinina famokarana herinara-driandrano, nohon’ny fomba fiasany, dia mety
hanakorontana ireo karazana zava-miaina anaty rano; kanefa tsy hisy fiantraikany ratsy
tena misondadina izany. Ka noho izany dia mila manao fanarahamaso ahafahana
manatsara ny fahafantarana ekolojika ireo karazana zava-miaina tena mora simba.
12.2.2 Firongatry ny karazana zava-miaina mora mianaka avy any ivelany
Ny fiorenan’ny tahirindrano dia hanome vahana ny karazana zava-miaina tsy dia mila
fomba fihariana manokana ary afaka mitombo isa haingana, indrindra ireo karazana zava-
miaina mora mianaka toy ny karpa izay atsoina hoe « carpe commune »
Ny karazana foza an-dranomamy dia ahitana fihenany eo amin’ny sehatra nasionaly, etsy
andaniny nohon’ny fahasimban’ny toerana onenany, ary etsy ankilany noho ny fampidirana
karazana biby avy any ivelany manenika ny toerana onenany ary koa ny fanjonona azy ireo
atao fihinana na hamidy.
Ny fanentanana ny mpanjono mba hanjono araky izay azo atao ireo karazana biby avy any
ivelany dia efa voahomana ao anatin’ny fanatanterahana ny Tetikasa.
12.2.3 Ny fahafatesan’ny biby miaina anaty rano eo amin’ny faritry ny fotodrafitrasa
Ny taboaka (prise d’eau) eo anivon’ny tohadrano dia mety hitarika trondro mankany amin’ny
« conduite forcée » ary avy eo mankany amin’ny « turbines », ka ho faty izy ireo nohon’ny
haavon’ny riana sy ny karazana « turbine » izay ho ampiasaina. Tsy mifidy ny halebehany
na ny taonan’ny trondro izany.
Izany fiantraikany izany anefa dia tsara marihina sy azavaina tsara satria ny haavon’ny
taboaka izay novinavinaina dia 33m ambanin’ny haavon’ny rano eo amin’ny tahirindrano
(haavo « Normale »).
Noho izany, ny trondro dia tsy hivelona sy tsy ho voatarika mankany amin’ny ranon’ny
« turbines » raha tsy amin’ny vanin’andro tena maina, rehefa ambany ny rano anaty
tahirindrano. Sady tsy misy karazana trondro hanaovana fanamby na fikajiana manokana
ao amin’ny Onive raha ny faritra ambonin’ny tohadrano no jerena.
Madagascar – Fotodrafitrasa famokarana herinara-driandrano– Sahofika Fitsirihana ny mety ho fiantraikan’ ny Tetikasa amin’ny tontolo iainana sy ny ara-tsosialy– Famintinana - version D
NEHO page 37 | 40
12.2.4 Fepetra fisorohana sy fanenana ny loza mety hitranga
Ny fanandramana sy famenoana tsikelikely ny tahirindrano no hatao alohan’ny
fitrandrahana ny fotodrafitrasa. Mandritra ny famenoana voalohany ny tahirin-drano, dia
hisy fanandramana miaraka amin’ny fatran-drano voatokana izay efa voatondro. Mandritra
io fotoana fanandramana io dia hisy fijerena ny « bief court-circuité » sy ny faritry ny
renirano ambanin’ny ozinina mba ahafahana manamarina ny fizohin’ny fikoriana sy
hamantarana ny fiavahana mety hiseo. Misy « ichthyologues » (Manampahaizana
manokana momban’ny trondro) hiara hiasa mandritra io fotoana fanandramana io.
Ny fitazomana ny fatran-drano voatokana mandritra ny fotoana rehetra dia manan-danja
amin’ny fitahirizana ny zava-miaina anaty rano ao amin’io faritra atsoina hoe « tronçon
court-circuité » io. Ny taha voasafidy (5.7 m3/s) mandritra io fotoana io dia ahafahana
miantoka ny fikorinana tsy tapaka ka hamorona karazana ony kelikely nohon’ny Onive.
12.2.5 Fepetra fanonerena mikasika ny faritra misy rano sy ony
Ireo fepetra ireo dia mikasika ny karazana zava-miaina izay misy fanamby na fikajiana
manokana. Tafiditra ao anatin’izany ny:
o Fandalinana sy fizarana ny fahalalana momban’ny Rheocles wrightae sy ny Rheocles sp. Ambatovy. Io fepetra io dia tsy maintsy tanterahina mialohan’ny tetikasa fanarenana rehetra mahakasika ny karazana zava-miaina. Ny fandalinana ny ara-boky dia nahafahana namaritra ny tsy fahampian’ny fahalalana ny momban’ireo karazana zava-miaina ireo.
o Fiadiana mazava sy mifanaraka amin’ny karazana zava_miaina avy any ivelany mora mianaka
o Fanentanana ny mponina eo an-toerana mba hanjono na haka ny karazana biby mora mianaka avy any ivelany (EEE) fa tsy ny karazana biby ahiana ho fongana (R. wrightae) na ny foza andranomamy.
12.2.6 Fandaharan’asa ho an’ny zava-miaina
Ho fanampiny ireo fepetra fanalefahana izay voalaza etsy ambony, dia misy
fandaharan’asa ho an’ny zava-miaina (PAB) homanina eo anivon’ny Tetikasa mba ho
fiantohana sy fanamarinana ny tsy fisian’ny fahaverezan’ny zava-miaina tanteraka (sy ny
tombony mety ho azo) ho an’ny karazana izay mila fanadihadiana ny momban’ny toerana
onenany ka ahiana ho fongana araky izay voatanisa ao amin’ny EIES.
Ny PAB dia mandritra ny fotoana fanorenana sy ny fotoana fitrandrahana. Izany dia ho
volavolaina ho fanohizana ny EIES ary ahitana ny :
o Ny tety andro sy famakafakana amin’ny ankapobeny ny asa izay mifanaraka amin’ny fiarovana ny zava-miaina.
o Ny tety andro sy fepetra fanohanana ny famoronana ny NAP ao Tsinjoarivo.
o Ny famaritana amin’ny antsipiriany ny vondrom-pitantanana izay nampidirina tao amin’ny EIES
o Ny fanombanana ny fahaverezan’ny toerana onenana voajanahary ahiana ho fongana sy ny mety hahapotika ny zava-miaina na dia efa misy aza ireo fepetra fanalefahana voasoritra ao anaty EIES, araky ny karazany na araky ny « taxon » (fikambanan’ny zava-miaina araky ny filaharany ao amin’ny zavaboary) raha mahaliana izany.
Madagascar – Fotodrafitrasa famokarana herinara-driandrano– Sahofika Fitsirihana ny mety ho fiantraikan’ ny Tetikasa amin’ny tontolo iainana sy ny ara-tsosialy– Famintinana - version D
NEHO page 38 | 40
o Ny karazana fepetra fanalefahana fanampiny sy ny fanarahamaso ahafahana manamarina ny tsy fisiana fahaverezana tanteraka, izay voafaritra niaraka tamin’ireo mpitantana / tompon’ny valan-javaboary manakaiky ny Tetikasa, ary koa miaraka amin’ireo vondron’ny fiarahamonim-pirenena miasa ho an’ny fikajiana ny karazana zava-miaina eto Madagasikara, ary indrindra ny manodidina ny faritry ny Tetikasa
o Fanamarinana ny fanampiana fepetra miaraka amin’ny politikam-panjakana sy ireo fandaharan-asa eo andalam-panatanterahana na koa mbola ho avy eto Madagasikara ; ary tandremana manokana amin’izany ny tsy fanitsahany na ny tsy famerenana ny efa nazahoana famatsiam-bola izay efa misy na koa izay mbola ho avy.
o Ny famaritana fetra farany ara-kalitao na arak’isa sy tanjona maharitra ahafahana manamafy ny fahombiazan’ny asa notanterahina; na koa ny tsy fahombiazan’ny fepetra fanalefahana iray ka hilàna fametrahana fepetra fanatsaràna
13 Fanombanana sy fanalefahana ny fiantraikany izay mitangongo
Ny famakafakana ny fiantraikany izay mitangongo dia voafetra eo amin’ny resaka herinara-
driandrano ihany (ao anatiny ny tambazotram-pitsinjarana) satria tsy misy tetikasa
fanorenana fotodrafitrasa hafa na fandaharanasa goavana hafa izay mety hiteraka
fiantraikany mitangongo miaraka amin’ny Tetikasa ao amin’ny faritra. Tsy misy ny mety ho
fiantraikany goavana izay mitangongo, kanefa dia misy ihany fepetra vitsy mifanaraka
indrindra amin’ny fampafantarana ny vondrona rehetra mandray anjara notanisaina ao
amin’ny EIES.
14 Drafitra ho amin’ny fampandrosoana ny mponina
Mba ho fampidirana tsara ny Tetikasa ao anatin’ny tontolo ara-tsosialy, NEHO dia
hametraka fitambarana fepetra fampivoarana ho an’ny mponina. NEHO dia hitondra
programan’asa fanatsarana ny fotodrafitrasa iraisana eny anivon’ny tànana. Araky ny
fotokevitra, ny fiasan’izany hetsika izany dia toy izao manaraka izao :
o Ny vola azo ampiasaina dia ho faritan’i NEHO.
o Ny famatsiana herinaratra ny tontolo ambanivohitra dia ho laharam-pahamehana
o NEHO dia hiantso fivoriana miaraka amin‘ireo solontenan’ny mponina sy ny andri-mpanjakana ahafahana mitady ny sehatr’asa ampiasaina ireo vola ireo.
o NEHO dia afaka mandà fangatahana ihany, indrindra ireo izay mifandraika amina fotodrafitrasa tsy maharitra, na koa izay ampiasaina ho an’ny tombotsoan’olom-bitsy fotsiny ihany.
Ny hetahetan’ny mponina nangatahany nandritra ny fivoriana maro sy ny ady hevitra natao
tao anatin’ny fanomanana ny EIES dia mifandraika amin’ny akapobeny amin’ny resaka
làlana sy ny famatsiana herinaratra.
Noho izany, ny fanantanterahana ny Tetikasa dia hitarika fanorenana fotodrafitrasa izay
ilaina amin’ny Tetikasa ihany, ka ny tena misongadina amin’izany dia ny làlana mampitohy
ny ozinina sy ny làlan-dehibe nasionaly.
Ny Tetikasa dia tsy manana fahefana hisolo toerana ny fanjakana, na koa fahefana
mpiandraikitra ny fitrandrahana ny fotodrafitrasa izay nahoriny ho an’ny daholobe. Noho
izany dia ilaina ny mampiditra ny lafiny ara-mpanjakana ao anatin’ny famaritana ny
Madagascar – Fotodrafitrasa famokarana herinara-driandrano– Sahofika Fitsirihana ny mety ho fiantraikan’ ny Tetikasa amin’ny tontolo iainana sy ny ara-tsosialy– Famintinana - version D
NEHO page 39 | 40
fotodrafitrasa izay hatolotra, miaraka amin’ny fomba fijery mazava ny andraikitra amin’ny
fanantanterahana ny zanak-asa tsirairay.
15 Drafitra fitantanana ny tontolo iainana sy ara-tsosialy (E&S)
Ny fahatratrarana ny tanjona E&S dia mandalo amin’ny fanatontosana ny asa voafaritra ao
anaty EIES. NEHO dia tompon’andraikitra amin’ny fanatontosana tsara ireo asa ireo
manoloana ny fanjakana Malagasy, ny mpiara miombon’antoka sy ny mpamatsy vola ny
Tetikasa.
Araky ireto manaraka ireto, (i) ny Tetikasa dia ho tanterahina orinasa tsy miankina amin’ny
alàlana fifanekena ara-barotra EPC, mandra-panomboan’ny fitrandrahana, (ii) Ny
ampahany betsaka amin’ny asa E&S mandritra ny fotona fanorenana, dia ho tontonsain’io
orinasa io; dia tapaka fa ho sarahina roa ny drafitra fitantanana E&S :
o Ny PGES-EPC dia homanina sy ho tanterahin’ny orinasa EPC.
o Ny PGES-NEHO dia ho tanterahin’i NEHO. Noho izany, NEHO dia hamorona Fomba Fitantanana ny Tontolo Ianinana sy ny Ara-Tsosialy (SGES) izay manaraka ny rafitra ISO9001/14001
16 Fanarahamaso ara-tontolo iainana sy ara-tsosialy
Ny fanarahamaso ara-tontolo iainana sy ara-tsosialy ny Tetikasa dia ho harindra sy
hotantanin’ny vondrona E&S an’i NEHO.
Ny fomba fitantanana ny ara-tontolo iainana sy ny ara-tsosialy izay karakaraina ho an’ny
Tetikasa dia hitanisa ny endrikin’io fanarahamaso io. Ireto manaraka ireto ny fotokevi-
dehibe tapaka :
o Misy komity mpanara-maso ny Tetikasa, izay etsy andaniny hivondronan’ny (i) mpitantana sy ny tompon’ny valan-javaboary sy ny VOI ; ary etsy ankilany (ii) ireo manampahaizana tsy miankina sy fantadàza; ho apetraka. Izany komity izany dia hanana fahefana hijery ny tahirin-kevitra momba ny fanarahamaso ary hanana andraikitra filan-kevitra izay ahafahany mitondra toro-hevitra ho an’ny vondrona E&S an’i NEHO miandraikitra ny fanarahamaso.
Phase préparatoire Cloture financière Phase de construction
Etude d Impacts Environnementale et
Sociale (EIES)
Plan d Action de Réinstallation (PAR)
Plan d Action Biodiversité (PAB)
Plan d Engagement des Parties Prenantes (PEPP)
Revue par les bailleurs de fonds
Revue par l ONE, autorité compétente Malgache
NEHOPGES-NEHOSGES-NEHO
EPCPGES-EPCSGES-EPC
Supervision
EIES, PAR, PAB et PEPP finalisés
Madagascar – Fotodrafitrasa famokarana herinara-driandrano– Sahofika Fitsirihana ny mety ho fiantraikan’ ny Tetikasa amin’ny tontolo iainana sy ny ara-tsosialy– Famintinana - version D
NEHO page 40 | 40
o Ny fanarahamaso dia hiompana amin’ny :
• Fanarahamaso ny fanatontosana ny fepetra napetraky ny PGES sy ny EIES.
• Fitadiavana sy fanoritana ny fepetra mifanaraka amin’izany, izay mety ho ilaina ra sanatria misy tanjona napetraky ny PGES tsy tratra na tsy tanteraka.
• Fanarahamaso ny fiovoarana araky ny lalàna na araky ireo fepetra ara-tontolo iainana sy ara-tsosialy izay mipetraka ho an’ny Tetikasa, mba ahafahana manatontosa tsara azy ireo.
Ny fandaharan’asa fanarahamaso dia hisy fanitsina amin’ny fotoana fitrandrahana
17 Tatitra mahakasika ny vokatry ny fankan-kevitra
Notanterahina ny 01 ka atramin’ny 18 jona 2019 ny fangalana ny hevitry ny maro
mahakasika ny EIES sy ny PAR. Ireo fakan-kevitra ireo dia tohin’ny fivoriana maro izay efa
niarahana tamin’ireo mponina voakasika nandritra ny fanomanana ny EIES sy ny PAR;
izany no midika sy manamafy fa efa nahafantatra tsara ny fisian’ny Tetikasa izy ireo
talohan’izao fakan-kevitra izao.
Ny fakan-kevitra dia nizòtra ampitoniana tsara ary hita fa nahaliana ireo mpandray anjara
izany. Izany dia nahafahana namaritra sy nandraisana ny tolo-kevitra sy ny fanamarihana
avy amin’ireo vondron’olona voakasika sy ireo izay liana amin’izany ; ary koa nahafahana
namaly ireo fanontaniana sy nitondrana fanazavana misimisy kokoa rehefa nilaina izany.
Ny faka-kevitra dia nifantoka tamin’ny : (i) fandefasana oronantsary miampy fanazavana,
nahafahan’ireo vondron’olona voakasika nahita maso sy manombana tsara ny Tetikasa, (ii)
fampafantarana amin’ny antsipiriany ny EIES sy ny PAR, (iii) fifanakalozan-kevitra sy
resadresaka, ary (iv) varavarana misokatra natokana hoan’ireo voakasiky ny famindran-
toerina, izay nahafahana niresaka tamin’ireo olona tsirairay izay liana amin’ny Tetikasa
ivelan’ny fivoriambe niarahana tamin’ny maro. Ny resaka niarahana tamin’ireo olona
voakasiky ny famindran-toerana ireo nandritra ny varavarana misokatra dia tena nahaliana
tokoa ary koa nahitan’ireo mponina voakasika tombony manokana.
Miisa 24 ny fanovàna sy fanamarihana natao tamin’ny EIES tao aorinan’io fakan-kevitra io,
ary hita ao amin’ny andininy farany ao amin’ny EiES izany. Ny resaka ara-tsosialy no tena
nibahana tamin’ny dinika rehetra natao.
Mitotaly 606 ny isan’ireo olona nandray anjara tamin’ny fakan-kevitra (tsy voaisa
tamin’izany ny ankizy sy ny tanora) ka 133 no vehivavy tamin’izany ary 473 ny lehilahy.