FAMINTINANA - wwfeu.awsassets.panda.org · ny Sampandraharaha momba ny toe-karena manga (SEB), izay...
Transcript of FAMINTINANA - wwfeu.awsassets.panda.org · ny Sampandraharaha momba ny toe-karena manga (SEB), izay...
-
FAMINTINANA
TOE-JAVATRA SY TANJONA Ny taona 2016, nankatoavin’ny Tahirim-bola Iraisampirenena momba ny Tontolo iainana (FEM) ny
hanohanana ny fandaharanasa momba ny fitantanana maharitra ny harena an-dranomasin’i
Madagasikara, amin’ny halalan’ny fametrahana sy fitantanana mahomby tambazotra-na faritra
arovana an-dranomasina, mba ho fikajiana ny harena an-dranomasina no sady fampitomboana ny
tahiry hazandrano ho an’ny jono, ho sakafo sy ho fampiroboroboana ny toekarena amin’ny fomba
maharitra. Ao anatin’ny sehatr’asa momba ny Harena Voajanahary famatsiam-bola io. Tanjona
amin’izany ny hiantohana « fitantanana mahomby ny harena voajanahary sy ny harena an-
dranomasin’i Madagasikara ».
Nankinin’ny FEM amin’ny WWF ny fandrindrana ankapoben’ny Fandaharanasa, ka misy tetikasa
roa ao anatiny : (1) Ny momba ny fitantanana mahomby ny jono sy ny fivoarana mirindra ety
amin’ny faritra atsimo andrefan’ny ranomasimbe Indiana (SWIOFish2) dia tanterahina miaraka
amin’ny Banky Iraisampirenana ; (2) Ny fanitarana sy fanohanana ny tambazotra-na Faritra arovana
an-dranomasina eto Madagasikara (GEF6-AMP) kosa dia iarahana amin’ny WWF. Mifameno tsara
ireo tetikasa roa ireo satria ny Faritra arovana an-dranomasina dia mampitombo ny tahirin’ny harena
an-dranomasina izay azo trandrahina amin’ny halalan’ny jono ka hanatsara izany. Ny fitantanana
mahomby kokoa ny jono ihany koa dia manatsara ny fidiram-bola sy ny fanondranana entana ary
mipaka amin’ny fihatsaran’ny fahefa-mividin’ny mponina sy ny fiarahamonina eny ifotony.
Anjaran’ny tetikasa GEF6-AMP ao anatin’ny fandaharanasa ny mampitombo ny velarana rakotry ny
tambazotra-na Faritra arovana an-dranomasina hampiharana ny fitantanana maharitra sy mahomby.
Tanjon’ny tetikasa ny haazoana antoka fa « mahomby ny fitantanana maharitra sy mari-toerana ny
harena voajanahary sy ny vokatra an-dranomasina eto Madagasikara, amin’ny alalan’ny tambazotra-
na Faritra arovana an-dranomasina sy tantanan’ny vondron’olona ifotony». Izany dia fandraisana
anjara ihany koa amin’ny fanatrarana ny finiavan’i Madagasikara hanitatra avo telo-heny ny velarana
Faritra arovana an-dranomasina araka ny fampanantenana tany Sydney (Australie). Ho hita
mivaingana ny fandraisan’anjaran’ny tetikasa :
amin’ny fampitomboana ny tombony azon’ny mpanjono sy ny fiarahamonina misy azy avy
amin’ny vokatra laharampahamehana, amin’ny fanamafisana ny fiarovana ny harena voajanahary an-dranomasina, ary amin’ny fanatrarana ny fanambin’ny firenana momba ny tambazotra-na Faritra arovana an-
dranomasina sy ny tanjona faha #11 tany Aichi.
Ny Governamanta, amin’ny halalan’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana
Maharitra (MEDD) no mandrafitra ny tetikasa miaraka amin’ny tohana ara-teknika sy ara-bolan’ny
Tahirim-bola Iraisampirenenan momba ny tontolo iainana (FEM) izay solon’ny WWF tena.
Mahatratra 6 284 404 dolara amerikana ny fandraisan’anjaran’ny FEM amin’ny fanatanterahana ny
tetikasa izay haharitra 60 volana.
TANJON’NY PAIKANDAMINA LASITRA (CP) SY NY DRAFITRA LASITRA MOMBA NY
FITANTANANA NY TONTOLO IAINANA SY NY FIARAHAMONINA (CGES) Raha misy tetikasa fampandrosoana vatsin’ny Tahirim-bola iraisampirenena momba ny Tontolo
iainana mandalo eo amin’ny WWF, dia ilaina manaraka ny politikam-piarovan’ny WWF momba ny
tontolo iainana sy ara-piarahamonina, no sady manaja ny fenitra efa fampihatra eo amin’ny firenana.
Noho izany, ny Governemanta malagasy amin’ny halalan’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny
-
Fampandrosoana Maharitra (MEDD), dia tsy maintsy manomana fitaovana roa dia ny Drafitra
Lasitra momba ny Fitantanana ny Tontolo iainana sy ny Fiarahamonina (CGES) sy ny Paikandamina
Lasitra (CP). Ireo fitaovana roa ireo no manampy ny Ministera amin’ny fomba tsotra sy mahomby
hiatrehana ny raharaha mahakasika ny tontolo iainana sy ny fiarahamonina mifandraika amin’ny
tetikasa. Izao ny famaritana omen’ny WWF momba ireo fitaovana ireo:
Ny Drafitra Lasitra momba ny Fitantanana ny Tontolo iainana sy ny Fiarahamonina (CGES): dia
fitaovana entina handinihana ny fifandraisan’ny tetikasa amin’ny tontolo iainana sy ny mety ho
fihatraikany, na dia tsy mbola tena voafaritra mazava aza ny antsipirihany rehetra momba ilay
tetikasa.
Ny Paikandamina Lasitra (CP): Tsy hisy mihitsy ny famindrana mponina noho ny tetikasa. Na izany
aza, mihena ny fahafahan’ny mponina misitraka ny harena voajanahary rehefa misy Faritra arovana
an-dranomasina na faritra tantanan’ny vondron’olona ifotony atsangana, ka miatraika amin’ny velon-
tenan’ny mponina izany. Ny Paikandamina Lasitra (CP) no mametraka ny dingana arahina,
mampandray anjara ny mponina voakasiky ny tetikasa, entina handrafetana ny asa tokony atao, ny
fepetra raisina hanalefahana ny fihatraikany, ny fanatanterahana sy ny fanjohina ny asa.
Karazan’asa tsy mety
Ho an’ny WWF, dia sokajy B ity tetikasa ity araka ny fihatraikany eo amin’ny tontolo iainana sy ny
fiarahamonina. Araka ny Politika sy Paikandamina momba ny fitandroana tontolo iainana sy
fiarahamonina an’ny WWF, dia tsy hahazo tohanana ny asa raha:
Mila famindrana mponina,
Miteraka adin-tany ka mahatonga disadisam-piarahamonina,
Manohintohina toeram-panasinana na tany masina, na
Fanorenana na fanarenana fotodrafitrasa misanda maherin’ny 5000 dolara (Sahabo eo amin’ny 18 tapitrisa ariary).
Izay asa sokajy A araka ny WWF ihany koa dia tsy hahazo tohanana.
FIRAFITRY NY TETIKASA Tanjona ankapoben’ny tetikasa GEF6-AMP ny fanamafisana sy fampaharetana ny fitantanana ny
Harena voajanahary ny ny vokatra an-dranomasina. Misy lafiny 4 ny tetikasa:
Lafiny 1 - Mametraka tambazotra-na Faritra arovana an-dranomasina (AMP) sy tantanan’ny
vondron’olona Ifotony (LMMA), mivelatra sy mipariaka. Ity Lafiny voalohany ity dia mandika ny fanambin’i Madagasikara momba ny fampanantenana tany
Sydney momba ny fanatrarana ny tanjona faha #11 tany Aichi, izay ifotoran’ny tetikasa. Ny KBA
(Faritra ifaharan’ny harena voajanahary) any an-dranomasina sy amorontsiraka dia ho voafaritra
mazava, miaraka amin’ny antontam-pahalalana ara-tsiansa ahafahana mametraka ny laharam-
pamehana.
Lafiny faha 2: Manorina tontolo sahaza sy matotra ho an’ny Faritra arovana an-dranomasina sy ny
faritra tantanan’ny vondron’olona Ifotony. Ho fanatanterahana ny Lafiny 1, ity Lafiny faha2 ity no mametraka tontolo manome vahana ny
fanitarana sy ny fanamafisana orina ny tambazotra-na Faritra arovana an-dranomasina (AMP) sy
faritra andranomasina tantanan’ny vondron’olona Ifotony (LMMA). Ilaina ny mandinika sy
manatsara raha ilaina ireo lalàna efa misy momba ny faritra arovana, niainga avy amin’ny Fehezan-
dalàna momba ny faritra arovana (COAP), mba hifanaraka amin’ny ilain’ny fitantanana sy ny
fifampitondrasana sy ny hay tondra anivon’ny faritra arovana an-dranomasina. Etsy ankilany, ilaina
-
ihany koa ny manana andian-dalàna sy fitsipika mazava sy ara-drariny, ampiharina amin’ny Faritra
an-dranomasina tantanan’ny vondron’olona ifotony, indrindra ireo izay tsy voafaritra anatin’ny
Faritra arovana an-dranomasina. Etsy andaniny, ny Ministera dia mila manana ny fahefana sy ny
fahaiza-manao hiarovana ireny Faritra arovana an-dranomasina sy tantanan’ny vondron’olona
ifotony ireny ao anatin’ny drafi-pampandrosoana anivon’ny firenena na eny anivon’ny Faritra,
indrindra ny momba ny MSP na Tetipivoarana momba ny fanajariana ny fari-dranomasina
hiarahan’ny sehatra maro.
Lafiny faha 3: Manatsara sy mampahomby ny fitantanana sy fandraisana anjara amin’ny
fampandrosoana maharitra eny ifotony amin’ny halalan’ny Faritra arovana an-dranomasina (AMP)
sy faritra andranomasina tantanan’ny vondron’olona ifotony (LMMA).
Ny fanatsarana sy fanamafisana ny fahaiza-manao sy fahaiza-mitantana dia miatoka ny
fahombiazan’ny Lafiny 1 ary voafaritra anatin’ity Lafiny faha3 ity. Izany midika fa ireo fepetra
momba ny tontolo sahaza ho an’ny fifampitondrasana anivon’ny AMP sy LMMA ao amin’ny Lafiny
faha 2 dia efa tontosa. Misy lohahevitra 3 ity Lafiny ity: (i) Fomba mahomby kokoa hanatsarana ny
fidiram-bolan’ny mponina ifotony mba hanatsarana ny velon-tenany sy hampazoto azy amin’ny
fitantanana ny AMP sy LMMA; (ii) Fandraisana anjara amin-kitsimpo, avy amin’ny tamberim-bidy,
ho famatsiana maharitra ny saram-pitantanana mahazatra; ary (iii) fanamafisana ny fitantanana
amin’ny halalan’ny fotodrafitrasa sy fampitaovana ilaina, sy fanapariahana fitaovam-pitantana
mifandraika amin’ny zava-misy eny ifotony.
Lafiny faha 4: Fitantanana fahalalàna, fanjohina sy tombanezaka.
Ity Lafiny faha 4 ity dia mikendry indrindra ny fampaharetana ny vokatra azo avy amin’ny tetikasa.
Ezahina valina ny filan’ny Governemanta malagasy, ny FEM sy ny WWF momba ny fandrefesana
ny dingana tratra mitaha amin’ny vokatra sy tanjona nifanarahana, mandritra ny fiainan’ny tetikasa.
RINDRAN-DAMINA Ministeran’ny Tontolo iainana sy Fampandrosoana Maharitra (MEDD) Izy no mandrindra ankapobeny ny fanatanterahana ny tetikasa GEF6-AMP. Misy rafitra sasany ao
amin’ity Ministera ity no manana andraikitra manokana amin’ny fanatanterahana ny tetikasa sy ny
fampiharana ity CGES/CP ity. Araka ny hevitra fototra sy izay voarakitra ao amin’ny fehezan-dalàna
fototra momba ny Tontolo iainana (Charte de l’Environnement) sy ireo fifanarahana iraisam-pirenena
momba ny fikajina tontolo iainana, dia ny Ministera misahana ny tontolo iainana (ny MEDD) no
mandrafitra, mandrindra, manatanteraka sy manao fanjohina sy tombanezaka ny politikam-pirenena
momba ny tontolo iainana sy fampandrosoana maharitra. Ny antom-pisian’ny MEED dia “hiaro sy
hanabe voho ny tontolo iainana sy ny harena voajanahary miavaka ho fahatsaram-piainan’ny
Malagasy sy ho fampandrosoana maharitra ny firenena”. Rafitra roa eo ambany fiahian’ny MEDD
no manana andraikitra manan-danja momba ny faritra arovana: Ny Madagascar National Parks
izay miandraikitra ny fananganana, fikajiana sy fitantanana maharitra ny tambazotra-na
Valanjavaboary sy Tahirin-javaboary manerana an’i Madagasikara; sy ny Foibem-pirenena momba
ny Tontolo Iainana (ONE). Ity farany moa no tompon’antoka amin’ny fisorohana ny voka-dratsy
amin’ny tontolo iainana hoan’ny fampiasam-bola miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana, sy
miady amin’ny fahalotoan’ny tontolo iainana. Izy ihany koa no tompon’andraikitra:
Amin’ny fampiharana ny didim-panjakana MECIE (Fampifanarahana ny fampiasam-bola sy ny tontolo iainana),
Amin’ny fisorohana ny loza ara-tontolo iainana, amin’ny halalan’ny fandrindrana ny fampiharana drafim-pitantanana ara-tontolo iainana (PGE) sy ny fanasaziana na fandraisana
fepetra arak’izay zava-mitranga.
-
Araka ny lamina vaovao dia manana Tale Jeneraly roa ny Ministera: Ny Tale Jeneraly misahana ny Tontolo iainana sy ny Ala (DGEF) no tompo-marika amin’ny
fiarovana, fitrandrahana, fitantanana ny tontolo iainana sy ny harena an’ala. Eo ambany fiahiany ny
Tale misahana ny fitantanana ny harena voajanahary azo havaozina sy ny ekôsistema (DGRNE) izay
tompon’andraikitra amin’ny fitantanana ny harena voajanahary azo havaozina izay anatin’ny Rafitra
mikasika ny Faritra Arovana (Système des Aires Protégées). Izy no miantoka ny fanatanterahana ireo
fifanarahana iraisam-pirenena nankatoavin’i Madagasikara momba ny fitantanana karazana
ekôsistema sy harena voajanahary. Anisan’ny iahian’io Tale io ny sampandraharaha iray misahana ny
fiarovana ny harena voajanahary sy ny ekôsistema. Misy sampandraharaha iray hafa koa misahana
ny fitantanana ny faritra arovana sy ny famindram-pitantanana.
Ny Tale Jeneraly misahana ny fampandrosoana maharitra (DGDD) no tompo-marika amin’ny
fampiroboroboana ireo fepetra hatratrarana ny tanjon’ny fampandrosoana maharitra. Anisan’ny
iahiany io Tale Jeneraly io ny Tale misahana ny fampiroboroboana ny fihariana maitso sy manga
(DEVB), izay tompon’andraikitra amin’ny toe-karena mandala tontolo iainana. Io Tale io no miahy
ny Sampandraharaha momba ny toe-karena manga (SEB), izay tompon’andraikitra misahana ireo asa
fiarovana ireo tontolo an-dranomasina sy amorontsiraka saro-pady toy ny alahonko sy ny
harandriaka.
Misy ihany koa ireo Talem-paritra na Tale iraisam-paritra misahana ny tontolo iainana sy ny
fampandrosoana maharitra (DREDD/DIREDD) izay solontenan’ny Ministera eny anivon’ny faritra.
Izy ireo no tompon’andraikitra amin’ny fampiharana sy fanatanterahana ireo politika momba ny
tontolo iainana, momba ny ala, momba ny fampandrosoana maharitra, ary miara-misalahy amin’ny
vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, ny tsy miankina, ny mpandraharaha, ny vondron’olona
ifotony sy ireo sampandraharaham-panjakana hafa.
Foibe fitantanana ny tetikasa (UGP) Ny foibe fitantanana ny tetikasa na UGP dia tantanin’ny Tale iray tendren’ny Ministeran’ny Tontolo
iainana sy ny Fampandrosoana Maharitra (MEDD) ary rafitra ao anatin’io ministera io. Ny MEDD
miampy ny tohana arateknikan’ny WWF no mifantina ny mpiasa ao. Io UGP io no mandrindra ny
asan’ny tetikasa, toy ny famokarana tolo-dalàna sy fitaovana, fanamafisana fahaiza-manao,
fanatanterahana ireo fenitra ara-tontolo iainana ho an’ny tompon’asa arak’izay fifanarahana tohana
ho an’ny Lafiny 1 sy 3 an’ny tetikasa.
Tambazotra MIHARI MIHARI dia fanafohizan-teny midika hoe « fitantanana harena an-dranomasina eny ifotony ». Ny
tambazotra MIHARI dia ivondronan’ny faritra andranomasina tantanan’ny vondron’olona ifotony
(LMMA). Sahabo 200 hatreto ireo Fikambanana ifotony ary 80 no isan’ny faritra andranomasina
tantanan’ny vondron’olona ifotony izay misitraka tohana avy amin’ny fikambanana tsy miankina 23
(na malagasy na vahiny).
POLITIKAM-PIAROVAN’NY WWF MOMBA NY TONTOLO IAINANA SY FIARAHAMONINA Izay tetikasa misitraka tohana avy amin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena momba ny tontolo iainana
(FEM) ka sahanin’ny WWF dia mila manaraka sy manaja ireo fenitra ara-tontolo iainana sy ara-
piarahamonina an’ny WWF. Ireto avy ireo politika an’ny WWF mihatra amin’ny tetikasa:
Fanadihadiana ara-tontolo iainana sy ara-piarahamonina,
Toerana voajanahary, sy
Famindrana mponina tsy nahy.
-
Sokajy B ho an’ny WWF ny tetikasa noho ireo mety ho fihatraikany eo amin’ny tontolo iainana sy
fiarahamonina somary malefaka, voafetra ary azo harenina. Ny drafitra lasitra fitantanana ny tontolo
iainana sy ny fiarahamonina (CGES) no mamaofy ireo politikan’ny WWF voakasika ireo.
Fanadihadiana ara-tontolo iainana sy ara-piarahamonina araka ny WWF Ireo ahiahy ny amin’izay mety ho fihatraikan’ny tetikasa eo amin’ny tontolo iainana sy ny
fiarahamonina noho ireo fotodrafitrasa madinika no tena ifantohan’ny politikan’ny WWF momba ny
fitantanana tontolo iainana sy fiarahamonina. Koa satria mbola mandritra ny fanatanterahana ny
tetikasa no ho faritana ny toerana izay hiasana, ny Ministera dia nandrafitra Drafitra lasitra momba
ny fitantanana ara-tontolo iainana sy ara-piarahamonina CGES) mifandraika amin’ny Politikam-
piarovana sy Paikan-damina an’ny WWF (PPIS). Narafitra tamin’ny teny frantsay io CGES io ary
haparitaka amin’ny tranokalan’ny WWF sy an’ny MEED mialoha ny fankatoavana farany.
Anisan’ny voarakitra ao anaty CGES ny dingana fanaovana sivana ny fiantraikan’ny tetikasa ara-
tontolo iainana sy ara-piarahamonina sy ny dingana manalefaka izany, dia: ny fenitra takiana
amin’ny asa fanorenana fotodrafitrasa; ny pitsopitsony arahina raha hanao fanadihadihana ara-
tontolo iainana sy ara-piarahamonina (EIES); ny fampiharana, fanjohina sy tombanezaka ary
fanaovana tatitra; ireo fanamafisana fahaiza-manaon’ny mpikatroka isan-tokony; ary ny rindran-
damina sy teti-bola.
Politikan’ny WWF momba ny Toerana voajanahary Mihatra izy io satria mety hisy fihatraikany ratsy amin’ny tontolo an-dranomasina sy amorontsiraka
ihany ny tetikasa, eny fa na dia fihatraikany tsara aza no tena maro.
Politikan’ny WWF momba ny famindrana olona tsy nahy
Mihatra izy io, na dia tsy hiteraka fakana tany izay ahiana hitarika famindrana mponina tsy nahy aza
ny tetikasa. Ny Lafiny 1 momba ny fananganana na fanitarana AMP sy LMMA no mahatonga
fameperana na fandrarana amin’ny fitrandrahana harena an-dranomasina na fampiasana fitaovana
voarara sy tsy ifanarahana ka mihatraika amin’ny velontenan’ny olona sasantsasany. Toy izany koa
izay mety fepetra fanidina ny jono (maharitra na tsia) ao anatin’ny Lafiny faha3 an’ny tetikasa. Ny
fidiram-bola isan’andron’ny mponina no ho voatohintohina amin’ireny. Narafitra ary ny
Paikandamina Lasitra (CP) izay natambatra amin’ny CGES mba handravonana ireo ahiahy sy
sosokevitra entina manatsara ny tetikasa. Io CP io no mirakitra ny vokatr’ireo fakan-kevitra teny
ifotony. Hita ao ihany koa ny fomba hisorohana na hamahana izay mety ho disadisa amin’ny
fanatanterahana ny tetikasa.
FARITRA IASAN’NY TETIKASA Madagasikara no iasan’ny tetikasa GEF6-AMP. Sahabo ho 1 tapitrisa hektara ankehitriny ny
velaran’ny faritra arovana an-dranomasina, izay tokony ho 4 isanjaton’ny ranomasina sy ny
amorontsiraka, ary 1 isanjaton’ny faritra ara-toekarena manokana (Zone Economique Exclusive) an’i
Madagasikara. Ny Madagascar National Parks no mitantana ny tambazotra-na AMP, ary ny
vondron’olona ifotony no mitantana ireo LMMA miaraka amin’ny fanohanan’ny fikambanana tsy
miankina isan-tokony. Ato anatin’ny 5 taona manaraka, vinanina ho 1 tapitrisa hektara ny faritra
arovana an-dranomasina hisitraka feno ny sata maha ara-dalàna azy.
Tsy mbola voafaritra mazava ny toerana hifantohan’ny asa mandritra ny fanomanana ny tetikasa. Tsy
afaka faritana noho izany ireo tena mpisitraka mivantana. Ho fantatra miandalana izany rahatrizay
fantatra ny toerana iasana. Hatreto, fanadihadiana ankapobeny no hatao mba hamantarana izay olona
ho voakasiky ny tetikasa. Ny taona voalohan’ny tetikasa no hanatanterahana fanadihadiana ny
toerana manan-danja ho an’ny harena voajanahary (KBA) izay hiankinan’ny hamehana eo amin’ny
-
faritra hiasan’ny tetikasa. Hisy drafi-pitantanana tontolo iainana sy fiaraha-monina (PGES)
manokana isaky ny toerana hiasana, ho entina mamantatra ireo mpisitraka mivantana sy ankolaka.
Ireo asa fihariana ho vatsiana sy ho tohanana araka ny Lafiny faha 3 no ho entina hanonerana na
hanalefahana ny fatiantoka noho izay mety fameperana ateraky ny tetikasa.
MPISITRAKA Mpisitraka mivantana Sarotra ny hamantatra ny mpisitraka mivantana noho ny tsy fahafahana mamaritra mazava ireo
toerana hiasan’ny tetikasa. Ho fantatra miandalana izany rahatrizay voafaritra ny asa hatao sy ny
toerana hanaovana azy. Hisy ihany fanadihadiana ifotony hamantarana sy hanisana ireo mpisitraka
mivantana ireo.
Ho mpisitraka mivantana ireo fiarahamonina ifotony mitrandraka ny voka-dranomasina anatin’ny
AMP sy LMMA ka hiasan’ny tetikasa. Anisan’ireo ny isan-tokantrano miankin-doha amin’ny harena
an-dranomasina ny anton’asany, anatin’ireny ireo mpanjono mpifindra monina. Ny vehivavy dia tena
mandray andraikitra amin’ny fikirakirana sy fitahirizana ary fandafosana hazandrano. Izy ireny no
mandrafitra ny antsasaky ny herintsandry miasa. Nefa koa izy ireny no mitantana ny volan’ny isan-
tokantrano sy ny tahiry. Ny vehivavy ihany koa no tena mpaka ireo biby amoron-dranomasina sy
mamboly lomotra.
Manampy ny tompon’asa sy ny Ministera ny tetikasa amin’ny fametrahana seham-pitantanana
(lalàna, fitaovana, fahaiza-manao) manamora ny fanatrarana ny vokatra kinasa. Ambonin’ireo,
misitraka ireo voka-tsoa ateraky ny fitantanana maharitra ny harena an-dranomasina sy ny
fampiroboroboana vadin’asa mampidi-bola fanampiny ijhnay koa ny mpisehatra rehetra amin’ny
seha-pihariana jono.
DRAFITRA FIATREHANA FATIANTOKA NOHO NY FAMEPERANA (PARAR NA PLAN
D’ACTION POUR LA RESTRICTION D’ACCES AUX RESSOURCES) Andiana fepetra sy endri-pitantanana ihatrehana ny fatiantoky ny mponina noho ny fameperana
amin’ny fitrandrahana harena voajanahary ny Drafitra Fiatrehana Fatiantoka noho ny Fameperana na
PARAR. Hevitra fototra momba izany no voaboasan’ny CP. Mety misy mampiavaka azy manokana
kosa ny PARAR arakaraky ny toerana sy ny asa atao sy ny endriky ny fameperana. Ny iombonana
kosa dia tsy maintsy teny ierana amin’ireo voakasiky ny tetikasa ny fandrafetana sy ny
fanatanterahana azy. Rafetina sy tanterahina miaraka amin’ny olona voakasiky ny tetikasa (PAP) ny
PARAR rehefa mazava ny toerana hanaovana ny asa miteraka fameperana. Tohanana amin’ny asa
mahavelona sy mahasolo ny fatiantoka ahiana hihatra aminy ireo olona voakasiky ny tetikasa
mialoha ny fampiarana ny fameperana. Ireto avy ireo dingana arahina rehefa mandrafitra PARAR,
mba hiarovana ny voakasiky ny tetikasa:
Fivoriam-pokonolona fampahafantarana sy fakan-kevitra. Ampahafantarina ny mombamomba ny asa kasaina, ny tanjona, izay mety ho fihatraikany eo amin’ny
velontenan’ny mponina.
Fanadihadiana momba ny fihariana sy ny fiarahamonina sy fizahana ifandrimbonana, hamantarana izay ho olana entin’ny asa sy ny vahaolana. Ezahina fantarina ireo tokantrano
voakasika, ny mombamomba ny fiainany ankapobeny, ny tomban’ny fatiantoka ateraky ny
fameperana. Angonina ihany koa ireo antontam-pahalalana fototra toy ny isan’ny mponina,
ny fizakan-tany, ny saranga sy fari-piainana, ny fifampiankinan’ny tontolo iainana sy ny
-
mponina indrindra ny fampiasana harena voajanahary. Ilaina indrindra ny fahalalàna momba
ny harena voajanahary, ny toe-tany sy izay mifandraika amin’ny asa fiveloman’ny mponina,
na mpanjono na asa hafa.
Fivoriana famantarana izay vahaolana hanalefahana na hiatrehana ilay fameperana voatery hampiharina. Ifampierana amin’ny voakasiky ny tetikasa moa izany.
Fizarana andraikitra, ny famaritana teti-bola sy ny tetikandro.
Fankatoavana ny PARAR anivon’ny voakasiky ny tetikasa, ny mpisehatra isan-tokony. Ny UGP no mamaky sy manitsy farany. Alefa any amin’ny WWF ny PARAR mba ho
ankatoavina.
Aparitaka amin’ny besinimaro ny PARAR aorian’ny fankatoavan’ny WWF.
Ny tompon’asa no mamatanteraka ny PARAR.
Fanjohina sy tombanezaka: Ifandrimbonana izany ary mandray anjara avokoa ny mpisehatra rehetra (UGP, tompon’ny asa, MEDD, PAP, Ministera hafa, Vondrom-bahoaka …).
Firafitry ny PARAR Misokajy 2 ny asa araka ny isan’ny voakasiky ny tetikasa ho an’ny teteikasa GEF6-AMP, ka toy izao
izany: - Raha latsaka ny 200 ny isan’ny voakasika, PARAR tsotsotra no ilaina ka ireto ny ao anatiny:
Vokatry ny fanadihadiana momba ny fihariana sy ny fiarahamonina,
Fepetra maha voakasika (maha PAP),
Tomban’ny mety ho fatiantoka sy vahaolana fanarenana,
Fameperana tsy nahy azo ampiharina, sy
Tetikandro, teti-bola sy loharanom-bola entina hanatanterahina ny PARAR.
- Raha 200 noho mihoatra ny voakasika, PARAR feno no ilaina ka ireto no ao anatiny:
Mombamomba ny asa,
Ny mety ho fihatraikany,
Vokatry ny fanadihadiana momba ny fihariana sy ny fiarahamonina,
Lalàna mihatra sy reafitra fampiharana,
Fepetra maha voakasika (maha PAP),
Tomban’ny mety ho fatiantoka sy vahaolana fanarenana,
Fameperana tsy nahy azo ampiharina,
Vahaolana fikajiana tontolo iainana,
Fandraisan’anjaran’ny eny ifotony,
Paikandamina fanehoana fitarainana (misy modely amin’ny Toko XII an’ity boky ity),
Rindran-damina fampiharana ny PARAR,
Tetikandro, teti-bola sy loharanom-bola entina hanatanterahina ny PARAR, ary
Fanaraha-maso sy tombanezaka.
Paikandamina fitantanana ny fihatraikan’ny fameperana Fotokevitra sy tanjona momba ny fameperana
Ireto avy ireo fotokevitra sy tanjona momba ny fanalefahana ny vokatry ny fameperana araka ny
politikan’ny WWF: (i) Raha tsy misy hevitra fa tsy maintsy hampiharina ny fameperana, ilana ny
fanatanterahana velontena solony, izay maharitra ary nifanarahana tamin’ny voakasiky ny tetikasa ;
(ii) Arak’izay azo atao, ilay velontena solony dia nifamperana tsy misy antery tamin’ny tokantrano
voakasika ; (iii) Tsy mihatra ny fameperana raha tsy efa misitraka ny velontena solony ny voakasiky
ny tetikasa ; (iv) Misy fitsinjovana manokana ho an’ireo vondron’olona marefo voakasiky ny
tetikasa ; (v) Misitraka tohana mitohy sy arak’izay tratra ireo olona manao asa fanarenana fatiantoka,
-
izany dia mba ahazoana antoka fa mihatsara ny fari-piainany ka tsy ho latsaka ny nisy azy talohan’ny
fameperana sy ny fanatanterahana ny asa.
Olona voakasiky ny tetikasa (PAP) Voakasiky ny tetikasa (PAP) no ilazana ireo olona votaohitohina ny velontenany sy ny fari-piainany
noho ny fameperana fitrandrahana harena voajanahary mifandraika amin’ny tetikasa. PAP izany ireo
mampiasa an-kalalahana ny harena voajanahary mialoha ny fameperana toy ny mpanjono sy
mpitrandraka harena an-dranomasina, ny mpamboly sy mpiompy ary mpaka hazo eny
amorontsiraka, sy ny hafa. Izay rehetra mety hiena ny fidiram-bolany noho ny fampiharana
fameperana dia afaka ny ho PAP. Takian’ny CP sy ny PARAR ny hiatohana ny faripiainan’ny PAP
tsy ho latsaka ny teo alohan’ny fameperana, ary tsy ferana raha mihoatra.
Hatreto aloha tsy mbola fantatra mazava ireo PAP sy ny isany, fa arakaraky ny toerana izany. Ny
fandalinana ifandrimbonana eny ifotony no hamantarana ireo mpikatroka voakasina, arak’izay
toerana hiasana sy ny karazana fameperana hampiharina. Misy ireo mpanjono an-tselika (hafa ny
anton’asany fa mba manjono tsindraindray) sy mpanjono mpifindra monina (miovaova toerana
hanjonoana mandritra ny taona) izay tsy maintsy zahana mandritra ny famantarana izay PAP satria
afaky ny ho voan’ny fameperana.
Vondron’olona marefo Misy ireo vondron’olona marefo amin’ny samy voakasiky ny tetikasa (PAP) araka ny masontsivana
momba ny maha olona: : (i) tsy fananana loharanom-bola azo antoka ; (ii) sakafo tsizarizary ; (iii)
velon-tena miankin-doha tanteraka amin’ny harena voajanahary ; (iv) trano tsizarizary ; (v) tsy
fahafahana mampiana-jaza ; ary (vi) tsy afa-misitraka fitsaboana fototra. Mety hisy masontsivana
ara-mpiaraha monina afaka hanampy ireo, toy ny fanilikilihana sy fanaovana ankilabao
ankolafin’olona sasany (vehivavy, tanora tsy an’asa, be antitra, kilemaina, sy hafa)
FANJOHINA SY TOMBANEZAKA Ny tombanezaka no hamantarana ny fihatraikan’ny tetikasa sy ny fomba nanatanterahana azy.
Fantarina ny fihatraikan’ireo vahaolana entina hitantanana ny tontolo iainana sy ny fihariana ary ny
fiarahamonina. Maro ny fomba fiasa azo atao. Ilay ifandrimbonana no hampiharina ato anaty
tetikasa.
Ny UGP no tompon’antoka voalohany amin’ny fampiharana ny CGES sy ny fampifandrindrana ny
asa amin’ireo politikan’ny GEF6-AMP momba ny tontolo iainana sy fiarahamonina. Ny Mpandrintra
ny tetikasa no misahana izany ankapobeny fa ampian’ny Tomponandraika Fiarovana sy
Fampandraisanajara ny eny ifotony (RSEC na Responsable de Sauvegarde et Engagement
Communautaire). Ny mpitantana ny AMP/LMMA isantonkony ihany no misahana ny fampiharana
ny CGES sy fanjohina izany.
Fanjohina ara-tontolo iainana Tsy mbola voafaritra moa izao ny karazana, ny isa, ny habe na ny toerana hananganana
AMP/LMMA, zary ankapobeny ihany ny fandaharana fanjohina sy tombanezaka aroson’ny Drafitra
lasitra fitantanana tontolo iainana sy fiarahamonina (CGES). Afaka hatsaraina miandalana io
fandaharana io rehefa miha mandroso ny fandrafetana ny tetikasa. Ny anton’ny fanjohina ara-tontolo
iainana sy ara-piarahamoninamoa dia mba ho fampanajana: (i) ireo vahaolana naroso; (ii) ireo
toromarika ho an’ny tompon’asa sy ny mpanatanteraka azy; (iii) ireo lalàna manan-kery.
-
Fanjohina ny lafiny fihariana sy fiaraha-monina Tanjon’ity fanjohina ity ny ihantohana ny fahatanterahan’ny fanonerana ireo voakasiky ny tetikasa
(PAP) avy amin’ny vahaolana ara-pihariana, faran’izay malaky indrindra ary tsy misy voka-dratsy
amin’ny tontolo iainana. Fara faharatsiny, ny mpitantana mba ho afaka manam-baovao sy afaka
mandray izay fepetra ilaina hamahana izay olana atrehan’ny voakasiky ny tetikasa.
Fanjohina ara-pitantanana Ny mpitantana AMP/LMMA isanisany no manao ny fanjohina ara-pitantanana anaty tatitra ara-
potoana. Ampiana sy hofanina ny mpisitraka mba hahafahany manjohy ny tetikasany. Ity fanjohina
ity no ahafahan’ny mpitantana isan’ambaratonga manaraka ny fivoaran’ny fampiharana ny CGES.
Ireto ny ampahan’ny tondro arahina amin’izany: (i) Isan’ny voakasiky ny tetikasa (PAP) misitraka
asa fanarenana fatiantoka, (ii) Isan’ny fanadihadiana ifandrimbonana natao, (iii)
Fandraisan’anjaran’ny PAP amin’ny sehatra fakan-kevitra sy fanapahan-kevitra momba ny
fitantanana faritra arovana an-dranomasina, (iv) Fahanterahan’ny asa fanarenana fatiantoka sy ny
fahaterahan’ny fihofanana nokinasa, (v) Fanantanterahan’izay vahaolana voarakitra ao anaty drafi-
pitantanana tontolo iainana, ary (vi) Isan’ny disadisa voaray sy ny fahombiazan’ny fomba
fandaminana disadisa. Mila sy afaka mampiasa ireo daholo na ny vondron’olona ifotony, na ny
mpitantana AMP/LMMA sy mpitondra isan’ambaratonga, ho fanatsarana fanapahan-kevitra sy
fampaobiazan’ny fitantanana.
Tombanezaka Ny fanombanana ny fihatraika sy ny fivoaran’ny tetikasa no tanjon’ny tombanezaka. Anisan’ny
tombanana ny fihatraikan’ny vahaolana ara-piariana, ara-piarahamonina sy ara-tontolo iainana. Maro
ny paikandamina azo hanaovana tombanezaka. Tombanezaka mandeha ambaratonga no safidin’ny
tetikasa, toy izao izany: Tombanezaka anatiny (ataon’ny mpisehatra mandray anjara amin’ny tetikasa), Tombanezaka ivelany (ataon’ny mpanao tombanezaka ivelan’ny tetikasa),
Fananganana komity mandravona ny vokatry ny tombanezaka roa teo aloha, mihezaka
mampitaha ny vokatra, mitondra fanazavana ny amin’izay elanelam-bokatra, mandray
toakevitra sy lesona ary toromarika miaraka.
FAKAN-KEVITRA Ny fandraisana anjaran’ny olona sy ny ankolafin-kevitra samihafa amin’ny fandrafetana ny tetikasa
sy amin’ny fanapahan-kevitra momba izany no tanjon’ny fakan-kevitra. Nisy izany tao Antananarivo
sy tany amin’ny faritra sasany arak’izao manaraka izao:
Fotoana Toerana
29 Mey -02 Jona Faritra DIANA: Ambanja, Ambilobe, Nosy Be, Antsiranana
04 - 09 Jona Faritra Atsimo Andrefana: Toliara, Anakao, Salary Avaratra
12 - 15 Jona Helodranon’Antongila: Maroantsetra
Noezahina ny ahafahan’ny mpisehatra isan-tokony maneho hevitra sy manambara izay heveriny ho
« ahiahy tsy ihavanana » momba ny tetikasa sy ireo asa kinasa, sy manolo-kevitra sy vahaolana, mba
ho teny ierana ny fandrafetana ny tetikasa. Maro ireo vaovao sy soso-kevitra voangona nandritra ny
fanak-kevitra. Mankasitraka ny tetikasa sy miandrandra vokatra tsara amin’ny ankapobeny ireo
ankolafy nihaonana. Nankasitrahin’ny rehetra ilay ezaka mampandray anjara ny maro mandritra ny
fandrafetana ny tetikasa. Ireto ny fanahiana misongadina nambaran’ireo nihaonana:
-
- Tsy fisian’ny lalana mamaritra ny LMMA, - Tsy mazava, ka mifanjevo ny fizarana andraikitra eo amin’ny VOI sy ny fikambanan’ny
mpanjono raha ny momba ny fanaraha-maso ny alan-konko, - Sahirana ny olona eny ifotony eo anatrehan’ny “am-bava tsy ratsy” misy eo amin’ny MEDD sy
MAEP momba ny fitantanana ny alan-konko,
- Fahatsapana fa manangana rafitra vaovao hatrany izay tonga, fa tsy manohana izay efa misy, - Kolikolin’izay mitantana, - Fanilikilihana mahazo izay tsy VOI rehefa misy fanarenana fatiantoka, - VOI mitady hisalovana ny asan’ny fanjakana, - Am-bava tsy ratsy fa lolom-po tsy afaka (eo amin’ny samy mpiara-monina), - Raha tsara tantana ny harena an-dranomasina anaty faritra arovana, miha mafy ny tsindry mahazo
ny any ivelany,
- Manao fihavin’ny tafara sy tsy manaraka lamina ny mpanjono mpihavy sy mpanjono antselika ka manakivy ny tompon-tany,
- Mirongatra ny fampiasana fitaovana voarara rehefa tonga ireo mpanjono antselika, - Mahatsiaro ankilabao ireo fikambanana eny ifotony mitaha amin’ny fikambanana iraisam-
pirenana mandritra ny fifantenana mpiaramiombonantoka stratejika.
Ireto kosa ireo soso-kevitra misongadina:
- Fandrindrana ny fifamenoan’ny MEDD sy ny MAEP, - Famaritana ny lalàna momba ny LMMA, - Fandrafetana torolàlana pratika momba ny fampihrana ny lalàna TANTEZA (GELOSE) amin’ny
ranomasina, - Fiaraha-miasa sy fanohanana ny rafitra efa misy, - Koperativa no mety kokoa raha asa mampidi-bola no iarahana (fa tsy fikambanana tsotra), - Tohana ho an’ny fampiroboroboana ny zahavoary, fitrandrahan’ny hafa izay fahombiazana efa
hita, - Voly honko sy ala an-tanety, - Fantsarana ny fifampitondrasana eo amin’ny fitantanana morontsiraka, - Momba ny zahavoary eny ifotony, fanofanana sy fanentanana mba hisorohana ny fihatraika ratsy,
fametrahana fifaninanana madio, - Tohizana hatramin’ny fizakan-tany ankapobeny ny fampiharana ny lalàna TANTEZA (GELOSE)
mba hiarovana ny fonenan’ny tantsaha,
- Atao laharampahamehana ny fiarovana ireo faritra manan-danja amin’ny lafiny Harena voajanahary (fanatodizan’ny fano sy voron-drano, sy ny hafa, …),
- Fanganana fotodrafitrasa toy ny lasy ho an’ny mpanjono, lasy ho an’ny mpizaha tany, sy ny hafa, - Fanofanana mitohy ho an’ny VOI momba ny andraikiny sy an’ny Ben’ny ala.
FANDAMINANA NY FAMPIHARANA NY CP SY NY CGES Anjaran’ny tetikasa GEF6-AMP ny manao izay hananan’ny rehetra ny fahaiza-manao ho
fanatanterahana ny asa rehetra indrindra izay mifandraika amin’ny fitantanana ny tontolo iainana sy
ny fiarahamonina araka ny lalàna malagasy sy ny politikan’ny WWF. Maromaro ireo olona sy rafitra
mandray anjara amin’ny fitantanana ireo lafiny tontolo iainana sy fiarahamonina ireo. Fa ny MEDD
ihany no mandrindra ny asa rehetra noho izy tompon’andraikitra voalohany amin’ny
fampandehanana ny tetikasa.
Ny Tale misahana ny fampiroboroboana ny fihariana maitso sy manga (DEVB), izay eo ambany fiahian’ny ny Tale Jeneraly misahana ny fampandrosoana maharitra (DGDD), no
misahana ny fandrindrana ankapoben’ny Tetikasa GEF6-AMP.
-
Foibe Fitantanana ny Tetikasa (UGP): Ny RSEC ao anatin’ny UGP no mandrindra ny resaka tontolo iainana sy fiarahamonina ary miandraikitra ny fiarahan’ny mpisehatra momba izany.
Ny UGP (i) no mandrindra ireo fihofanana sy fanamafisana fahaiza-manao momba ny tontolo
iainana, (ii) mamantatra sy mandray mpanamahay hanao fanadihadiana ara-tontolo iainana
(EIES).
Ny RSEC no mameno ny fitaovana fanaovana sivana ara-tontolo iainana, mandrindra ny fanadihadiana ara-tontolo iainana (EIES) raha ilaina, hatramin’ny fahazoana fankatoavana.
Mandray anjara ihany ko aizy amin’ny fanapariahana ny CGES any amin’ny vondrom-
bahoaka itsinjaram-pahefana. Izy no misahana ireo fanofanana sy fanentanana ny mpisehatra,
ny fampidirana ireo fenitra ata-tontolo iainana sy ara-mpiarahamonina amin’ny fiantsoana
tolo-bidy sy fifanarahana amin’ny fanorenana fotodrafitrasa. Izy ihany koa no manao ny
fanjohina sy tombanezaka ny lafiny fiarahamonina sy tontolo iainana.
Ny Foibem-pirenenena momba ny tontolo iainana (ONE) no mankato na tsia ny sivana ara-tontolo iainana, sy ireo tatitry ny fanadihadiana ara-tontolo iainana (EIES). Ny ONE no
mandrindra ny asan’ny Komity Teknika misahana ny tombana (CTE na Comité Technique
d’Evaluation), sy ny fitantanana ny fitsarana ireo fanadihadiana ara-tontolo iainana sy ara-
piarahamonina (EIES), ary manome ny fahazoan-dàlana ara-tontolo iainana. Ny ONE ireny
no manana fahefana hankato ny sivana sy hanao ny fanasokajiana ara-tontolo iainana. Izy
ihany koa no mamaky sy mankato ireo tatitra ara-tontolo iainana.
Ny rafitra eny ifotony (VOI sy izay mahasolo azy, ny Komitin’ny Faritra arovanana COSAP, sy ny hafa …) no mampihatra ireo paikandamina sy pratika mahomby eo amin’ny fitantanana
ny tontolo iainana sy ny harena an-dranomasina sy amorontsiraka.
Ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana (Kominina, Faritra) dia manana anjara amin’ny fanentanana ny mponina sy ny fanaovana asa-pokonolona. Mandray anjara ihany koa izy
amin’ny fanjohina sy fanatanterahana ireo vahaolana ara-tontolo iainana sy ara-
mpiarahamonina voarakitra ao anaty CGES ary manao izay hahatotosan’ireo asa marolafy ka
iarahana amin’ny sampandraharaham-panjakana hafa, ka mampiditra azy ireny ao anaty
drafi-mpampandrosoany.
Ny fiarahamonim-pirenena sy fikambanana eny ifotony dia afaka mandray anjara amin’ny fanofanana, fanentanana ny mponina momba ny fikajiana ny tontolo iainana sy fanatsarana
ny fiarahamonina, ary ny fanjohina ny fitantanana ny harena an-dranomasina.
Ny mpisehatra mpanatanteraka hafa dia tsy maintsy mampihatra ireo vahaolana sy fepetra ara-tontolo iainana sy ara-piarahamonina.
Fanapariahana
Manana ny toerany ny fampandraisana anjara ny mponina sy ny fangaraharana eo amin’ny politika
sy paikandaminan’ny WWF momba ny tontolo iainana sy fiarahamonina. Samy takina na ny fakan-
kevitra na ny fanapariahana ny tatitra. Nandritra ny fandrafetana CGES/CP dia efa nisy fakan-
kevitra. Ho tohizana hatrany izany mandritra ny fiainan’ny tetikasa. Ny CGES/CP moa dia ho azo
jerena amin’ny tranonkalan’ny MEDD sy an’ny WWF.
Drafitra lasitra fitantanana tontolo iainana sy fiarahamonina
Fihatraikany miabo Miha mora ny fananganana na fanitarana faritra arovana, ny fitantanana azy ary ny fiarovana ny
zon’ny mpitantana, rehefa mazava ny foto-dalàna mamaritra ny AMP/LMMA. Ho mora kokoa
arak’izany ny fananganana AMP sy LMMA manerana ny morontsirak’i Madagasikasa. Ho mora
kokoa ny fampiharana fitantanana ifandrimbonana, ny fifampitondrasana mahomby ary ny
fisorohana fomba fitrandrahana tsy maharitra. Rehefa ny fitrandrahana maharitra sy manaraka
toetrandro no ampiharina, dia hitombo ny tahiri-na hazan-drano, hitombo ny fidiram-bola ary
hihatsara ny fari-piainan’ny mpanjono sy ny taranany mifandimby.
-
Fanatsarana ireo fihatraikany miabo Efa mitanisa ireo fomba entina manamafy sy manatsara ireo fihatraika miabo ny “Tabilao B”
mirakitra ny asa hataon’ny tetikasa. Ireto ireo hevitra voangona nandritra ny fakan-kevitra momba
izany: (i) Fanokafana ny faritra iasan’ny tetikasa hitsinjovana ny hamehana any amin’ny faritra.
Ohatra ny fampidirana ny morontsiraka anelanelan’Ambodivahibe sy ny vavaranon’i Loky,
Sahamalaza Nosy Radama, sy ny hafa …; (ii) Tohana manokana ho an’ny asan’ny vehivavy : fia
saly, asatanana, voly lomotra, sy ny hafa, …; (iii) Tantsoroka ho an’ny VOI sy fiarahamonin-
mpirenena eny ifotony mba hampaharitra ny voka-tsoan’ny tetikasa ; (iv) Fanafainganana ny
fampiharana lalàna tsy hanome vahana ny tsy maty manota ; (v) Fametrahana tahirim-bola ho an’ny
asa sosialin’ny VOI mba ho fitsinjovana ny mpikambana tojo tsy fahasalamana, na ho tohana
amin’ny fampiasam-bola; (vi) Fanavaozana ny fifanarahana famindram-pitantanana alan-konko.
Fihatraika sy vahaolana Ny fanombanana ny fihatraikan’ny tetikasa GEF6-MPA eo amin’ny tontolo iainana sy ny
fiarahamonina, dia miaina avy amin’ny famakafaka ireo vinan’asa isaky ny Lafiny avy. Noraisina
ihany koa ireo ahiahy voangona nandritra ny fakan-kevitra ny 30 mey ka hatramin’ny 15 Jona 2018.
Fintinina ato anatin’ity tabilao manaraka ity ireo fihatraika sy ny vahaolana mifandraika aminy:
-
Lafiny Vinan’asa Fihatraikany miabo Fihatraikany miiba Vahaolana Lafiny 1: Mametraka tambazotra-na Faritra arovana an-dranomasina (AMP) sy tantanan’ny vondron’olona Ifotony (LMMA), mivelatra sy
mipariaka. 1.1. Paikady hanatrarana ny tanjona
faha 11 tany Aichi sy drafitrasa
fampivoarana ny tontolo an-
dranomasina sy amorontsiraka,
miainga avy amin’ny fahalalàna
ara-tsiansa matotra indrindra
- Famantarana ny toerana
laharampahamehana ho an’ny
faritra arovana - Famaritana masontsivana
hifantenana izay LMMA
mendrika ho OECM
(katalôgy) - Fandrafetana drafitr’asa
hanatrarana ny tanjona faha 11
tany Aichi.
- Fitomboan’ny tahiri-na
hazandrano. - Fanaovana ho
laharampahamehana izay
toerana manan-karena
amin’ny lafiny Harena
voajanahary.
Velontena voatohintohina
noho ny fameperana
fitrandrahana harena voa-
janahary an-dranomasina.
Fanarenana fatiantoka
amin’ny halalan’ny
vadin’asa (Lafiny faha
3).
1.2. Taratasy fananganana AMP sy LMMA vaovao na fanitarana
ny efa misy mihoatra ny 1
tapitrisa hektara, atolotra
hankatoavin’ny governemanta,
mahasahana ireo faritra
mirakitra harena voajanahary
maro sy saro-pady no sady
tandindomin-doza.
Fanolorana ny antontan-
taratasy fananganana na
fanitarana Faritra arovana an-
dranomasina (AMP/LMMA)
anivon’ny governemanta mba
hankatoavina ara-panjakana.
Voarakotra AMP sy
LMMA araka ny antonony
ny morotsirak’i
Madagasikara.
Velontena voatohintohina
noho ny fameperana
fitrandrahana harena voa-
janahary an-dranomasina.
Fanarenana fatiantoka
amin’ny halalan’ny
vadin’asa (Lafiny faha
3).
Lafiny faha 3: Manatsara sy mampahomby ny fitantanana sy fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana maharitra eny ifotony amin’ny
halalan’ny Faritra arovana an-dranomasina (AMP) sy faritra andranomasina tantanan’ny vondron’olona ifotony (LMMA). 3.1. Tolotra maro hisafidianana
entina hantsarana ny asa fihariana
sy hisondrotan’ny fari-piainan’ny
eny ifotony.
Fametrahana masontsivana hametrahana toerana
filamatra, asa hatao ary
mpiara-miombonantoka. Fanaovan-tsonia fifanaraha-
mpiaraha-miasa sy tohana. Tohana ho an’ny asa
fihariana, anaty seha-
mpihariana, toy ny: - Voly lomotra (tsatoka sy
tady). - Fikarakarana hazan-
- Fiatrehana ny fatiantoka
noho ny fameperana
fitrandrahana harena
voajanahary. - Fihatsaran’ny fidiram-
bolan’ny eny ifotony. - Fivoaran’ny teknikam-
pihariana.
- Mety ho fahalotoan’ny
rivotra, ny tany sy ny rano
noho ny asa fanorenana
fotodrafitrasa. Ho matotra kokoa ny
fahalalàna ireo fihatraikany
ratsy rahatr’izay manao
sivana ara-tontolo iainana.
Fampiharana ny
toromarika momba ny
asa fanorenana (atovana
ity CGES ity.
-
Lafiny Vinan’asa Fihatraikany miabo Fihatraikany miiba Vahaolana drano (fia saly, fia
maiky …). - Fananganana
fotodrafitrasa momba ny
zahavoary (tsy mihoatra
ny 5000 dolara). - Fambolena sy fiompiana
madinika. 3.2. Fitomboan’ny enti-manana ho
an’ny fitananana AMPN/LMMA,
avy amin’ny asa fihariana.
- Fifanarahan’ny eny ifotony. - Tamberim-bola azo avy
amin’ny asa fihariana ka
hihatrehana ny fitantanana
AMP sy LMMA.
Faharetan’ny fitantanana
AMP/LMMA. Fanahiana disadisam-
piarahamonina noho ny
fitantanana tsy
mangarahara ny volam-
bahoaka.
Fanamafisana ny
fahaiza-mitantana ho
an’ny VOI sy
fikambanana eny
ifotony, sy
fampiroboroboana ny
fitantanana mangarahara. 3.3. Fanamafisana ny fitananana
- Fananganana fotodrafitrasa
madinidinika ilaina : birao,
fitazanana, mariky ny faritra
arovana, fampitaovana ny
mpanara-maso sy ny mpanao
fanjohina ekôlôjika. – Fanapariahana fitaovana
fitantanana, fanaovana
fanjohina ekôlôjika sy
fanaraha-maso. - Fanofanana sy fitsidihana
fifanakalozana.
- Mety ho fahalotoan’ny
rivotra, ny tany sy ny rano
noho ny asa fanorenana
fotodrafitrasa. Ho matotra kokoa ny
fahalalàna ireo fihatraika
ratsy rahatr’izay manao
sivana ara-tontolo iainana.
Fampiharana ny
toromarika momba ny
asa fanorenana (atovana
ity CGES ity.
-
Teti-bola ho an’ny CGES/CP
69 000 dolara amerikana no atokana entina manatanteraka ny CGES/CP. Ny tetikasa GEF6-AMP no
misahana manontolo io vola io.
Fisorohana sy fitantanana disadisa Raha ny tokony ho izy, efa ampy hanarenana fatiantoky ny voakasiky ny tetikasa (PAP) ny
fanatanterahana ny Drafitrasa fanarenana fatiantoka (PARAR). Fisorohana disadisa
Efa paikady fisorohana disadisa ilay fomba fiasan’ny tetikasa mifototra amin’ny fampandraisan’anjara
ny rehetra. Raha fintinina fohy dia toy izao ireo toetra fototr’izany paika izany: (i) Fanamafisana ny
fahaiza-manao amin’ny lafiny maro (teknika, fahefa-mizaka, fandaminana) ho an’ny mpikatroka isan-
tokony; (ii) Fanajana ny fady sy ny fomban-tany; (iii) Teti-pivoarana ifandrimbonana sy fampandraisana
anjara ny mpanjono sy ny mpiara-monina voakasika.
Famahàna disadisa
Misy ambaratonga efatra, ka mifototra amin’ilay fiteny “izay akaiky vilany feno arina”, ny famahàna
disadisa. Tsy miakatra ambaratonga manaraka ny raharaha raha tsy efa afa-nenina ny ambaratonga eo
alohany. Ny ambaratonga voalohany dia raharaham-pihavanana eo amin’ny roa tonta. Raha misy
fitarainana na an-tsoratra na am-bava ataon’ny andaniny, dia mihaona ny roa tonta ary mandravona ny
olany amina fifanarahana teny ierana. Raha misy anefa tsy fahafam-po, na tsy fampiharana izay
nifanarahana, dia afaka entina amin’ny ambaratonga faha roa ny raharaha.
Ny dina no entina hamahana ny olana eo amin’ny ambaratonga faha roa. Manao ny fanelanelanana
amin’izany ny biraon’ny VOI, na COZAP, na vovonan’ny LMMA miaraka amin’ny Fokontany sy ny
olobe. Toy ny teo aloha ihany, miainga avy amin’ny fitarainan’ny andaniny ny raharaha. Soratan’ny
mpanelanelana ny tsoakevitra sy fanapahana ary soniavin’ny andaniny sy ny ankilany. Mbola afaka
ampiakarina ny raharaha raha misy tsy fahafaha-po.
Mitovitovy tamin’ny ambaratonga faha roa ihany ny ambaratonga faha telo, saingy mpanalalana tsy
miankina sy matianina no manao ny fanelanelanana. Raha sanatria ka tsy mbola mivaha ny raharaha
izay vao miditra an-tsehatra ny sampandraharaham-panjakana sy ny fitsarana.
Ny fanelanelanana ataon’ny sampan-draharahan’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra eny
ifotony (Ben’ny ala, DREDD/DIREDD) no anombohana ny ambaratonga faha efatra. Raha tonga
hatrany amin’ny fitsarana ny raharaha, dia manan-jo hanana mpanolo-tsaina mahay lalàna na
mpisolovava ny andaniny avy. Mbola azo atao ny mampiakatra ny raharaha raha misy tsy fahafaham-po
ka ny ambaratongam-pitsarana indray no anaovana izany.
Ezahina ho mora tsy tsotra ny fomba fanaovana fitaraina amin’ny ambaratonga rehetra. Taratasy tsotra
na fitarainana am-bava dia ampy. Afaka mitaraina na olona tsotra na vondron’olona maromaro.