Lesona 1 ho an'ny 4 Aprily 2015. Fantatra ho Filazantsara mitantara tantara mitovy na...

11
NY FIAVIAN' I JESOSY Lesona 1 ho an'ny 4 Aprily 2015

Transcript of Lesona 1 ho an'ny 4 Aprily 2015. Fantatra ho Filazantsara mitantara tantara mitovy na...

NY FIAVIAN'I

JESOSY

Lesona 1 ho an'ny 4 Aprily 2015

FILAZANTSARA SYNOPTIKA

Matio• Nanoratra ho

an'ny JIOSY

Marka• Nanoratra

ho an'ny ROMANA

Lioka• Nanoratra

ho an'ny JENTILISA

Fantatra ho Filazantsara mitantara tantara mitovy na “synoptika” ireo Filazantsara telo voalohany. Ahitana tantara maro mitovy izy ireo.

Samy manana ny olona nanoratana azy ny filazantsara tsirairay. Samy nanoratra teo ambany

fitarihan'ny Fanahy Masina ireo Evanjelisitra tsirairay.

NY FILAZANTSARA ARAKA AN'I LIOKA

Iza moa i Lioka (Kolosiana 4:14)? Dokotera jentilisa izay niaraka tamin'i

Paoly tamin'ny sasany tamin'ireo dia misionera nataony izy. Izy no hany mpanoratra tokana tsy Jiosy nanoratra boky ao amin'ny Baiboly.

Iza no nanoratany ny filazantsarany (Lioka 1:1-3)?

Teofilo, jentilisa mana-kaja iray. Izy ihany koa no nanoratra ny “Asan'ny Apostoly” (Acts 1:1).

Ahoana ny fomba nanangonany tahirin-kevitra hanoratana ny filazantsarany (Lioka 1:1-3)?

Nanao fikarohana lalina izy ary nihaona tamin'ireo vavolombelona nanatri-maso.

Inona no antony nanoratany (Lioka 1:4)? Satria te hanamafy orina ny finoan'ireo

mpamaky azy izy.

FA N A M B A R A N A R OAManomboka amin'ny fanambarana fahaterahana mahagaga roa ny filazantsaran'i Lioka. Tena misy itovizany izy ireo ary mifandray. Andeha hampitaha ny Lioka 1:5-25 amin'ny Lioka 1:26-38.

• Tsy afaka nanan'anaka ny reniny. Efa antitra loatra izy.

• Gabriela no nanambara ny fahaterahany.• Niteraka fahatalanjonana ny

fanambarana.• Nanontany am-pisalasalana ilay anjely i

Zakaria.• Gabriela no nanome anarana ilay zaza.• Ho lehibe izy.• Hanamboatra ny lalàn'ny Mesia izy.

JAONA

• Tsy afaka nanan'anaka ny reniny. Virijina izy.

• Gabriela no nanambara ny fahaterahany.• Niteraka fahatalanjonana ny fanambarana.

• Nanontany tamim-pinoana ilay anjely i Maria.

• Gabriela no nanome anarana ilay zaza.• Ho lehibe Izy.• Izy no Ilay Mesia, Zanak'Andriamanitra.

JESOSY

NY ASA NANIRAHANA AN'I JAONA“Ary maro amin'ny Zanak'isiraely no hampodiny amin'i Jehovah Andriamaniny. Ary izy handeha eo alohany amin'ny fanahy sy ny herin'i Elia mba hampody ny fon'ny ray ho amin'ny zanaka, ary ny tsy manoa ho amin'ny fahendren'ny marina, hamboatra firenena voaomana ho an'ny Tompo.” (Lioka 1:16-17)Taorian'ny 400 taona nisy fahanginana dia nisy

mpaminany nitsangana indray teo amin'ny Israely.

Ny votoatin'ny asan'i Jaona dia ny “hamboatra firenena voaomana” hanaiky ny Mesia, ny Mpanavotra azy ireo.

NY FINOAN'I MARIA

Ahoana ny nandraisan'i Maria ny fanambarana ny hanany anaka?

Fantany fa tsy hain'ny olona tanterahana izany, satria virijina izy.Noraisiny am-pinoana ny tenin'i Gabriela: “Fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon'Andriamanitra” (Lioka 1:37). Nilefitra teo ambany fikasan'Andriamanitra izy (Lioka 1:38).Manana valiteny ho an'ny fisalasalantsika rehetra Andriamanitra, na toy inona aza izany. Mahay ny zavatra rehetra Izy, na dia izay toa tsy azo tanterahina amin'ny fisainan'ny maha-olombelona aza.

“Ary hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Maria, fa efa nahita fitia tamin'Andriamanitra ianao. Ary, indro, hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe Jesosy.’” (Lioka 1:30-31)

NY NAHATERAHAN'I JESOSY “Ary niteraka ny Lahimatoany izy, dia nohodidininy lamban-jaza ka nampandriny teo amin'ny fihinanam-bilona; fa tsy nisy nitoerany tao an-tranom-bahiny.” (Lioka 2:7)Tsy angano na olona noforonina i Jesosy. Tena olona niaina tamin'ny vanim-potoana iray teo amin'ny Tantara Izy. Mampiditra ny tontolo ara-tantara tamin'ny nahaterahan'i Jesosy i Lioka ao amin'ny Lioka 2.

Tamin'ny taona 8 TalK, Aogosto

Kaisara dia namoaka didy

fampanoratana anarana ny

vahoaka tao amin'ny fanjakana Romana (and. 1)

Samy nankany amin'ny tanànany

avy ny tsirairay mba hosoratana anarana (and 3).

Niverina nankany Betlehema mba

hosoratana (and. 4) i Josefa (teo

alohan'ny taona 4 TalK tany ho any). Nentiny niaraka taminy i Maria

(and.5).

Tao Betlehema i Maria no niteraka an'i Jesosy (and.

6-7).

NY FANAMBARAN'NY ANJELY “Ary hoy ny anjely taminy: Aza matahotra; fa, indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an'ny olona rehetra; fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan'i Davida, dia Kristy Tompo.’” (Lioka 2:10-11)Mifono hevi-dehibe ho antsika ny

fanambarana nataon'ilay anjely tamin'ireo mpiandry ondry:1. “Fifaliana lehibe … ho an'ny olona

rehetra.” Natao ho an'ny olona rehetra ny vaovao mahafalin'ny Filazantsara.

2. “Mpamonjy no teraka.” Jesosy no Mpamonjy izao tontolo izao.

3. “dia KRISTY Tompo.” Jesosy no Tompo, Andriamanitra manerana izao rehetra izao.

Nanaiky ho tonga olombelona Andriamanitra. Teraka tamin'ny fomba faran'izay feno fanetre-tena Izy.

“Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin'i Kristy Jesosy koa,Izay, na dia nanana ny endrik'Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin'Andriamanitra, fa nofoanany ny tenany tamin'ny nakany ny endriky ny mpanompo sy nahatongavany ho manam-pitoviana amin'ny olona; ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana.” (Filipiana 2:5-8)

NATOLOTRA TAO AMIN'NY TEMPOLY I JESOSY “Ary rehefa tapitra ny havaloana, ka hoforana ny Zaza, dia nataony hoe Jesosy ny anarany, araka ilay nataon'ny anjely, fony tsy mbola torontoronina tao an-kibo Izy. Ary rehefa tapitra ny andro fidiovany, araka ny lalàn'i Mosesy, dia nitondra Azy niakatra tany Jerosalema izy mba hatolotra ho an'ny Tompo.” (Lioka 2:21-22)

Tena mpino i Josefa sy Maria. Nanaraka ireo “lalàn'i Mosesy” izy ireo:

a) Noforana ny zaza 8 andro taorian'ny nahaterahany.

“Ary amin'ny andro fahavalo dia hoforana ny zaza.” (Levitikosy 12:3).

b) Atolotra ho an'ny Tompo ny zaza 40 andro aorian'ny nahaterahany.

“Ary raha tsy tratry ny ananany ny zanak'ondry, dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa izy, ny anankiray hatao fanatitra dorana, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra noho ny ota; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho an-dravehivavy, dia hadio izy.” (Levitikosy 12:8).

Nitrotro ny zaza i Simeona ka naminany ny Aminy tao amin'ny tempoly. Misy fahamarinana lehibe ny faminaniany (Lioka 2:29-35)

1. Mitondra Famonjena i Jesosy: “ny masoko efa nahita ny famonjenao.” (and. 30)

2. Avy amin'Andriamanitra ny Famonjena: “Izay namboarinao.” (and. 31)

3. Ho an'ny tsirairay ny famonjena: “fahazavana hahazava ny firenena sady voninahitry ny Isiraely olonao.” (and. 32)

4. Mila fandraisana fanapahan-kevitra ny Famonjena: “Ity Zaza ity no voatendry ho fandavoana sy ho fananganana ny maro ao amin'ny Isiraely.” (and. 34)

5. Anisan'ny drafim-pamonjena ny Hazo Fijaliana: “ny fanahinao aza dia hotsatohana sabatra.” (and. 35)

NY FAMINANIAN'I SIMEONA “Tompo ô, ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao amin'ny fiadanana araka ny teninao; fa ny masoko efa nahita ny famonjenao.” (Lioka 2:29-30)

“Amin'ny fibanjinana ny maha olombelona an'i Kristy, dia manoloana zava-miafina sarotra tsy takatry ny saina isika, dia zavatra izay tsy hain'ny sain'ny olombelona heverina. Arakaraky ny hisaintsainantsika azy no vao maika hisehoany ho mahatalanjona. Lehibe manao ahoana ny fahasamihafana eo amin'ny maha Andriamanitra an'i Kristy sy ilay zaza teo amin'ny fihinanam-bilona tany Betlehema! Ahoana no andrefesantsika ny elanelana misy eo amin'Andriamanitra Tsitoha sy ilay zaza marefo? Sady Mpahary izao tontolo izao, Izy izay manana ny fahafenoan'ny tenan'Andrimanitra, dia niseho teo amin'ny zaza marefo teo am-pihinanam-bilona. Lehibe lavitra noho ny anjely rehetra, mitovy amin'ny haja sy voninahitry ny Ray, nefa nitafy ity maha olombelona ity! Tafakambana amin'ny fomba tena saro-pantarina ny maha Andriamanitra sy ny maha olombelona, ary dia lasa iray ny olombelona sy Andriamanitra. Ao anatin'izany firaisana izany no ananantsika fanantenana ho an'ity taranaka efa lavo misy antsika ity.”

E.G.W. (Lift Him up, 2 Martsa)